- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandresy Taorian'ny Fahafatesany ireo Mpanao Gazetin'ny Népszabadság, Gazety Hongroà Iray Nakatona

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Hongria, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Népszabadság staff

Ny ekipan'ny Népszabadság. Nahazoana alàlana avy amin'ny pejy Facebook-n'ny ekipa mpamoaka lahatsoratra “Népszabi [1]” .

Namoaka didy ny fitsarana Hongroà fa tsy ara-dalàna ny fanakatonana tampoka ny gazety mpanohitra be mpamaky mivoaka isan'andro Népszabadság tamin'ny volana Oktobra, satria  tokony nikaondoha niaraka tamin'ny komitin'ny mpiasa aloha ny tompony mba ahafahana manohy ny famoahan-dahatsoratra sy mba hialana amin'ny fandroahana ny mpiasa rehetra.

Nakaton'ny tompony, ny vondrona Aotrisiana Mediaworks,  tamin'ny 9 Oktobra 2016 tsy nisy filazana mialoha ny gazety ary nilaza fa ny fahavitsian'ny mpividy azy no anton'izany. Tamin'io maraina io, tsy navelan'izy ireo hiditra tao amin'ny faritra ireo mpiasa izay gaga tokoa .

Nihoby ny fanapahan-kevitry ny fitsarana [2] ho “mari-pandresena aoriam-pahafatesan'ireo mpanao gazetin'ny  Népszabadság” ny Reporters Sans Frontières (RSF). Araka an'i Pauline Adès-Mével, filohan'ny biraon'ny Vondrona Eoropeana ao Balkans RSF :

“This is a moral victory for the staff of Nepszabadsag, even if the ruling unfortunately has no criminal or financial consequences for the newspaper’s owner. The judge’s ruling made it clear that, if the procedures had been respected, the newspaper would not have had to close and fire its 90 employees.”

” Fandresena ara-maoraly ho an'ny ekipan'ny Nepszabadsag izany, na dia nampalahelo aza fa tsy voasazy tamin'ny heloka bevava na nahazo sazy ara-bola avy amin'ny didim-pitsarana ny tompon'ny gazety. Mazava tsara ny didin'ny mpitsara fa tsy voatery nakatona ny gazety na noroahana ny mpiasa miisa 90 raha nohajaina ny fomban'ny asa.”

Tsy nahitana torohay azon'ny daholobe nojerena ny fanambarana fanapahan-kevitry ny fitsarana raha nandray karazana onitra noho ny voina nihatra taminy ireo mpanao gazety .

Mpanao gazety Hongroà Anita Kőműves. Sary nahazoana alàlana .

Mpanao gazety ao amin'ny sampana raharaham-bahinin'ny Népszabadság nandritra ny 11 taona i Anita Kőműves, ary mpanangom-baovao momba ny politika Amerikana izy nanditra ny dimy taona mndra-pahatonga ny fikatonan'ny gazety. Anisan'ny ekipam-panadihadiana tao amin'ny gazety ihany koa izy: manambara ny tena fandaniam-potoanan'i Hongria amin'ny lobbying any Washington [3] ny iray amin'ireo tantarany .

Nilaza tamin'ny Global Voices izy fa mampiseho firaisankina amin'ny mpiasan'ny Népszabadság ireo mpanao gazety avy amin'ny sehatra fampitam-baovao hafa – elatra ankavia sy ankavanana (afa-tsy ny farany havanana). Nilaza i Kőműves fa avy amin'ny fanovan'ny governemanta tanteraka ny tontolon'ny fampitam-baovao tao Hongria hatramin'ny nanombohan'ny governemanta niasa tamin'ny taona 2010 no nitsanganan'izao firaisankina goavana izao. Nanova ny lalànan'ny fampitam-baovao [4]Hongroà ny governemanta, anisan'izany ny fandroahana [4] mpiasa miisa 1.000 mahery tao amin'ny orinasan'ny haino aman-jerim-panjakana, sy ny fandroahana [4] ny toniandahatsoratry ny tranonkalam-baovao malaza Origo.hu taorian'ny namoahana tantara iray momba ny fandanian'ny sekreteram-panjakana nandritra ny nataony.

