
“Miaramila sy Mpanamory fiaramanidina avy amin'ny Florida National Guard mijery ny fotoana nanaovan'ny Filoha Donald Trump fianianana amin'ny fandraisana ny fitondrana nandritra ny Lanonana 2017 Fametrahana ny Filoha tamin'ny toerany.” Sary nalaina avy amin'ny pejin'ny National Guard flickr CC BY 2.0
Ao anatin'ny vanim-potoananà vaovao sandoka, izay indraindray dia tena sahirana ny mpampiasa aterineto amin'ny fanavahana izay tatitra azo itokiana avy amin'ny fampielezankevitra, misy teny iray vaovao manaitra, nomen'ny mpanolotsainan'ny Filoha US Donald Trump, Kellyanne Conway: “zavamisy azo isafidianana”.
Voateny tsy nahy ity fehezanteny ity nandritra ny tafa sy dinika mikasika ny raharaham-bahoaka tao tamin'ny fandaharana Meet the Press (Mihaona amin'ny Gazety) tao amin'ny tambajotran'ny fahitalavitra NBC, izay niarovany ny fitarainana tsy misy porofo nataon'ny mpitàntsoratry ny mpanao gazetin'ny Trano Fotsy, Sean Spicer, hoe “io no — fotoana – fanokanana be mpanatrika hatramin'izay, na amin'ny olona na manerana ny tany “.
Voaresaka im-betsaka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra izany- ary niparitaka tamin'ny alalan'ny haino aman-jery sosialy – fa ny isan'ny vahoaka tamin'ny fametrahana an'i Trump teo amin'ny toerany dia tsy betsaka noho ny tamin'ny an'i Obama tamin'ny 2009:
Comparing the crowds at Donald Trump’s and Barack Obama’s inaugurations https://t.co/Ip6UwbzinI pic.twitter.com/jClpwd4uWa
— The New York Times (@nytimes) January 21, 2017
Fampitahàna ny isan'ny olona tamin'ny fametrahana an'i Donald Trump sy Barack Obama teo amin'ny toerany https://t.co/Ip6UwbzinI pic.twitter.com/jClpwd4uWa
Nilaza ny minitra Conway fa nanolotra “zavamisy azo isafidianana” i Spicer ary tena “tsy nisy mihitsy fomba hafa handrefesana ny isan'ny vahoaka”, niantso ireo filazàna ho toy ny “lainga azo porofoina” i Chuck Todd, mpanao gazety. Nilaza koa izy fa raha afaka mandainga amin'ny zavatra madinika toy izany i Spicer, dia “manimba ny fitokisana ny amin'ny asan'ny fanaovan-gazety ao amin'ny Trano Fotsy izany”. Ampangain'i Conway ho “mampitaintaina loatra” i Todd.
Mampitaintaina na tsia, ireo mpisera ao Trinidad sy Tobago – toy ireo mpampiasa ny media sosialy manerana ny tany – dia nanova ilay andianteny ho lasa tenifototra mampihomehy.
Nivazivazy i Ketih Francis, mpampiasa Facebook:
Nampitsahatra ny asany ny Ringling Brothers mba ho fiomanana amin'ny fifaninanana avy amin'ny governemanta Amerikana.
#alternativefacts
Tena fanina ilay mpanakanto Christopher Cozier, namoaka ampahibemaso ity fanavaozana ny satany ity:
Noho izany… ny fahitako ny tontolo dia ireo ” zavamisy azo isafidianana” no mandrafitra azy
Ilay mpilalao Kalypso avy any Trinidad, David Rudder, izay tsy tapaka mitondra fifaliana ho an'ny mpanaraka azy ao amin'ny Facebook amin'ireo fanehoankevitra mamiratra entiny, dia namoaka ity fanavaozam-baovao mampihomehy ity, izay ampitahàny ny tenany amin'ny kintan'ny mozika soca Machel Montano:
Nahazo olona folo amboniny mihoatra ny an'i Machel ny fampisehoana nataoko, fa tsy hilaza izany mihitsy ireo haino aman-jery ratsy fanahy. Raha nanomboka nanisa ny habetsahan'ireo vehivavy fotsiny tao amin'ny mpanatrika aho dia horakoraka fito arivo no tratrako, avy eo aho reraka. Nefa tsy hilaza izany mihitsy ny haino aman-jery. Anontanio an'i Kelly Ann Converse, mpikarakara ny dokambarotro, ny kintana keliko hamaky ny faribolana ho ahy, ary hiteny hoe alluyh.
Nampihatra ny fotokevitra “zavamisy azo isafidianana” mba hanamarinana ny fidangan'ny tahan'ny heloka bevava ao Trinidad sy Tobago ny mpampiasa Facebook, Thompson Nigel :
20 andro 35 maty.
COP [Lehiben'ny Polisy]: tsy mandeha ny heloka bevava.
#alternativefacts
Laura Dowrich-Phillips, izay mainty hoditra, dia nanapaka hevitra mba hiala voly miaraka amin'ilay tenifototra ho an'ny tenany manokana:
Ankizivavy mena [mazava hoditra] aho, noho ny fitaninana andro #alternativefacts
Mandritra izany, Franka Philip nandinika:
Iza tamin'ny mpandray anjara tao amin'ny Harry Potter indray i Kellyanne Conway? Sa ve izy horcrux?
Maro anefa ireo mpampiasa ny haino aman-jery sosialy no miahiahy fa tsy mihanihany amin'izany. Toy ity iray mpikambana avy amin'ny Trinidadiana any ampielezana ity, nametraka hoe:
zavamisy azo isafidianana…(?!)
lisitry ny tsy maintsy vakiana amin'ny 2017 – ny asa manontolon'i George Orwell .