- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hoy Ny Minisitry ny Fanabeazana Ao India Hoe ny Ombivavy no Hany Biby Mifoka Sady Mamoaka Oksizena

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Tantara, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina
The cow is, quite possibly, the most talked about animal in India. Image from Flickr by Rod Waddington. CC BY-SA 2.0 [1]

Ny ombivavy no azo heverina ho biby resahana indrindra ao India. Sary ao amin'ny Flickr navoakan'i Rod Waddington. CC BY-SA 2.0

Toa mahefa ny zavatra rehetra ny ombivavy Indiana, na toa tahaka ny milaza izany ny fanehoan-kevitra farany [2] nataon'ny Minisitry ny Fampianarana ao amin'ny firenena, Vasudev Devnani. Araka ny heviny, ny ombivavy no hany biby afaka mifoka sy mamoaka ôksizena. Toa nanohy nilaza ihany koa izy fa izay rehetra mandeha eo akaikin'ny ombivavy dia ho sitrana amin'ny aretina tahaka ny sery. Ity fanamarihana mazava fa manafintohina ity no fanampiny farany tamin'ny lisitra lava be momba ny fandalàn'ny antokon'ny fitondrana Bharatiya Janata [3](BJP) tafahoatra ny ombivavy.

Narahan'ny media sosialy tamin'ny resabe sy sioka mahatsikaiky izany avy eo:

Ny ombivavy no hany biby mifoka sy mamoaka rivotra: Rajasthan Min/ Resy lahatra aho, tsy takiana amin'ny Minisitry ny Fampianarana ny hoe nahita fianarana nanahazo fahazavana

Hôtesy: Raha misy ny fotoana tsy fahampin-drivotra, mipoitra ho azy eo anoloana ny maskan'ôksizena ..

Bhakt: Mila ombivavy aho

Torana ilay Hôtesy pic.twitter.com/Zdv13tEmEK [5]

Hazo Ombivavy manome ôksizena.

Na izany aza, nilaza ny toe-draharaha ihany koa ny Logical Indian [9]:

There are many who believe this and share the information on WhatsApp and Social Media.

Maro ireo mino izany ary mizara vaovao ao amin'ny WhatsApp sy ny Media Sosialy

Naneho hevitra [10] i Completeturnaround  Mpisera Reddit hoe [10]:

Technically that is correct. It does breathe in air containing~0.04%co2 and does exhale our air with about 15% o2. Unfortunately so do all mammals.

What sirjee missed was in that conversion process the cow sure does make a mean steak of itself.

Ara-teknika, marina izany. Mifoka rivotra miaty gazy karbônika ~0.04% ny ombivavy ary mamoaka ny rivotra ôksizena antsika tokony eo ho eo amin'ny 15% eo. Indrisy, tahaka izany daholo ny biby mampinono rehetra.
Ny tsy hitan'ny sirjee dia amin'izany fombam-panovana izany, azo antoka ny ombivavy fa manome ny henany.

Voampanga ho manampatra ny maha-maro an'isa ny Haindò ny BJP ary lehiben'ny minisitra ao amin'ny fanjakana Gujarat tamin'ny fotoan'androny ny iray amin'ireo mpitarika lehibe indrindra Narendra Modi [11], (praiminisitry ny firenena ankehitriny) rehefa nipoaka ny rotaka teo amin'ny Haindò sy ny Silamo. Tsy voampanga ho mpamboly rotaka [12] ihany ny BJP sy ny mpiara-dia akaiky azy, dia ny Rashtriya Swayamsevak Sangh [13] (RSS), miaraka amin'ny fikambanana mpiara-dia hafa fa voatsikera hatrany izy ireo noho ny tsy fahaizana mandefitra [14]/mahazaka fahasamihafana.

Hatramin'ny naha lasa praiminisitra an'i Modi, taorian'ny fandresen'ny BJP tamin'ny  fifidianana taona 2014, niatrika famonoana olona vokatry ny fankahalana maromaro [15] natao tamin'ny anaran'ny fiarovana ombivavy ny firenena. Maro ny tranga saiky nivadika ho zava-doza hatrany eo amin'ny politikan'ny famonoana omby. Tamin'ny Septambra 2015, nisy lehilahy Silamo maty novonoin'ny mpiambina mpiaro ombivavy tao amin'ny faritanin'i Uttar Pradeshed [16], noho ny ahiahy fa nihinanana hena omby izy. Tamin'ny volana Jolay 2016, lehilahy sasany avy amin'ny vondrom-piarahamonina Dalit voahilikilika ara-tsosialy no nohitsakitsahina novonoina [17]noho ny fanalàna hoditra ombivavy maty, izay fantatra fa anton'asan'izy ireo nentin-drazana izany. Narahana fihetsiketsehana goavana [18] nataon'ny Dalits ho fanoherana ny tsy rariny mihatra amin'ny vondrom-piarahamonin'izy ireo ity zava-nitranga izay voarakitra tanaty lahatsary niparitaka be sy nanafintohina ny feon'ny fieritreretan'ny firenena ity. Notontosaina tao an-tanànan'i Unan fanjakana Gujarat izany fihetsiketsehana izany.

Voatery niaiky [19] mihitsy ny praiminisitra tenany fa lasa fandrahonana ny fitandremana izaitratra ny ombivavy, hoy izy: “Tena mahatsiaro tezitra aho amin'ny fomba nanokafan'ny olona sasany fivarotana amin'ny anaran'ny fiarovana ombivavy. Nahita aho fa misy ireo olona manao hetsika tsy ara-tsosialy mandritra ny alina, kanefa miseho ho mpiaro ombivavy amin'ny atoandro. “

Raha sokajian'ny maro amin'ny Haindò fa masina ny ombivavy, Indiana hafa maro kosa no mihinana azy ho sakafo, ao anatin'izany ny Haindò sy ny Silamo. Nampangain'ireo laika fa tsy manaja ny fitambaran'ny kolontsaina maro ao India, izay ahitana vondrom-piarahamonina isan-karazany manana finoana ara-pivavahana samihafa, fomba fanao ara-kolontsaina samihafa sy fomba fiaina samihafa ny BJP sy ny tafika mpiara-dia aminy antsoina hoe Hindutva [20].

Namazivazy ny fanambaran'ny minisitry ny fampianarana ny pejy Twitter “Ny Marina momba an'i Gujarat”, izay tena mpitsikera an'i Narendra Modi sy ny hery elatra havanana Haindò:

Nanomboka ny fitsarana tao amin'ny Foiben'ny RSS Nagpur rehefa nanambara ny minisitry ny fanabezana Rajasthan fa ny ombivavy no hany biby mifoka sy mamoaka ôksizena.

Prasad Ravindranath [23] naneho hevitra tao amin'ny Facebook hoe:

When will this nonsense end? Or will it end at all? Each claim appears more ludicrous than the previous one. [..] Already scientific temper is poor in India and such rubbish only makes it worse.

Rahoviana vao hifarana ity zavatra tsy misy fotony ity? Sa tsy hifarana mihitsy? Toa mampihomehy noho ny teo aloha avokoa izay fanambarana rehetra. [..] Efa ratsy ny fahaizana ara-tsiantifika ao India ary mbola manampy trotraka izany ny loto tahaka izao