We never considered the court ruling to change anything, it’s rather a moral victory which states that we should have had a legal representative with us and there should have been direct communication about what was going on. We knew this wasn’t going to change anything because the story had already ended the morning of October 9, 2016.

Tsy nieritreritra mihitsy izahay fa hanova zavatra ny didim-pitsarana, toy ny fandresena ara-maoraly kosa izany izay milaza fa tokony nanana solontena ara-dalàna niaraka taminay izahay ary tokony nisy ny fifandraisana mivantana mikasika ny zava-mitranga. Fantatray fa tsy hanova na inona na inona izany satria efa nifarana ny marainan'ny 9 Oktobra 2016 ny tantara.

Maro ireo Hongroà no manontany matetika ny momba ny hoavin'ireo mpanao gazetin'ny Népszabadság teo aloha. Nanomboka niasa ho an'ny vaovao an-gazetiboky Vasárnapi Hírek i Anita Kőműves vao tsy ela akory izay, kanefa mbola maro amin'ireo mpiara-miasa taminy no mbola eo am-pitadiavana asa:

As soon as the paper was closed we started to think about starting up a new outlet, either print or online. But we knew that we would need a lot of money to run a newsroom of 80 people. However, we started talking to potential investors both in Hungary and internationally but very recently, around the beginning of January, we had to realize that [we] would not be able to raise the money to start up even a much smaller operation.

Nanomboka nieritreritra amin'ny hanokafana seha-baovao hafa izahay raha vao nikatona ny gazety, na io pirinty na an-tserasera. Kanefa fantatray fa mila vola be ny mamelona biraom-baovao ho an'ny olona miisa 80. Na izany aza,  nanomboka niresaka tamin'ny mpampiasa vola matanjaka teto Hongria sy iraisam-pirenena izahay, saingy tena vao haingana, tany ho any amin'ny fiandohan'ny volana Janoary tany no nahatsapa [izahay] fa tsy hahatakatra ny vola hiaingana na dia asa kely kokoa aza .

Gazety Hongroà lehibe iray miandany amin'ny ankavia , izay midika hoe Fahafaham-Bahoaka, ny Népszabadság ary naorina nandritra ny Revolisiona Hongroà  tamin'ny taona 1956 [5]. Lasa gazety tsy miankina izy nandritra ny taompolo 1990, ary niova imbetsaka ny tompony, mandra-pahatonga ny nitantanan'ny Mediaworks azy tamin'ny taona 2015.

Niteraka fihetsiketsehana goavana tao Budapest [6] ny fanakatonana ny gazety. Roa herinandro sy tapany tatỳ aoriana,  nivarotra ny Népszabadság tamin'ny Opimus Press [7] , vondrona fampitam-baovao iray an'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny  praiminisitra ao Hongria, Viktor Orbán, ny tompon'ny Mediaworks.

Nitatitra [8] ny Reuters fa anisan'ny paikady iray napetraky ny mpiara-dia amin'i Orbán mba hanjakazakana amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena amin'ny alalan'ny fiarovana “tambajotra fampitam-baovao am-pirahalahiana” ity fividianana ny gazety ity. Tsy mbola nitantana sehatra fampitam-baovao mihitsy ilay tompony vaovao .

Novelomina indray ny tahiry nomerikan'ny gazety volana maromaro taorian'ny fipoahan'ny vaovao. Ankehitriny,  azon'ny rehetra jerena ireo lahatsoratra farany, ahitana ny lahatsoratra tamin'ny taona 2008 izay nosoratan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity mikasika ny Fihaonana An-tampon'ny Global Voices tany Budapest [9] .