Any Zeorzia Mpifanolo-bodirindrina Amin'i Torkia, Sekoly Gülen Iray Namoy Ny Fahazoandàlany

Fethullah Gülen. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nakarina tamin'ny fantsona ofisialy TNR HD, 4 Aogositra, 2016.

Ity manaraka ity dia lahatsoratra fiarahamiasa avy amin'ny EurasiaNet.org.  Nahazoana alalana ny famerenana mamoaka azy.

Nahazo tosika be tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ny fampielezan-kevitra Tiorka manohitra ny sekoly voalaza fa mifandray amin'ilay mpitondra fivavahana Silamo Fethullah Güllen raha nofidian'ny Governemanta Zeorziana ny hampitsahatra ny fahazoandàlan'ny Sekolin'ny Fisakaizana, Refaiddin Şahin any Batumi, sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana vao nampangainà diplaomaty Tiorka iray ho niasa tao aminà vondrona mpampihorohoro tsy mivadika amin'i Güllen .

Ny fanapahankevitr'i Zeorzia hanafoana ny fahazoandàlana miasa ho an'ilay sekoly dia tonga andro vitsivitsy monja taorian'ny fitsarana, tsy natrehana, ireo 270 voarohirohy tao Tiorkia noho ilay nolazaina fa fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny fikasana fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny volana Jolay lasa teo, izay anakianan'i Ankara an'i Gülen mipetraka any Etazonia. Tsy manaiky ilay Silamo 75 taona mpampianatra ho toy ny mpampihorohoro i Washington.

Na eo aza ny fifandraisany stratejika amin'i Tiorkia, tsy nanao hetsika mialoha mba hanakatona ireo toeram-pianarana ambony noheverina ho anisan'ny tambajotra iraisam-pirenenan'ny sekolin'i Güllen i Zeorzia, tsy toy ireo firenena Eoropeana-Aziatika hafa.

Tsy dia mazava ny antony nahatonga azy handray izany fahapahankevitra izany amin'izao fotoana izao. Ilay fahapahankevitra izay toa noraisina tamin'ny 3 Febroary dia mety tsy hivoaka hatramin'ny herinandro manaraka.

Nilaza ny mpitondra tenin'ny Foibe Nasionaly hoFanatsarana ny Kalitaon'ny Fanabeazana, ny sampan-draharaha mpanaramaso ny fahazoandàlan'ny sekoly, fa nisy vondrona mpanaramaso nahita “fanitsakitsahana maherivaika” ny fitsipika, anisan'izany ny dingana fisoratana anarana, hoy ny tatitry ny Interpressnews.

Nilaza tamin'ny mpanao gazety Zeorziana ny mpitantana ny sekolin'ny fisakaizana Şahin, Elguja Davitadze, fa ny heverina ho fanitsakitsahana “lehibe” nataon'ny sekoly dia ny nanoratany “tsy araka ny tokony ho izy” ireo mpianatra folo mizaka ny zom-pirenena Tiorka tao amin'ny sampana amin'ny fiteny Zeorziana. Novaliany fa ny sekoly, izay manana laza tsara ao Batumi, da niaraka niasa tamin'ny Foibe Nasionaly tamin'io dingana io.

Araka ny lalàna, raha tsy heverina ho famafàna tanteraka ny sekoly, manana 60 andro ireo tomponandraikitra mba hamaritana ny fomba azony hanarenana izay mety ho fandikàndalàna. Nefa tsy mbola misy famantarana ahitana fa hanao izany izy ireo ho an'ny Sekolin'ny Fisakaizana Sahin. Nilaza ny mpitondra tenin'ny Foibe Nasionaly ho Fanatsarana ny Kalitaon'ny Fanabeazana, Davit Kobakhidze, fa afaka afindra na aiza na aiza ny mpianatr'ilay sekoly.

Tsy nanaiky ho resy, nilaza tamin'ny haino aman-jery Zeorziana ny mpitantana, Daviatadze, fa hivoha toy ny mahazatra ny sekoly amin'ny Alatsinainy.6 Febroary satria tsy mbola nahazo taratasy ofisialy mikasika ny tsy fahazoany intsony alàlana hiasa.

Nofaritany ho “ara-politika” ilay fanapahankevitra. Fikambananà fiarahamonina sivily iray, ny Ivontoerana Fandeferana sy Fahasamihafàna, izay niverina nijery ilay tranga, manaiky fa mamelona ‘ahiahy’ ny fifanindrian'ny fahaverezan'ny fahazoandàlana sy ny ‘zava-mitranga any Tiorkia’.

Tsy namaly ny fangataham-panazavana ny masoivoho Tiorka.

Ireo mpanao politika avy amin'ny mpanohitra, ny United National Movement sy ny Antoko Repoblikana, nampahafantatra na izany aza, fa toa miaina kokoa tsy misy olana miaraka amin'ireo fepetra ny sekoly iray hafa ao Batumi mifandray amin'i Tiorkia.

Araka ny haino aman-jery Tiorka, navela hanorina foto-drafitrasa ny Sekoly Tiorka ao Batumi - sekolim-panjakana Tiorka voalohany any Zeorzia, ary nisokatra tsy nahazo fahazoandàlana hanorina na fahazoandàlana hiasa mihitsy tamin'ny lohataona farany teo, hoy izy ireo mitaraina. (Heverina fa, nisy ny ezaka natao mba hanarenana ireo fanadinoana.)

Sekoly heverina fa tohanan'ny Tiorka mpandraharaha goavana, Galip Öztürk, mpanohana mafana fo ny Filoha Tiorka, Recep Tayyip Erdoğan, ary mpifanandrina amin'i Gülen ilay sekoly. Ny orinasa fitateran'i  Öztürk Metro Holding no misahana ireo raharaha Zeorziana any ivelan'i Batumi, toeram-pifandraisana ara-barotra Zeorziana-Tiorka.

Na izany aza raha noheverina ho toy ny safidy ho an'ny Sekolin'ny Fisakaizana Şahin ny Sekoly Tiorka ao Batumi, tsy misy na iray aza milaza izany am-pahibemaso.

Tao amin'ny tafatafa niarahana tamin'ny EurasiaNet.org tany aloha, nilaza ny Masoivoho Tiorka, Zeki Levent Gümrükçü, fa nampahafantatra an'i Tbilissi ireo ahiahiny momba ny tambajotra Gülen i Tiorkia, nefa nanipika fa miankina amin'ny governemanta Zeorziana irery ihany.ny fanakatonana ny sekoly Şahin .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.