- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Endrika Sarimiaina Manaitaitra Filàna No Endrika Manambina Tsy Ofisialin'ny Mpanivan'ny Governemantan'i Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanampenam-bava, Hehy, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
[1]

“RKN-chan.” Flick the Thief / Vkontakte

Lasa endrika manambina tsy ofisialin'ny mpanivana ao amin'ny fanjakan'i Rosia ilay endrika mpanjakazaka “Roskomnadzor-chan,” nomen'ny masoivoho federalin'ny governemanta ary fantatra amin'ny fandraisany anjara ao anatin'ny sarimiaina manaitaitra filàna hita ao amin'ny Aterineto.

Niseho vao haingana tao amin'ny saritatra fohy nozarain'ny Roskomnadzor tao amin'ny media sosialy ilay izy, taorian'ny nibahanan'ny fitsaràna Rosiana ny lahatsary mampiseho bibilava nilatsaka avy ao anaty fiara, satria nolazaina ho misy torolalana momba ny famonoantena ilay lahatsary, hoy ny tatitry [2] ny vohikalam-baovao TJournal.

Raha ny fahitàna azy dia nanaitra hatramin'ireo tomponandraikitra miasa ao amin'ny Roskomnadzor ilay fanapahankevitra, izay nilaza fa tratran'ny “fahatairana” tokoa izy ireo taorian'ny nandrenesany ilay didy nivoaka. Tao amin'ny Vkontakte, nandefa [3] sarimiaina ilay masoivoho, niseho ho Roskomnadzor-chan misavorovoro saina amin'ireo fisalasalàna mikasika ny lojikan'ny fitsaràna.

Nanamafy tao amin'ny TJournal i Vadim Ampelonsky, ny mpitondra tenin'ny masoivoho, fa tena niniana tanteraka no nilazàn'ny Roskomnadzor ny tenany ho endrika sarimiaina malaza.

Nanaitra ireo Rosiana maro mpampiasa Aterineto ilay fanapahankevitry ny mpanivana haka io sary mahatsikaiky io, izy ireo izay niantso matetika ilay endrik'olona hoe “RKN-chan,” mba ho fanafohezana. Maro amin'ireo mpampiasa ny Vkontakte no hita ho misalasala ny hino hoe masoivoho federaly iray no ndeha haka ny endrika sarimiaina manaitaitra filàna noforonin'izy ireo.

Tamin'ny voalohany,  an'ilay mpanao kanto, Dmitry Serebryakov, izay mamoaka taokanto amin'ny anarana hoe “Flick the Thief [4]” ilay endrika mpanjakazaka. Any anatin'ireo sarimiainany, zoro ambany no anehoana an'i Roskomnadzor-chan amin'ny ankapobeny, indraindray mitondra karavasy manify. Fatotra roa misy ny fangon'ny Roskomnadzor no mamihina ny volony, ary mijery matetika ivelan'ny solosaina izy, sahala amin'ny matoatoa ao anaty milina. Miseho matetika ho toy ny maherifo ihany koa izy.

[5]

Flick the Thief / Vkontakte

Mety mananihany fa nilaza i Serebryakov hoe noforoniny ny RKN-chan mba hanatsaràna ny fihevitra sy fahitan'ireo mpampiasa Aterineto ny masoivoho.

Nalaina lasitra avy amin'ny sarimiaina mahatsikaiky iray nipoitra telo taona lasa izay, nanomezam-boninahitra an'ilay Krimeana Mpampanoa Lalàna, Natalia Poklonskaya, i RKN-chan, izay fantatra tamin'ny hoe “Nyash Myash [6]” ilay sarisariny natao mahafatifaty sy manaitaitra filàna. Ny tena zava-nisy, efa naneho andian-tantara fifamenoana [7] mihitsy aza ny Flick the Thief.

Sahala amin'i Nyash Myash, miseho amin'ireo sary mahafatifaty sy mandrahona koa i RKN-chan.

[8]

Flick the Thief / Vkontakte

Ao aminà sary iray, hitanao mitazona rojo vy mavokely izy, miaraka amin'ny tsikim-pandresena eo amin'ny tavany, milaza mihanihany hoe, “Я ТУТАЧКИ” (“Eto aho rahavavy!”).

Misy sarimiaina iray hafa mampiseho azy manana nofy mikasika firaisana [9] mikasika ny Snegurochka (izay manampy an'i Mopera Frost mandritra ny fialantsasatry ny ririnina). Manontany sady manadaladala an'i RKN-chan izy raha niasa tsara izy tamin'ity taona ity, sady manala ireo akanjony. Rehefa afaka ireo akanjony, mbola misy ny fangon'ny Roskomnadzor ihany koa ireo akanjo anatin'i RKN-chan.

Ao amin'ireo andiany hafa, miditra amin'ireo faniriana mikasika ireo kilalao fampiasa amin'ny firaisana [10] izy ary ireo lohahevitra maro natao ho an'ny olondehibe izay mazava be fa miantso ireo 8.200 mpanaraka ny Flick the Thief voasoratra  anarana ao amin'ny Vkontakte.

Tato anatin'ny volana vitsivitsy, norabirabiana ny Roskomnadzor noho ny nampidirany ireo vohikala malaza miresaka vetaveta ho anatin'ny lisitra maintin'ny Aterineton'i Rosia. Hatreto, ahitana ireo vohikala toy ny PornHub, YouPorn, ary Brazzers ilay lisitra.

Ampahany amin'ny hanihany mikasika an'i RKN-chan ilay izy mikendry ny hanafoana ny resaka vetavetan'ny Aterineto, mitarika andianà mpisetrasetra misaron-tava, kanefa izy aza vehivavy tena mahasarika tokoa, miaraka amin'ny faniriana firaisana salama tsara, na dia hoe somary maneho fisalasalàna sy fandàvana ihany aza.