Ireto ny Sary Sasany Amin'ny Lahatahiry Azon'ny Rehetra Ampiasaina ao Azia Atsimo Atsinanana Hita ao amin'ny Mozean'i Met

Ny Parinirvana an'i Buddha, vita amin'ny volamena, varinesy ary volafotsy, taonjato faha 18. Thailandy. CC0 1.0

Azo ampiasaina maimaim-poana tsy voafetra amin'izao fotoana izao ny sarin'ireo asakanto sy ireo rakitry ny ela ara-kolontsaina maro hafa koa maherin'ny 300.000 ao amin'ny angon'ny Mozean'ny Zavakanto an-tanàndehiben'i New York  .

Nambara tamin'ny 7 Febroary 2017 ity politikan'ny Fahafahana miditra malalaka ao amin'i Met ity ho ampahany amin'ny paikadin'ny mozea mba ahazoana mpitsidika maro kokoa :

Since our audience is really the three billion internet-connected individuals around the world, we need to think big about how to reach these viewers, and increase our focus on those digital tactics that have the greatest impact. Open Access is one of those tactics.

Koa satria mahatratra telo miliara ireo olona mifandray amin'ny aterineto manerana izao tontolo izao, dia ilaintsika ny mieritreritra lalina momba ny fomba hanatrarana ireo mpijery ireo, ka hampitombo ny fifantohana amin'ireo tetika nomerika ireo izay manana fiantraikany lehibe indrindra. Iray amin'ireo tetika ireo ny Fahafahana miditra malalaka.

Rehefa mikaroka ny sehatra fanangonana ho an'ny daholobe ao amin'i Met izay mifandraika amin'ny Azia Atsimo-Atsinanana izahay dia nahita ny sarin'Asakanto miisa 1.023 avy any Indonezia, 397 avy ao Thailandy ary 25 avy any Myanmar.

Manan-danja tsy ho an'ny mpikaroka fotsiny ihany ireo loharanon-karena ireo fa ho an'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ihany koa izay te hanitatra ny fahalalany momba ny tantara sy ny kolontsaina. Manome torohay mahaliana amin'ny kolontsaina, fomba fanao ara-pivavahana , ary ny tantara ara-toekarena samihafa any amin'ny faritra ny ankamaroan'ireo sary mifandraika amin'i Azia Atsimo-Atsinanana ao amin'i The Met .

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo sary izay azo trohana maimaim-poana avy ao amin'ny rakitra ho an'ny daholobe an'i The Met  .

Indonezia

Fitaovana fanoratana azo vimbinina , hoditra Antsantsa sy Ivoara , taonjato faha 19. CC0 1.0

Garuda misy feso, firavaka volamena , taonjato faha 18. CC0 1.0

Lakolosy hafakely amin'ny endrika lohan'ny Kala, vita amin'ny varahina, taonjato faha 12. CC0 1.0

Myanmar

Buddha mitsangana manao satroboninahitra sy miravaka, vita amin'ny hazo misy varinesy mena, platira sy ravina volamena , taonjato faha 12. CC0 1.0

Buddha mipetraka eo amin'ny voahirana roa sosona, halimo noravahana volafotsy sy varahina, taonjato faha 11. CC0 1.0

Vatom-panorombazaha Biormana, taonjato faha 18. CC0 1.0

Thailandy

Fehitanana amin'ny endrika bibilava telo loha, firavaka volamena , taonjato faha 15. CC0 1.0

Ny lohan'ny Hevajra sy yoginis mandihy efatra, taonjato faha 11. CC0 1.0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.