- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hetsika #RedTikaChallenge Hanoherana ny Fanavakavahana Mihatra Amin'ny Mpitondratena Ataon'ny Vehivavy ao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
[1]

Renim-pianakaviana manao Tika mena. Sary tao amin'ny Flickr-n'i Kendra Farrell. CC BY-NC 2.0

Ny Mena dia loko mifandray amin'ny [2] hery, tanjaka, fahefana, fahavononana, firehetam-po, faniriana sy fitiavana. Amin'ny kolontsaina Haindò, midika hoe manambady [3] ny vehivavy manao akanjo tika (bindi) mena, ary midika tena fitiavana sy fanambinana ny loko mena.

Ao Nepal sy India, tsy mitafy tika mena ny mpitondratena amin'ny ankapobeny, na izany aza, ary tsy eken'ny fiaraha-monina koa izy ireo raha mitafy mena.

Mba hihantsiana izany fiheverana izany, namorona hetsika media sosialy antsoina hoe #RedTikaChallenge ny Vehivavy Miaro ny Zon'Olombelona (WHR [4]), vondrona iray manandra-teny hiarovana ny vehivavy toka-tena, tamin'ny faran'ny volana Janoary mba hangataka amin'ireo mpanohana hamoaka sary ny tenan'izy ireo mitafy tika mena ary manendry namana na fianakaviana hafa telo hafa hanao ny fanamby.

#RedTikaChallenge [5]
Manaiky ny Fanamby WHR Nepal aho
voaràra ho an'ny vehivavy maty vady ny mitafy #MENA [6]. Tsy marina izany. ZONTSIKA IZANY

Ny hahatratra mpandray anjara 500 [11]ao anatin'ny  telo volana no tanjon’ ireo mpikarakara tany am-boalohany, saingy tao anatin'ny andro vitsy nanombohana azy, efa nahazo mpanohana an'arivony tao amin'ny Facebook, Twitter sy Instagram sahady ny hetsika.

Nanazava ny antony nahatonga azy nanao ny fanentanana tao amin'ny Facebook [12] ny WHR:

RED TIKA CHALLENGE
#RedTika #WHR

Colors have their own significance and are believed to be the right of every person to inherit since birth. When talking about the colors that single women (WIDOWS) can involve with, we can see mass of people giving their prejudice opinion. They are the only ones that are refrained from using bright colors, especially “Red Tika” and “Red Attires”.

While, the color Red symbolizes the color of life and of passion. Girls wear bright colors even before they are married, so why not after they are categorized into single women (widow). Let us not be judgmental and, all have the privilege of empowering colors according to one’s personal choice. Let not gender nor orthodox, be a hindrance to embrace colors.

FANAMBY TIKA MENA
#RedTika #WHR

Samy manana ny dikany ny loko tsirairay ary heverina fa zon'ny tsirairay ny mandova izany hatrany amin'ny fahaterahana. Raha miresaka loko izay azon'ny vehivavy toka-tena (MPITONDRATENA) anaovana isika dia mahita olona marobe manome hevitra an-tendrony. Izy ireo no hany tokana tsy navela hampiasa ny loko marevaka, indrindra ny “Tika Mena” sy ny “Fanintonana miloko mena”.

Kanefa, ny loko mena dia maneho ny lokon'ny fiainana sy ny firehetam-po. Manao loko marevaka ny tovovavy na dia talohan'ny nanambadian'izy ireo aza, koa maninona koa raha aoriana, avela hanao izany ny vehivavy tokatena (maty vady). Andeha tsy hitsaratsara foana, manana tombontsoa hampahery ny loko araka ny safidin'ny tsirairay ny rehetra. Aza mijery hoe lahy na vavy na ortodoksa, sahia amin'ny fandraisana loko.

Swarnima Shrestha, iray amin'ireo mpanohana ny hetsika, nanoratra hoe [13]:

Colours are what makes our lives bright and I believe everyone should have a right to choose the colours of their lives. It should not be compulsory that a married woman should always put on a red tika, likewise a single woman should not a restricted to put it on – it should always always be a matter of choice. […]

While the color #RED symbolizes the color of life and passion, widows are barred from wearing RED. This is not right. THIS IS OUR RIGHT! I would like to strongly protest against this primitive thought.

Ny loko no mahatonga ny fiainantsika mamirapiratra ary mino fa tokony manana zo hisafidy ny lokon'ny fiainana ny tsirairay. Tsy tokony terena hoe ny vehivavy manambady dia tokony manao tika mena foana, tahaka izany koa ny vehivavy tokatena raràna tsy hanao izany – tokony ho resaka safidy hatrany izany. […]

Raha maneho ny lokon'ny fiainana sy ny firehetam-po ny loko #MENA, voaràra tsy mahazo manao MENA ny mpitondratena. Tsy marina izany. ZONTSIKA IZANY! Te hanohitra mafy ity hevitra fahagola ity aho.

