Endrika Maharikoriko Namboarinà Holande Ilay Sary Mahatsikaiky Farany indrindra Tamin'ny Aterineto Aterineto tao Rosia

“Zhdun” avy tamin'i Margriet van Breevoort. Sary nozaraina be tao amin'ny media sosialy.

Raha mitovy amiko ianao, rikoriko, ary angamba mandany fotoana betsaka loatra miditra amin'ny Aterineto Rosiana ianao, izay tsy maintsy ahitanao zavatra mitovitovy amin'ny Otaria mipetraka ambony seza, manery ireo tanany sady miandry milamina.

I Zhdun io, na “Lehilahy Miandry,” ary herinadro eo ho eo izao izy no  mandrahona ny sehatra Aterineto Rosiana hatramin'ny nisehoany tamin'ny sary tao amin'ny sehatra fifampiresahana Pikabu, izay nizaràn'ny mpampiasa, Leiapingui, ny sarin'i Zhdun, sy nangatahany tamin'ny vondrompiarahamonina tao mba hanome anarana an'ilay namana hita ho maharikoriko.

Ary hita fa efa nanana anarana ilay zavatra: Zhdun.

Asan'ilay Holande mpanao sokitra , Margriet van Breevoort, i Zhdun ; mpanao sokitra izay nilaza fa nanao io zavatra io ho fanehoan-kevitra tamin'ny fikarohana siantifika amin'ny sehatry ny fitsaboana. Araka ny vohikalany, namorona an'i Zhdun i Breevoort raha nieritreritra ireo efitra fandraisana any amin'ny dokotera, izay iandrasan'ireo ankizy mba hahafantatra ireo valin'ny fizahàna azy. Namboarina ho namana ao amin'ny efitra fiandrasana i Zhgun — izany no niavian'ny anarany.

Araka ny maha sary mahatsikaiky any Rosia azy, hita amin'ny lohahevitra “miandry eny ho eny” i  Zhdun, matetika aza ho an'ny zavatra izay mety tsy nitranga mihitsy.

Ao aminà bitsika malaza iray, mihantona eo amin'ny Tetezana Kerch tsy mbola vita i Zhdun, izay hampifandray an'i Krimea amin'ny taniben'i Rosia. “Miandry ny tetezana izahay,” izany no mivaky eo ambanin'ny sary.

Mandalo mba hitsidika i Zhdun. #WereWaitingForTheBridge (Miandry ny Tetezana Izahay) #CrimeanBridge ( Tetezana Krimea) #ConstructionOfTheCentury (Fanamboaran'ny Taonjato)

Nampiseho an'i Zhdun tao aminà horonantsary fohy nalaina tao anatin'ny efitra fitsaràna any Kirov, ny vohikala Meduza, izay mahaserina ankehitriny ilay mpikatroka mafana fo miady amin'ny kolikoly, Alexei Navalny, amin'ny fitsaràna vaovao izay heloka nanesorana taminy ny fahalalahany tsy ho afaka hirotsaka haka toerana amin'ny fifidianana.

Miresaka amin'ny fitsaràna i Navalny. Mihaino i Zhdun.

Hita tamin'ireo fitaovana fampielezankevitra tsy tena izy ho an'ny Fifaninanana hira Eurovision izay atao any Kiev, any Okraina amin'ity taona ity ihany koa ilay sokitra. Amin'ny sary eto ambany, anaovany toy ny hoe haingon-tenda ilay sary vaovao famantarana ny fifaninanana.

Na eo aza ny tsy fisian'ny tongony, hita tao amin'ireo kiraron'i Vladimir Poutine i Zhdun. Ahitàna an'i Zhdun eo amin'ny seza fiandrianan'ny lehiben'ny fibaikoana ny sary eto ambany, “eo am-piandrasana ny faran'ireo sazy.”

Tsy ho gaga ianao hahita hoe misy lahatsoratra sy fanehoankevitra marobe ahitana an'i Zhdun ao amin'ny media sosialy. Tsy te-hamerina azy ireny eto aho, fa afaka jerenareo izy ireo ao amin'ny Rosia Mihoatra Ireo Lohateny, izay nanangonan'i Alyona Boldyreva sy Anastasiya Karagodina betsaka.

Fa ny vaovao tena lehibe indrindra dia ela ny ela, mety hifarana ihany ny fientanentanan'ny olona amin'io zavatra io.

Ny 1 Febroary, nizara sarin'i Zhdun ihany koa ny kaonty Twitter ofisialin'ny Fiarandalamby ambanin'ny Tany ao Maosko, manosika ilay sary mahatsiakiky ho any amin'ny fironna mibahan-toerana ary, enga anie, hanery ny kolontsaina kelin'ny Aterineton'i Rosia hitady zava-baovao indray.

Tsy hiandry ela ! Avia mihaona amin'ny “Fiarandalambian'i Maosko” amin'ity lohataona ity amin'ny zotra Tagansko-Krasnopresnenskaya

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.