- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gazety Mpanàla Azy Milaza Amin'ireo Mpanararaotra Ny Fomba Hitrandrahana Ny Fanaovan'ny ao Rosia ny Herisetra An-Tokantrano ho tsy Heloka Bevava

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Akon'ny RuNet
[1]

Sary: Pixabay

Tena kely sisa dia ho ataon'ny governemanta federaly Rosiana ho tsy heloka bevava intsony ireo karazana fanararaotana isankarazany mitranga any an-tokantrano, amin'ny fanasokajiana azy ny “herisetra tsy dia niteraka ratra be manao ahoana loatra” ho toy ny hadisoana madinika. Araka ny masontsivana [2] napetraky ny Ministeran'ny Fahasalama ao Rosia, ho avadik'ilay volavolan-dalàna ho tsy heloka bevava intsony ireo darodaroka any anivon'ny ankohonana izay miafara aminà “ratra kely tsy dia mankaiza” toy ny ” rangotra kely, folaka, ratra ivelany, ary fahasimbàna tamba-tsela malefaka.”

Ny Zoma 27 Janoary 2017 lasa teo, nankatoavin'ny Domà-mpanjakàna ilay drafitra farany tamin'ilay tolodalàna. Na niteraka resabe teny anivon'ny media Rosiana aza ilay tolodalàna, telo monja ireo solombavambahoaka mba nitsipaka azy io, raha 380 kosa ireo mpanao lalàna no nanohana azy. Ankehitriny, ny fankatoavan'ny Antenimiera Federaly efa zatra manara-davahana sisa no ilain'ilay lalàna, alohan'ny hahatongavany eo ambony latabatry ny filoha hatao sonia, ary efa naneho sahady ny fanohanany ilay volavolan-dalàna i Vladimir Putin.

Mandeha ho azy ny hoe nandrehitra adihevitra nivaivay tety anaty serasera ny fihetsiky ny governemanta Rosiana hanao ny karazana herisetra sasantsasany ao an-tokantrano ho tsy heloka bevava, ny aterineto izay toerana ahitànao vazivazy fankahalàna vehivavy tsy misy farany maneso ilay fotokevitra momba ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizy, hatramin'ireo vazivazy momba ireo làlana vaovao anehoana ny “maha-lehilahy” nosokafan'ny fomba fijery iray mankany amin'ny fanarahana maso ny herisetra any anivon'ny fianakaviana.

Raha toa ka toy ny hita manerana ny aterineto ity hadrohadro tsy ampy fahamatorana ity, indrindra fa miaraka aminà votoaty mifandray amin'ny zon'ny vehivavy, dia tsy voafetra ho an'ireo kaondrana niala avy tamin'ny elatra havanana ao Rosia ihany ny fizaràna ireo vazivazy tsy misy dikany.

Ny. 27 Janoary, ora maro taorian'ny nandanian'ny Domà-mpanjakana ilay drafitra farany,  nozarain'ny “Life”, gazety mpanala azy mpiandany amin'i Kremlin ny lahatsary iray hafahafa, [3] ho ao amin'ny media sosialy, nomeny lohateny hoe “Tiany Ianao Matoa Darohany,” tamin'ny fitetezany ireo “laharana dimy voalohany amin'ny endrika isehoan'ny herisetra an-tokantrano tsy mamela takaitra eny amin'ireo olon-tianao.”

Ao anatin'ny 47 segondra, sady mihanoka feon-gitara maharavo, sary iray natambatambatra ampandihizina no andraisana ny mpijery , hanazavàna amin'ny olona hoe afaka atao ny mampiasa kidoro nahorongorona,  mamtraka boky eo an-tampon-dohan'ny olona iray ary mikapoka eo ambonin'ny boky, mamelaka tehamaina havana, manakenda, na mively ny faladian'ny olona iray. Ny ampahany farany dia toy ny maneho ankizy iray miala aina,  ny faladiany voavelively ary ny mozika miha-manjombona, alohan'ny hanapahan'ny tenifototra hoe “#wow” sy ny fangon'ny Life azy.

Tamin'ny fotoana nanoratrana azy ity, efa nahazo mpijery 28.000 [4] tao amin'ny Facebook ilay lahatsary ary maherin'ny  83.000 [5] tao amin'ny Vkontakte, izay nanazavan'ny Life tao anaty fanehoankevitra iray hoe : “Lahatsary iray natao ho anao ity, momba izay tsy afaka saziana ho toy ny heloka bevava intsony. Saingy tsy tokony hanao toy io hatrany ianao.”

Avy hatrany dia niteraka hatezerana avy amin'ireo maro teny anaty media Rosiana marobe ilay lahatsary — na avy amin'ireo mpanao gazety aza izay tsy mitsahatra ny miaina hadrohadro mampivonto fo, toa an'i Igor Belkin, ilay ao ambadiky ny “Lentach,” iray aminìireo tetikasa fanaovana hatsikana malaza indrindra ao amin'ny RuNet.

Anaty fanamarihana iray ao amin'ny Facebook, nanoratra i [6] Belkin hoe :

Тут всякие хорошие и разные люди идут работать в “Лайф”, и, сообщив об этом на ФБ, удивляются, почему им в комментах нечужие и опять же неплохие в общем-то люди предлагают помочиться себе на лицо и так далее. Так вот примерно поэтому.

Betsaka karazana olona tsara samihafa mandeha miasa ao amin'ny Life, ary, taorin'ny fizaràna io lahatsary io tao amin'ny Facebook, dia gaga tampoka nony injay ireo olon fantatr'izy ireo — sady izay indray, amin'ny ankapobeny dia olona tso-piaina — no maneho hevitra amin'ireny lahatsoratra ireny, manoso-kevitra ny hoe mandehana ka ny tavanareo ihany hamaniana, sns. Eny, io no antony nitrangan'izany.

Olana goavana amin'izao fotoana izao ao Rosia ny herisetra an-tokantrano. Ny antontanisa navoakan'ny Ministeran'ny Atitany tamin'ny 2013, araka ny nitateran'ny [7] tranonkala Meduza, dia mampiseho fa maherin'ny 38.235 ireo olona vaorakitry ny polisy ho niharan'ny fanararaotana — saiky vehivavy daholo ny telo ampahefatr'izy ireny.

Araka ny angondrakitry ny Amnesty International tamin'ny 2003, eo amin'ny 14.000 eo ireo Rosiana vavy maty isantaona noho ny herisetra an-tokantrano — betsaka no mbola tsy tafiditra anaty tatitra. Tamin'izay fotoana izay, nanao famintinana ireo mpikaroka fa vehivavy 36.000 ao Rosia no iharan'ny herisetra an-tokantrano aminà andro iray voafaritra.