Mamily Fiara Mitety ny Faritanin'ny Mpikendry Mahay Manakaiky ny Sisintany Azerbaijàna-Armenia

Pikantsary avy amin'ny lahatsary novokarin'i Lusine Balyan ho an'ny Chai-Khana.org.

Ity manaraka ity dia dika avy aminà lahatsoratra mpiaramiasa izay nivoaka voalohany tao amin'ny tranonkala  Chai-Khana.org.

Tany manankarena fambolena voaloboka, lemaka mahavokatra ary ny ankamaroany dia tany azo volena mandady manamorona ny arabe mampifandray vohitra Armeniana roa ao Baghanis sy Voskepar. Io ampahanà làlana vita tara ao avaratry ny firenena io dia ampahany amin'ny lalandrà mampifandray an'i Terevean renivohitr'i Armenia amin'i Tbilisi renivohitr'i Zeorzia.

Mihilana ihany koa mankany amin'ny sisintany iarahany amin'i Azerbaijna io, ary mizaka ny tifitra sy daroka baomba tsy mitsahatra ataon'ireo Azebaijani mpikendry mahay. Kanefa, tsy manana safidy hafa ireo mponina ao am-bohitra, ankoatry ny manohy ny fiainan'izy ireo andavanandro.

Azo jerena ny soratra amin'ny teny anglisy mandady ery ambany amin'ilay lahatsary, novokarina sy noraketin'i Lusine Balyan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.