- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bhutan : Noraràn'ny Manampahefana ny Horonantsary Iray Noho ny ‘Fampiasàna Fahatany’ Ireo Sarontava Fampiasa amin'ny Fivavahana

Sokajy: Azia Atsimo, Bhutan, Fampandrosoana, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina
Masked dances performed in annual religious Bhutanese festival called tshechu on the tenth day of a month of the lunar Tibetan calendar. Image from Flickr by Arian Zweckers. CC BY 2.0 [1]

Ireo mpandihy misaron-tava mandihy ao anatin'ilay fetibe ara-pivavahana fanao isantaona ao Bhutan, antsoina hoe ‘Tshechu’, amin'ny andro fahafolon'ny volana ao amin'ny alimanàka Tibetàna manaraka ny volana. Sary an'i Arian Zweckers tao amin'ny Flickr CC BY 2.0

Nahatonga adihevitra be tany Bhutan ilay fandraràna horonantsary vao haingana izay nampangaina ho manambany ireo  eva ara-pivavahana.

Nambaran'ny Manampahefan'ny Media sy ny InfoComm ao Bhutan (BICMA) fa tsy mahazo alefa  amin'ny fahitalavitra ao amin'ny firenena ilay Hema Hema: Sing Me a Song While I Wait [2] (Mihirà Hira iray Ho Ahy Raha izaho ilay Mbola Miandry iny), horonantsary lava an'ilay Tibetana Bodista lama sady mpanoratra, Dzongsar Jamyang Khyentse Rinpoche [3], taorian'ny nijeren'ny Vaomieram-pirenena Mpijery Ireo Horonantsary sy ny Departemantan'ny Kolontsaina sy ireo Raharaha Koltoraly ao amin'ny Ministeran'ny Atitany.

Ny 10 Janoary 2016, nampitain'ny manampahefan'ny media tamin'ny alàlan'ny taratasy iray nalefa  ho an'ny Tsong Tsong Ma Productions, orinasa mpamokatra ilay horonantsary,  ny fanapahankeviny nilaza fa ilay fandraràna dia “noho ireo sarontava maro fanao amin'ny fivavahana, ampiasain'ireo mpilalao ao anatin'ny horonantsary, izay tsy manaja ny fombandrazana sy kolontsaintsika”.

Ao Bhutan no mitranga ny tantara ao amin'ilay horonantsary, ary miresaka vondron'olona mifamory mandritry ny andro maro any anaty ala, tsy mifankahafantatra anarana noho ireo sarontava anaovany. Novokarina tany Bhutan [4] niaraka tamin'ireo mpilalao maherin'ny 400 isa izy io, mponina am-bohitra avy any amin'ny faritra atsinanana ao amin'ny firenena ny ankamaoany.

Bodisma no fivavahana ofisialin'i Bhutan, ary manana ny heriny amin'ireo sokajy maron'ny kolontsainan'ilay firenena kely io. Manana dikany ireo savontava [5] amin'ireo fombafomba sasany. Amin'izao, miasa mafy i Bhutan mba hitahirizana [6] ireo kolontsainy nentimpaharazana sy ny lovany, ao anatin'ny rivotra mitsokan'ireo kolontsaina avy any ivelany, satria miatrika fivoarana haingana dia haingana ny firenena ankehitriny.

Maro anefa ireo Bhutane no tsy mahazo hoe inona no tena olana tsy anekena ireo sarontava. Efa nalefa tamin'ireo fetiben'ny horonantsary iraisampirenena maro ilay horonantsary, toy ny tamin'ny Fetiben'ny Horonantsary Locarno [7], Fetiben'ny Horonantsary BFI London [8], Fetiben'ny Horonantsary Taipei Golden Horse [9] ary ny Fetiben'ny Horonantsary Iraisampirenena ao Singapour, [10] ary nahazo fankasitrahana manokana avy tamin'ny mpitsara iraisampirenena ka  nahazoany ny laharana faharoa tamn'ny Fetiben'ny Horonantsary Iraisampirenenan'i Toronto [11] ny volana Septambra tamin'ny taona lasa. Nomanina havoaka voalohany [12] tany Bhutan ny volana Desambra 2016 izy io.

Ho an'ny KANTO & FAMORONANA Bhutane #afahohemahema [13]… Ry mpandrindra, aza afangaro azafady ny fitiavana ny kolontsaina sy ny fahalalahana mamorona.