Tao amin'ny Twitter, nanatevin-daharana ny fanamby i Shrishti Kafle, mpitati-baovao ao Nepal avy ao amin'ny sampam-baovao Xinhua tantanin'ny fanjakana Shinoa:

Raha maneho ny lokon'ny fiainana sy ny firehetam-po ny Mena, voaràra tsy mahazo manao MENA ny mpitondratena. Ho fanoherana izany hevitra tany am-boalohany izany, ity ny #RedTikaChallenge [5]

Ireto lahatsoratra sy sary Instagram avy amin'ireo mpanohana nofantenana:

#RedTikaChallenge Thank You @gaumaya didi for tagging me ❤️ “While the color #RED symbolizes the color of life and passion, widows in Nepal are barred from wearing RED. This is not right. THIS IS OUR RIGHT! I would like to strongly protest against this primitive thought. If you are with me and with all single-women (widows), PLEASE participate by wearing a RED TIKA and sharing your picture with the hashtag #RedTikaChallenge Also nominate a few of your friends / family to do the same. “ [16]

Sary nalefan'i ⠀⠀⠀⠀⠀⠀⠀⠀⠀?Miruna Lisara Magar (@mirumgr) tamin'ny 2 


#RedTikaChallenge Misaotra @gaumaya didi nanondro ahy “Raha maneho ny lokon'ny fiainana sy ny firehetam-po ny loko #MENA, voaràra tsy mahazo manao MENA ny mpitondratena ao Nepal. Tsy marina izany. ZONTSIKA IZANY! Te hanohitra mafy ity hevitra tany am-boalohany ity aho. Raha manohana ahy sy ny vehivavy mpitondratena rehetra ianao, mandraisa anjara AZAFADY amin'ny fanaovana TIKA MENA ary zarao amin'ny tenirohy #RedTikaChallenge ny sarinao. Manendre ihany koa namana / fianakaviana vitsivitsy hanao izany. “

. [17]

#RedTikaChallenge #Challengeaccepted In solidarity with the Single Women Red Colour Movement by Women for Human Rights (WHR Nepal). Old customs still prevalent in some parts of our society considers widows as inauspicious. Widows are barred from participating in festivals and poojas. They are forbidden from wearing RED and encouraged to wear white or pale colours. I find myself deeply angered by these notions, these expectations our society foist. I refuse to believe this is tradition, instead it is simply a form of subjugation and a discriminatory practice against widows and women. Marital status should not decide which colour you should or should not wear. If I am married I should not be forced to wear red attire or red tika likewise if I am a widow, I should not be denied to wear RED. “Colour is a choice not a compulsion given by a society.” Please challenge this ancient belief and help raise awareness by joining this challenge. I would like to nominate everyone reading this [17] irrespective of their gender to participate in this challenge by sharing a photo wearing a ‘RED TIKA’ with the hashtag #RedTikaChallenge or by simply sharing this post! Women's rights, is not a stand-alone battle, with an only female army so it would be amazing to see guys stepping up to support this too, therefore I personally nominate @lexlimbu,@iambijaygautam @chrischettri, @asishsyangden @omex @gavin.kshetri @nepalimunche @becomingsanjay @kailashz @ayzrim @bryanraiofficial @shishi.kyou embrace the challenge. Thank you Gaumaya Yatri for the nomination x #theredtikachallenge #embracecolors #empowerwomen #jointhechallenge. [17]

Sary nalefan'i Sarala Thapa Nepali (@alaras28) 1 


#RedTikaChallenge #Challengeaccepted Ho firaisankina amin'ny Hetsika Vehivavy Tokatena Loko Mena karakarain'ny Vehivavy ho an'ny Zon'Olombelona (WHR Nepal). Mandray ny vehivavy tokatena toy ny fambara ratsy ny fomba fomba fahiny mbola manjaka ao amin'ny faritra sasany ao amin'ny fiarahamonintsika. Tsy mahazo mandray anjara amin'ny fetibe sy poojas ny mpitondratena. Voaràra tsy mahazo manao MENA izy ireo ary ampirisihana mba hanao loko fotsy na loko matroka. Mahatezitra ahy mafy izany fiheverana izany,  izay andrasan'ny fiarahamonintsika, ny tenako. Tsy mety manaiky aho fa fomban-drazana izany, fa kosa karazana fanerena sy fanao manavakavaka ny mpitondratena sy ny vehivavy tsotra izao fotsiny izany. Tsy tokony hanapa-kevitra izay loko tokony hanaovana ny hoe manambady sa tsia. Raha manambady aho, tsy tokony terena hanao akanjo mena na tika mena, tahaka izany koa, raha mpitondratena aho, tsy tokony raràna manao MENA. “Safidy ny loko fa tsy teren'ny fiarahamonina.” Tohero azafady izany finoana fahagola izany ary manampia manentana amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ity fanamby ity. Te hanendry olona mamaky ity resaka tsy fanajana ny maha-vehivavy azy ireo ity aho mba handray anjara amin'ity fanamby ity amin'ny alalan'ny fizarana sary manao ‘TIKA MENA’ miaraka amin'ny tenirohy #RedTikaChallenge na zarao fotsiny ity lahatsoratra ity! Tsy ady irery, ataon'ny andiam-behivavy ny Zon'ny vehivavy, ka mahafinaritra ny mahita namana mandray anjara manohana izany koa, ka manendry an'i @lexlimbu,@iambijaygautam @chrischettri, @asishsyangden @omex @gavin.kshetri @nepalimunche @becomingsanjay @kailashz @ayzrim @bryanraiofficial @shishi.kyou mba hanao ny fanamby. Misaotra Gaumaya Yatri tamin'ny fanendrena ahy #theredtikachallenge #embracecolors #empowerwomen #jointhechallenge

Naneho [18] ny fanohanan'izy ireo [19] ny hetsika ihany koa ny lehilahy sasany. Mailaka handray anjara mihitsy ny hafa:

Ankehitriny, mila mitady ny sariko manao tika mena amin'ny sary ao anatin'ny findaiko [aho].