Fisehoana Tsy Nampozina Nataon'i Morgan Freeman Tanaty Sarimihetsika Ozbek. Oadray, Andraso aloha. Tsia, Tsy Izy.

Ny 11 Febroary, nitatitra ny Kloop.kg, iray amin'ìireo tranonkalam-baovao sangany ao Kyrgyzstan, momba izay mety ho azo faritàna ho toy ny tantara ratsin'ny lahatsary “doka sandoka” nitranga tao Ozbekistàna mpifanolo-bodirindrina aminy, nahakasika ilay mpilalao sarimihetsika malaza avy any Hollywood, Morgan Freeman.

Ilay sarimihetsika izay fototr'ilay tantara ratsy, ny lohateniny midika hoe ‘mpirenireny’, dia tsy manasogadina an'i Freeman, fa noho ny antony samihafa dia nampiasàna ny sariny avy amin'ilay sarimihetsika Last Knights novokarina tany Hollywood, nikendrena fotsiny ny hampahafantarana ilay sarimihetsika.

Vokatr'izay, ny Uzbekkino, ilay mpandrindra fatra-mpanaramaso avy amin'ny fanjakàna, dia nanakana ny tsy hivarotana ilay sarimihetsika novokarin'ilay trano mpamokatra Timur Film, ary nisintona ny fandefasana voalohany ilay sarimihetsika tao Tashkent renivohitra.

Maherin'ny 700 ireo trano famokarana sarimihetsika ananan'i Ozbekistan hatramin'ny 2012, araka ny tatitry ny RFE/RL, ary ny goavana indrindra amin'ny mpamokatra sarimihetsika any amin'ny faritra Aziatika Afovoany hatramin'ny vanimpotoana Sovietika.

Saingy ny sivana hita eny rehetra eny — matetika noho ny resaka vetaveta, herisetra na votoaty miresaka politika fa tsy noho ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona — dia nampihisatra ny indostria, toy ny manjo ny indostrian'ny mozika ao an-toerana ihany.

Tamin'ny taona lasa, rehefa voasivana noho ny fiakarana an-tsehatra somary mamoafady ihany ireo kintan'ny hira pop, nisy mpiasam-panjakana ambony niteny tamin'ny antenimiera hoe i Ozbekistàna, repoblika iray ahitàna vahoaka efa maherin'ny 30 tapitrisa, dia tsy “nosikelin'i  Robinson [Crusoe] akory…ka hoe afaka manao izay tiany daholo ny olona rehetra ao.”

Eny tokoa, ny fonja ao amin'ny Shawshank Redemption no mety ho fampitahàna mifanandrify kokoa azo atao amin'ity firenena mifefy sy tsy refesi-mandidy tanteraka ao Azia Afovoany ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.