Rehefa lavon'ny lalàna ny kanto, misy olana izay! #FreeHemaHema [16]

Niresaka ilay fandraràna ny pejy Facebook [19] ofisialin'ilay horonantsary:

Tsy fandraràna ny horonantsary fotsiny io fanapahankevitra tery saina io fa fandraràna ny fahalalahana haneho hevitra sy ny asa famoronana ao Bhutan koa. Nandefa hafatra mafy sy mazava ho an'ireo Bhutane mpanakanto rehetra iny hoe misy fetra ny nofinofy sy ny asa famoronan'ny tsirairay ao Bhutan. […]

Manimba ny fahafahana maneho amin'ny alàlan'ny zavakanto sy ny fahalalahana mamorona io fanapahankevitra io. Maneho ny tsy fahafahan'ireo mpandray fanapahankevitra sy ireo mpandrindra ny media tsy ahita ny zavatra amin'ny endriny lehibebe kokoa io. Raha toa ny lalàna ka zavatra mahasosotra kanefa tsy maintsy ilaina mba hamerana ny fandisoana ny vaovao, fanovaovàna atao fanahy iniana ireo zava-mitranga, ary fanambaniana tsy tsy misy fitserana ireo soatoavina ara-kolontsaina, raha tsy hilaza hafa ankoatra ireo, tsy tokony kosa io terena ho apetraka tsotra izao mba hanemporana sy hamotehana ny indostria famoronana vao misandratra.

Manontany tena ny olona hoe tena nanitsakitsaka marina tokoa ny kolontsaina na ireo eva ara-pivavahana ve ilay horonantsary, araka ny niampangàna azy, raha toa izay ireny nampiasaina tsotra ho an'ny resaka kanto fotsiny. Ohatra, naneho hevitra toy izao i Tashi TD [20]:

Tsy manohitohina ny eva masina sy ny fampiasàna ireo sarontava akory ilay horonantsary. Fa nampiasaina ho toy ny eva mahery sy fitaovana hampitàna ny hafatra fototra mikasika ny mombamomba ny tena, ny fanafenana azy ary ny fahalalahana ireo sarontava.

Nilaza izao i Younten Jamtsho [21]:

Mila takarina amin'ny fomba maoderina ny olona maoderina. Raha mifototra amin'ireo torolalany ny fitsaràna ataon'ny BICMA, dia tena fotoana tokoa izao hamerenany mijery azy io mba hametrahana toerana bebe kokoa ho an'ireo kanto sy fanehoankevitra mitondra rivo-baovao.

Nijery ilay horonantsary sy ny fampiasàna ireo sarontava i Sonam Wangmo Dukpa-Jhalani ho an'ny gazetiboky Bhutane Yeewong mampiseho fomba fiaina  [22] :

Ny mpilalao fototry ny Hema Hema, Tshering Dorji, mpilalao tsara endrika sy natoraly […], dia nitàna andraikitra lehibe amin'ny fampitàna ireo fihetsehampony amin'ny alalan'ny sarontava. Tsy zavatra faran'zay mora atao indrindra io, kanefa vitany tsara mihitsy – tsapantsika mihitsy ny hetahetany,  hitantsika ny tahony, iainantsika ny fisetrasetràny sy ny loniloniny. […]

Ny sasany amin'ireo sehatra dia natao toy ny poezia hita maso, ary ny sasany toy ny  amin'ny fahaizana manao misitery sy operà.

Ary ireo sasany toa an'i Sonam Wongmo [23] manontany tena hoe sao politika koltoraly ary io:

Moa va tsy maneso kosa raha ny ankamaroan'ireo Bhutane mankalaza ny Noely, Fetin'ny maty, manao mariazy izay anarahan-dry zareo ireo fombandrazana tandrefana (manao akanjo lava sns) mampandro zaza, amin'ny ankapobeny manaraka fombandrazana tsy antsika, nefa ny BICMA miasa loha hoe tsy manaraka ny “fombandrazana” ny horonantsary iray mikasika an'i Bhutan io?

Satria mandeha ho azy miaraka amin'ny natioran'ny fandraràna rehetra, vao mainka io nahatonga ahy hanadihady bebe kokoa (ary mino aho fa ireo Bhutane hafa rehetra koa), ary ho an'ny HEMA Hema, vao mainka lasa tosika ilay fandraràna.