- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Hangina Intsony (#NoCallamosMás), Hetsika Hitantaran'ireo Vehivavy Ny Herisetra Mahazo Azy Ao Ekoadaoro

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
protest-155927_1280 [1]

Sary: Pixabay.

[Vaovao farany, 23 Janoary 2017: nikatona nandritra ny telo andro ny pejy Facebook izay mampiseho votoaty avy amin'ny hetsika “Tsy Hangina Intsony” noho ny fitarainana niampanga ny vondrona ho mandika ny fitsipiky ny Facebook mikasika ny fampiasana votoaty ara-pananahana.]

Nilaza ireo mpikatroka fa te “handrava ny fahanginana”. Araka ny Fanadihadiana nanerana ny firenena momba ny Fifandraisam-pianakaviana sy ny Herisetra Mihatra amin'ny Vehivavy [2], vehivavy enina ao anatin'ny folo ao Ekoadaoro no lasibatry ny fihoaram-pahefana isan-karazany.

Tamin'ny volana Janoary, nanomboka nahazo vahana ny hetsika “No callamos más” (“Tsy Hangina Intsony”). Ezaka handrisihana ireo vehivavy mba hiresaka momba ny herisetra, fanararaotana sy ny fampijaliana ankitsirano iainan'izy ireo ity hetsika ity.

Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Global Voices, nanazava ny fomba nahazoan'izy ireo aingam-panahy tamin'ny hetsika hafa tao Amerika Latina ireo mpiara-manorina ny tetikasa, Verónica Vera sy Francisca Frisone, tahaka ny hetsika tamin'ny tenirohy #MiPrimerAcoso [3] – fanentanana izay nanomboka tao Meksika ary niparitaka manerana ny faritra avy eo – ary nanampy tamin'ny fisarihana ny saina tao amin'ny media sosialy manoloana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy.

[#Nocallamosmás] es una invitación a que las mujeres puedan poner en palabras sus historias para poder colectivizarlas con el afán de sentirnos respaldadas, sentir que no estamos solas, sentir que nuestras historias son compartidas y que tienen algo en común.

“Tsy Hangina Intsony” dia fanasana ny vehivavy hametraka ny tantaran'izy ho soratra, amin'izay afaka miara-mitondra izany izy ireo, amin'ny fahatsapam-panohanana, fa tsy irery, ary mifampizara sy manana zavatra iombonana eo amin'ny tantarantsika.

Ny pejy Facebook “No callamos más [4]” (Tsy Hangina Intsony) dia manana mpikambana maherin'ny 6,600 ankehitriny, ary azo jerena ao amin'ny Twitter @nocallamosmas [5] ihany koa. Navoaka avy amin'ny fahazoan-dalan'ireo vehivavy niaina fanararaotana, herisetra, fampijaliana, daroka, fanolanana, faneriterena sy safosafo tsy notadiavina, sy ny sisa maro hafa.

Ity dingana voalohany amin'ity fanentanana ity, hoy i Francisca dia natao hananganana vondrona manokana ho an'ny vehivavy. Manana mpikambana eo amin'ny 26,000 ity vondrona ity ankehitriny. Tsy ireo vehivavy rehetra ao akory no nizara fijoroana vavolombelona, fa ireo niteny no nahafahan'ny fanentanana hizara ny tantaran'izy ireo ao amin'ny pejy Facebook “Tsy Hangina Intsony” [4] azon'ny rehetra .
“Tsy te hanao izany aho. Hoy aho taminy. Nanomboka nangataka ahy indray izy ary mbola nangataka foana mba hanao izany…” hoy ny fanombohan'ny tantara iray. “Nanana tantara tamina tompona fivarotana ao akaikinay aho izay nikasa hitondra ahy tao ambadiky ny efitrano fivarotany sady nampanantena vatomamy sy fanomezana. Indray andro, nanasa ahy hiditra izy, nasehony ahy ny maha-lehilahiny, ary nitsoaka aho,” hoy ny tantara hafa.

Miasa hitarika ny olona hitsangana manoloana ny herisetra ho avy ny Tsy Hangina Intsony. Tamin'ny Asabotsy 28 Janoary, nanatontosa fivoriana tao Quito, tao amin'ny zaridaina “El Arbolito” ny vondrona, nanasa ny olom-pirenena mba haneho hevitra ao amin'ny media sosialy, miaraka amin'ny fianakavian'izy ireo, sy eny amin'ny toerana rehetra eo amin'ny fiarahamonina.

Amin'izany ezaka izany, nilaza ireo mpikarakara ny hetsika fa manantena hanangana toerana azo antoka kokoa izy ireo, ahafahan'ny vehivavy miresaka ny olana momba ny fanararaotana sy ny voka-dratsin'izany.

Ao Ekoadaoro ankehitriny, antsasany mahery [6] tamin'ny heloka bevava natao tao amin'ny firenena no fihetsika herisetra mihatra amin'ny vehivavy. Araka ny filazan'ny governemanta, famonoana vehivavy miisa 80 no voarakitra tamin'ny taona 2016. Tamin'ny efatra andro voalohany tamin'ny 2017, nandrakitra famonoana vehivavy iray isaky ny 32 ora [7] ny polisy.