- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Henoy Ny Feo Milamin'ny Jetigen, Iray Amin'Ireo Zavamaneno Mitady ho Adino ao Azia Afovoany

Sokajy: Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

Lokanga Jetigen . Sary nalaina tao amin'ny Kloop.kg. Creative commons.

Namoaka fampahafantarana fohy momba ny zavamaneno jetigen ny vavahadim-baovao Kyrgyz antsoina hoe Kloop.kg, amin'ny fanasongadinana ny lahatsarin'i Jusup Asayev, talen'ny ‘Fampiaraham-peonkiram-bahoaka Dostuk (namana)’ amin'ny filalaovana ny zavamaneno.

Araka ny nolazain'ny mpanoratra, lasa tsy dia malaza loatra any Kazakhstan sy Kyrgyzstan tato ho ato ny jetigen, izay tendrena matory, ary afaka mahatratra hatramin'ny 15 isa ny tady eo aminy .

Noho ny feon'ny jetigen izay fantatra fa miavaka kokoa noho ny valiha komuz, izay lalaovin'ny ao Kyrgyzstan an'arivony na mitovitovy amin'ny dombra Kazakh izany, ny tena fanazavana tsy mampalaza azy intsony dia mety avy amin'ny fahasarotan'ny fitondrana azy.

Manana halavana atsasa-metatra mahery ny lava indrindra, ary manana feo milantolanto indrindra fa sarotra entina kokoa ny jetigens raha oharina amin'ireo zavamaneno hafa azo lanjaina eny an-tsoroka.

Any amin'ny Repoblika Rosiana Khakassia no toerana iray izay mbola miroborobo tsara ny jetigen, ao ny toerana hiveloman'ny foko Tiorkika Khakas .

Fa mitazona kilasy vitsivitsy fampianarana mozika hahatonga ny jetigen hahazo vahana indray ao amin'ny firenena nahaterahany ao Kyrgyzstan i Jusup Asayev ankehitriny rehefa avy nanao fampisehoana tamin'ilay zavamaneno tao amin'ny sekolin'ny mozika iray tao an-drenivohitra Bishkek. .