- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fifaharany Syriana : Fandraisampeo Mankany Amin'ny Lalina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vehivavy sy Miralenta, Global Voices Podcast

Maha-lasa adala ny lanjan'ny krizy sy ny fandringanana ao Syria . “Toeram-pamonoana, faharavana tanteraka ny maha olombelona, ny faratampony amin'ny horohoro” no hita ao amin'ny firenena  araka ny nolazain'ny manampahefana iray ao amin'ny Firenena Mikambana . [1]

Olona efa ho dimy hetsy no maty tamin'ny ady; noterena handao ny fonenany ny antsasaky ny mponina miisa 22 tapitrisa ao amin'ny firenena. Nilaza ny Foibe Fikarohana Ara-politika fa na naratra na maty ny 11.5% -n'ny olona amin'ny fitambaran'ny mponina Syriana . Vao haingana, namoaka tatitra ny Amnesty International fa Syriana  miisa 13.000 no nahantona tany amin'ny fonja miaramila [2]iray teo anelanelan'ny taona 2011 sy ny taona 2015. Dokotera, mpisolovava, mpikatroka , raim-pianakaviana,  vady sy zanakalahy avokoa izy ireo.

Amin'ity fizaran-tantara Mankany Amin'ny Lalina ity, misy ny fandraisam-peo Global Voices mangady lalina lohahevitra iray izay tsy hita amin'ny fampitam-baovao mendrika azy, mandalina any amin'ny fifaharana ao Syria isika .

Angamba mety ho ady tena nanatantara indrindra teo amin'ny tantara [3] ny ady an-trano Syriana izay ao anatin'ny faha-enintaonany ankehitriny. Fa mety ho ilay tena mampisafotofoto indrindra ho an'ny olona ivelan'ny firenena ihany koa .

Ho hitantsika ny sioka mahavaky fo [4] avy amin'ny zazavavy Syriana iray 7 taona atao hoe Bana any Atsinanan'i Aleppo natao fahirano, ary avy eo isika hijery ny namantsika mizara ny lahatsoratra vaovao izay milaza amintsika fa tsy misy i Bana fa fitaovana fampielezan-kevitra noforonin'ny Tandrefana.

Atao misy i Bana. Voamarina tamin'ny fampitahana [5] azy ireo avy amin'ny sarin'ny zanabolana ny lahatsary momba azy. Nanamafy ihany koa [6] tamin'ny Guardian [6] sy ny New York Times tamin'ny alalan'ny Skype sy ny WhatsApp ireo mpikatroka atokisana sy dokotera miasa any amin'ny faritra atsinanan'i Aleppo, fa araka ny nolazaina i Bana sy ny reniny. Sary an-tapitrisany , horonantsary, bilaogy, sioka ary rakipeo momba ny ady no nozaraina tao amin'ny media sosialy. Nisy tamin'ireo no nampifandraisin'ny fikambanam-pamoaham-baovao tamin'ny zava-misy ary ny sasany tamin'izany efa noesorin'ny milina fampielezan-kevitra tsy hifandraika amin'ny zavamisy.

Noho izany ahoana no ataontsika manoloana ny vaovao sy ny fampielezan-kevitra rehetra ?

Mitodika any amin'i Marcell Shehwaro hatrany izahay ato amin'ny Global Voices rehefa te-hahatakatra ny zava-mitranga marina any Syria. Izy ilay bilaogera 32 taona sady mpikatroka avy any Aleppo, Syria.

Namoaka andian-dahatsoratra fampahatsiahivana ho an'ny Global Voices i Marcell hatramin'ny taona 2014, izay nantsoina hoe ” Tapatapany avy any Syria [7]“, izay namariparitany ny fiainany tao Aleppo sy ny mety hanaovany sesitany ny tenany ivelan'i Syria. Tamin'ny taona 2015, nahazo ny Lokan'ny Fanaovan-gazety An-tserasera taona 2015 ireo andian-dahatsoratra ireo. Nidera ny “lahatsorany manokana mahery vaika” ny mpitsara rehefa nahita “ny faritra volondavenona tao amin'ny ady izay matetika notantaraina tamin'ny loko mainty na fotsy fotsiny.”

Amin'ity fizaran-tantara ity izy miaraka tamin'i Joey Ayoub [8], toniandahatsoratr'i Global Voices any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, izay manampy antsika hahatakatra ny fomba fijerin'ireo Syriana miatrika ady amin'ny alalan'ny fomba fijery sy ny fanoratr'i Marcell.

Nahatonga izao fizaran-tantara izao ho tanteraka ny asa feno aingam-panahy an'ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary tonian-dahatsoratra eto amin'ny Global Voices rehetra. Noho izany, fisaorana lehibe ho anareo rehetra any izany.

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany ny The Telling sy Parisa, avy amin'ny Blue Dot Sessions avokoa ireo.