Mandràra Amin'ny Fomba Ofisialy Ireo VPN Tsy Nahazo Alàlana i Shina

The Great Firewall of China. Image from Digital Trends.

Ny Aroafo lehiben'i Shina. Sary avy amin'ny Digital Trends

Nanambara ny Ministeran'ny Indostria sy Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao Shinoa fa handrara ireo “tolotra tsy ara-dalàna” izay manatanteraka asa miampita sisintany, anisan'izany ny tambajotra virtoaly manokana (VPN), hatramin'ny Martsa 2018.

Toy izao ny vakin'ny fanambarana iray tamin'ny 17 Janoary ao amin'ny vohikalan'ny Ministera:

各基础电信企业应加强线路资源管理,严格审核租用方资质和用途,不得向无相应电信业务经营许可的企业和个人提供用于经营 IDC、ISP、CDN 等业务的网络基础设施和 IP 地址、带宽等网络接入资源。

Ireo mpanome tolotra aterineto rehetra [dia antsoina] mba hijery sy hanivana ny fampiasàn'ireo mpanjifany ny loharano avy amin'ny lohamilina ary tokony tsy hanome tolotra intsony ny orinasa sy olon-tsotra izay tsy manana fahazoandàlana mba hampiasa ny Foibe  Fikarakarana Antontan-kevitra Amin'ny Aterineto (Internet Data Center) (IDC), Mpanome tolotra Aterineto (ISP) sy tambajotra fizarana votoaty (CDN) ary manome tolotra izay mamatsy loharano ho an'ny aterineto, ny adiresy IP ary ny fifandraisana.

未经电信主管部门批准,不得自行建立或租用专线(含虚拟专用网络 VPN)等其他信道开展跨境经营活动。

Raha tsy misy ny fankatoavan'[ny Ministera], tsy misy olona afaka mametraka na manofa tambajotram-pifandraisana manokana (anisan'izany ny VPN) ho an'ny asa miampita sisintany.

Takian'ny lalàna vaovao ny hoe tsy maintsy misoratra anarana ary manao tatitra any amin'ny manampahefana ireo rehetra mpamatsy VPN. Raha tsy manao izany izy ireo dia heverina ho tsy ara-dalàna ary iharan'ny sazy.

Nanazava i Li Yi , manampahaizana mipetraka any Shangai, fa mikendry ny “hanadio” bebe kokoa ny tambajotra anatiny ilay tetikasa. Nolazainy tao amin'ny Global Times, ilay haino aman-jery miaraka miasa amin'ny fanjakana fa:

Misy ireo orinasa iraisam-pirenena sasany ao Shina, toy ny Microsoft Corp, manana antony ara-dalàna ifandraisana amin'ny foibeny any ivelany amin'ny alalan'ny VPN, fa matetika ireo vondron'orinasa na ny olon-tsotra [mpiasa] dia mijery pejy aterineto avy any ivelany noho ny antony tsy ara-dalàna. Noho izany, tena zava-dehibe ireo fitsipika vaovao.

“Ireo antony tsy ara-dalàna” dia ahitana ny fidirana amin'ny vohikala vahiny izay voasakana ao amin'ny taniben'i Shina sy ny lohamilina mpampiatrano ireo tranonkala manana anaran-tsehatra izay voasoratra anarana any ivelan'i Shina.

Araka ny Lalàna Momba ny Fitantanana ny Anaran-tSehatra Aterineto nohavaozina, ny vohikala rehetra miantrano any Shina dia tsy maintsy manoratra ny anaran'ny sehatr'izy ireo, miaraka amin'ireo mpamatsy tolotra ho an'ny anaran-tsehatra izay nahazo alalana ao anatiny mba hahazo alalana hiditra amin'ny tambajotra Shinoa. Izay orinasa tsy manao izany dia tsy ho tafiditra tsotra izao amin'ny tambajotra anatiny ao Shina.

Nanakana ny tolotra VPN sasany any Shina nanomboka tamin'ny 2015 ny governemanta Shinoa, saingy ny politika ankehitriny dia manao ho ofisialy ny tsy maha-ara-dalàna ireo  VPN sy mpampiatrano vohikala tsy voasoratra anarana.

Araka ny Global Web Index (2016 Q4):

maherin'ny 90 tapitrisa ireo olon-dehibe mpisera any Shina no nampiasa (VPN) iray mba hidirana amin'ny sehatra sosialy voarara.

Ny ankamaroan'ny sehatra haino aman-jery sosialy goavana, ao anatin'izany ny Twitter sy Facebook, dia voasakana ao Shina. Nefa ambaran'ny loharanom-baovao avy amin'ny Twitter fa  manana mpampiasa mavitrika any Shina miisa 10 tapitrisa ilay sehatra, ny ankamaroan'izy ireo dia miantehitra amin'ny VPN mba hiditra amin'ny tranokalan'ny Twitter. Milaza koa ny tarehimarika fa nitombo ny isan'ny mpanakiana na eo aza ny fanapahankevitry ny governemanta ny hanangana tambajotra anatiny tena faran'izay voasivana.

Tamin'ny herinandro lasa teo, tao amin'ny Dinika Ara-Toekarena Erantany, nivoady ny Filoha Shinoa Xi Jinping fa ho arovan'i Shina ny fanatontoloana. Araka ny fanamarihan'ny mpanao Twitter @chowhf, tsy misy ifandraisany amin'ny fanatontoloana any Shina ny fikorianan'ny fampahalalam-baovao malalaka :

 Tena maneso. Tsy mila vpn ny fanatontoloana, fitaovana hanelingelenana ny governemantan'i Shina.

Ao anatin'ny vondrom-piarahamonina teknikan'i Shina, maro no maneho ny ahiahiny hoe hanidy ny varavarany amin'izao tontolo izao i Shina.

Araka ny lalàm-panorenana ve ny fitsipika toy izany?

Raha manakatona ny varavarany amin'izao tontolo izao, lasa toa an'i Korea avaratra i Shina.

Tsy resaka fitantanana io. Manahy izy ireo fa hahita ny tena Shina marina ireo mponina Shinoa.

Mazava loatra, ampiharina amin'ny “VPN tsy manara-dalàna” irery ilay fitsipika –tsy ho foana tanteraka ilay teknolojia. Ohatra, mbola ho afaka hampiasa VNP mba hanapariahana fampielezakevitra politika ivelan'ny Rindrin'ny Aroafo lehibe ihany ny tafiky ny kolontsaina any Shina.

Araka ny nanipihan'i wentommy, mpampiasa Twitter azy :

Niditra an-tsehatra amin'ny fifehezana ny VPN ny MIIT, inona no ho fiantraikany amin'ireo vondrona an-tserasera? Tamin'ny taona lasa, ny 20 Janoary [taorian'ny nandresen'i Tsai Ing-wen tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Taiwan], an-tapitrisany ny tanora nihanika ny manda mba hanatanteraka fitiavan-tanindrazana. Miaraka amin'ny fanohanana ny fikambananà antoko, afaka manao zavatra amim-pahasahiana izy ireo. Iza no aoriantsika? ny mpitarika dia … Ny Filoha Mao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.