- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hira Singlish Manintona Mandrisika An'i Hong Kong Hamerina Ny Fitaovan'ny Miaramila any Singapore

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Singapaoro, Taiwan (ROC), Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Screen capture from Alvin Oon's video. [1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'i Alvin Oon

Satria miha-ratsy hatrany ny fifandraisana noho ny fihazonan'ny governemantan'i Hong Kong ny fiara miaramila miisa sivy avy any  Singapore, novadik'ireo Singaporeana mpitoraka blaogy  ho ‘hira Singlish’ manintona ilay zava-nitranga ara-diplaomatika, sady mangataka no mananihany an'i Hong Kong sy Shina mba hamerina ireo “Terrex Chia” azy ireo.

Entana iray ahitana Terrex sivy fitaterana andian-tafika ary misy fitaovam-piadian'ny tafika sy fitaovana hafa an'ny tafika no notazonin'ny sampan-draharahan'ny fadin-tseranana sy ny hetra ao Hong Kong tamin'ny 23 Novambra tamin'ny taona lasa.

Teny an-dàlana ho any Singapore  ireo fiara taorian'ny fanazarantena niarahan'ny miaramila tany Taiwan. Efa nisy nandritra ny taona maro ny fiarahana miasa ara-tafika tsy ofisialy toy izany teo amin'ireo firenena roa.

Ny minisitry ny fiarovana ao Singapore, Ng Eng Hen, dia nilaza tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity (13 jan) tao amin'ny Antenimieram-pirenena [2] fa tsy mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena ilay fitazonana. Nanambara koa izy fa nanoratra ho an'ny Laehiben'ny Mpanatanteraka ao Hong Kong, Leung Chun-ying, ny Praiminisitra Singaporeana, Lee Hsien Loong,  nangataka ny ffamerenana avy hatrany ireo fiara.

Nilaza ny manampahefana ao Hong Kong fa mbola handinika izy ireo raha toa tafiditra aminà fanondranana fitaovam-piadiana antsokosoko ireo entana. Nefa mino ireo mpanao fanadihadiana ny raharaha iraisam-pirenena fa Pekin no ao ambadik'ity zava-mitranga ity ary te-hanery an'i Singapore [3]amin'ny famaranana ny fifanakalozana tsy ofisialy rehetra amin'i Taiwan.

Ho valin'ilay krizy kely, niantso ny hamerenana ireo “Terrex Chia” sivy ny Singaporeana mpitoraka bilaogy tamin'ny alalan'ny hira Singlish mananihany (tao amin'ny Hong Kong Free Press [4]).

Kiriola malaza mifototra amin'ny teny Anglisy miaraka amin'ny tenin-jatovo tokana ary teny atao hiraisan'ny rehetra any Singapore ny Singlish [5]. Matetika fifangaroan'ny teny Anglisy, Mandarin, Tamil, Malay ary tenim-paritra hafa toy ny Hokkien, Kantoney na Teochew, araka ny Wikipedia [5].

Niparitaka tamin'ny aterineto tao anatin'ny fotoana fohy ny hiran'ilay mpanao Youtube, Alvin Oon, “Avereno Amiko ny Terrex Chia-ko”. Nampidiriny tao amin'ny Youtube ho toy ny “Hira Diplomasia” izany.

Hira Diplomasia – Angamba hira mananihany hanamaivana ny fisian ‘ny fifandirana sy hahita ny fiverenan'ireo Terrex 9 (Fiara Fitaterana Fitaovam-piadian'ny tafika an-tanety) an'i Singapore.

Ao anatin'ny hirany izay amerimberenany ny fangatahany, atambatr'i Oon amin'ny tenim-paritra Shinoa (Hokkien), Malay ary Tamil ny teny Anglisy :

Nahoana ianao no maka zavatra izay tsy anao fa ahy?

Hoy koa izy:

A-Neh Kuan Buay Sai Mah

Tsy afaka ny hanao izany [amiko] ianao

Andro iray taorian'ny namoahan'i Oon ny hirany, mpitoraka bilaogy hafa, Atoa Brown namerina nanoratra indray ny tonon'ny hiran'ny Taombaovao Shinoa ho amin'ny “Avereno aminay ny Terrex nay”, mampiako ny hira diplomasia an'i Oon.

This post sources information from a series of articles from Hong Kong Free Press.