Mitaky Fampihenàna Ny Vola Miditra Amin'ny Antoko Politika Ny Hetsika Iray Ao Meksika

Fotografía tomada de Wikimedia Commons. Perteneciente al Dominio Público.

Fotografía de ProtoplasmaKid. Tomada de Wikimedia Commons y publicada bajo licencia CC-BY-SA 4.0

Mba hampitoniana ny hatezeran'ny vahoaka goavana manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika vao haingana ao Meksika, nahazo fanohanana manerana ny firenena ny hetsika momba ny lalàna hanoherana ny fihoaram-pefin'ny saranga politika. Antsoina hoe #SinVotoNoHayDinero (#TsyMisyVatoTsyMisyVola) izany tolokevitra izany ary notarihan'i Manuel Clouthier sy Pedro Kumamoto, depiotem-pikambanana tsy miankina roa ao amin'ny Kaongresy, ny tanjona dia ny hampihenana ny fidiram-bolan'ireo antoko politika.

Mahazo fidiram-bola avy amin'ny volam-bahoaka mifototra amin'ny fikajiana ny fitambaran'ny olona nisoratra anarana hifidy (44,50 pesos Meksikana, na eo amin'ny 2,14 dolara Amerikana isan'olona) ireo antoko politika ankehitriny. Mahazo izany vola izany ny antoko na dia tsy mifidy amin'ny fomba manan-kery aza ireo voasoratra anarana hifidy rehefa amin'ny androm-pifidianana.

Mikendry hanova ny fomba fanomezana ny volam-bahoaka ho an'ny antoko politika ity hetsika, nankatoavin'ny Kongresim-panjakan'i Jalisco (fanjakana ao amin'ny faritra andrefan'ny firenena) vao haingana ity ary nalefa tany amin'ny Lapa Federalin'ny depiote hahazo ny sehatra federaly. Avy amin'izany ry zareo no manantena hitarika ireo mpanao politika handray anjara amin'ny fifidianana sy hampihena ny volam-bahoaka alain'ny antoko politika.

Manazava ny fototry ny olana ny tranonkalan'ny #SinVotoNoHayDinero :

Creemos que los partidos reciben demasiado dinero público y que esta fórmula hace que no se esfuercen para conseguir el voto popular. Nuestra propuesta consiste cambiar la fórmula para que en vez de multiplicar el padrón se multiplique la votación valida emitida (votos totales menos votos nulos y en blanco) por el 65% de una UMA. Esto haría que los partidos tengan que esforzarse porque las personas voten en las elecciones y en 2015, hubiese significado un ahorro del 65% (los partidos hubiesen recibido mil 800 millones de pesos).

Mihevitra izahay fa mahazo volam-bahoaka be loatra ny antoko ka mahatonga ny mpanao politika tsy hanao ezaka hahazoany ny vatom-bahoaka izany fanao izany. Ny tolo-kevitray dia hanova ny fanao ka tsy ny hampitomboana ny isan'ny misoratra anarana ho mpifidy, fa ny isan'ny latsa-bato manan-kery (fitambaran'ny vato anesorana vato tsy manan-kery na vato fotsy) no tokony hampitomboana 65% amin'ny UMA [Ventin'ny Refy sy Fanavaozana, izay misolo ny karama farany ambany indrindra amin'ny tondro sasany]. Hanery ny antoko hanao ezaka izany satria mandrotsa-bato amin'ny fifidianana ny vahoaka, raha tamin'ny 2015 ohatra, dia tokony nahafahana nanavotra ny 65% (tokony nandray 1,8 miliara pesos ireo antoko ireo) izany.

Nilaza izy ireo fa ahafahana manao tahiry ny volam-bahoaka ny tolo-kevitra ary koa andrisihana amin'ny fandrotsaham-bato. Amin'izany, Pedro Kumamoto, solontena tsy miankina ao Jalisco, nilaza hoe:

Este tema es central, pues en nuestro actual sistema electoral no hay ningún tipo de restricción o castigo si en una elección no participa la mayoría de los electores. Hemos llegado a las ridículas cifras como el 25% o 30% de participación en estados como Baja California o Chihuahua. Y lejos de ver alguna tendencia que demuestre que los partidos han entendido, nos encontramos con elecciones llenas de guerra sucia, malos candidatos, procesos pantanosos, compra de votos y un debate yermo, lo que termina generando un distanciamiento mayor del electorado regular y, por consecuencia, una menor participación.

Ity no ivon'ny olana, satria ao anatin'ny rafi-pifidianantsika amin'izao fotoana, tsy misy ny karazana famerana na fanasaziana raha tsy mandray anjara amin'ny fifidianana ny ankamaroan'ny mpifidy. Nahatratra taham-pandraisana anjara mahatsikaiky isika, tahaka ny 25% na 30% tao amin'ny fanjakana tahaka an'i  Baja California na Chihuahua. Tsy jerena intsony ireo fironana mampiseho fa azon'ny antoko [ny hafatra], tafiditra amin'izany ny fifidianana feno ady maloto, kandidà ratsy, fizotran-draharaha mora mahaloto, fividianam-bato sy adihevitra tsy misy fotony, izay miafara amin'ny fanalavirana ny mpifidy mavitrika sy ny fahavitsian'ny fandraisana anjara.

Amin'izay fotoana izay, amin'ity tolo-kevitra vaovao ity, lasa endrika fihetsiketseham-panoherana mahomby ny vato tsy manan-kery satria, raha ny marina, ny fanaovana vato tsy manan-kery dia mety hanaisotra ny loharanom-bolan'ny antoko.

Ao anatin'ny krizy ara-toekarena iainan'ny firenena sy ireo voka-dratsy iaretan'ny ankamaroan'ny olom-pirenena, sokajian'ny maro ho dingana mankany amin'ny rariny ara-tsosialy, zavatra ankasitrahan'ny maro ao amin'ny tambajotra sosialy Meksikana ny tolo-kevitra mikendry hametra ny tombontsoa lehibe azon'ireo antoko politika ireo:

Sioka: Na dia ao anatin'ny zava-misy ankehitriny ao amin'ny firenena aza, dia mampisy fanantenana indray ny olona tahaka an'i @pkumamoto sy izao hetsika izao.  #SinVotoNoHayDinero

Sary: Ahoana no fandehan'ny #NoVotesNoMoney?
Ankehitriny, maka ny volanao araka ny raikipohy amin'izao ny antoko
Tsy maintsy miova izany! Manome tolo-kevitra izahay
Raha mila ny volantsika izy ireo, dia mila mahazo ny vatontsika

Manapaka araka izay azontsika atao isika amin'ny famatsiana amin'ny volam-bahoaka ny antoko, mba hifandraika amin'ny latsa-bato izany fa tsy tsy amin'ny fisoratana anarana. Tohano ny  #SinVotoNoHayDinero

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.