- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Porofoin'i Ghana fa Tsy Nofinofy Ny Fifidianana Am-pilaminana, Malalaka ary Mifandanja Ao Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Tsara
Ghana's President Elect Nana Akufo-Addo paying homage to Nii Okwei Kinka Dowuona VI, King of the Ga people. Creative Commons image by Kabil75.

Filoha voafidin'i Ghana, Nana Akufo-Addo, manome voninahitra an'i Nii Okwei Kinka Dowuona VI, Mpanjakan'ny Vahoaka Ga. Sary an'i Kabil75 nampiasàna ny Creative Commons .

Nana Akufo-Addo [1] mpitarika ny mpanohitra avy amin'ny New Patriotic Party -Antoko Vaovao Ho an'ny Tanindrazana- (NPP) no nandresy tamin'ny fifidianana ho filohan'i Ghana tamin'ny 7 Desambra [2]rehefa nirotsaka fanintelony ho fidiana. 53,85%-n'ny vato tamin'ny fifidianana no azon'i Akufo-Addo, raha 44,4% kosa no azon'ny filoha tapi-draharaha John Mahama.

Ao amin'ny tanibe, izay matetika ny fifidianana no korontanin'ny herisetra, ny halabato, ny fahatapahan'ny aterineto amin'ny andron'ny fifidianana ary ireo tsy fanarahan-dalàna hafa, dia nanamafy ny toerana maha-mpisava làlana ny demaokrasia aty Afrika azy ny endrika am-pilaminana nananan'ny fifidianana tany Ghana. Noderain'ny [3]vondrona iraisam-pirenena ny fomba nitondran'ilay firenena ny fifidianana.

Vao haingana teo, notsipahan'ny [4]filoha Gambiana Yahya Jammeh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 22 taona ny voka-pifidianana, [4]rehefa resin'i Adam Barrow mpitarika ny mpanohitra  izy.

Andro vitsy monja teo aloha, nilaza izy fa manohitra izay mety ho tsy fanarahandalàna, nanaiky ny fahareseny [5]izy ary niantso an'i Barrow tamin'ny finday mba hiarahaba azy noho ny fandreseny, ary nolazainy fa tsy “manana lolom-po” izy. Toa niova fo no fahitàna azy.

Nandefa izao bitsika izao i Chris Mwangi, Keniana mpanao lalàna, mampiako ireo fihetseham-po mitovy amin'izany:

Iray amin'ireo firenena Afrikana tsy manome zavatra ratsy hotaterina amin'ny media tandrefana mikasika an'i Afrika mihitsy i Ghana.

Tsy marina tanteraka ny zavatra lazainy, na izany aza, araka ny tsipihan'i Gary Al-Smith:

Uhm @CNN [8], tsy nahalala ireo Ghaneana ” mitsangana milahatra mba hahazo entana” na “miady mba hahazo sakafo” aho. Ary mipetraka ao aho.

Nihetsika tamin'ny fandresen'ny mpanohitra NPP i Akwasi Sarpong, Ghaneana mpanolotra ao amin'ny BBC, tamin'ny fizaràna zava-miseho mahavariana iray:

Ary mitohy toy izany ny tantara mahavariana: rehefa mandresy amin'ny fifidianana ny Antoko Repoblikana Amerikana, mandresy ihany koa ny NPP ao Ghana & dia Mifamadika amin'izay koa.

Hatry ny taona 1992, raha nampiditra ny demokrasian'ny antoko maro i Ghana, hita ho niaraka nanaraka maodely mitovy [13] ireo mpifidy any Ghana sy Etazonia.

Ghaneana mpitoraka bilaogy sady mpanoratra, Jemila Abdulai, nanipika ny fitomboan'ny demokrasia any Ghana:

Milaza ZAVATRA BETSAKA ny zava-niseho hoe misafidy ny hifidy solombavambahoaka avy ao amin'ny NPP ireo lehiben'ny NDC. Mitombo mihoatra ny “politikan'antoko” ny demokrasian'i Ghana. #GhanaDecides [6] (MifidyGhana)

Mpampiasa Twitter hafa nizara ity zava-niseho mahavariana manaraka ity:

Ghana ihany no hany firenena ahitanao ny filoha voafidy sy ireo mpanohana azy ??????mandihy amin'ny hiran'ny fampielezankevitry ny mpanohitra #GhanaDecides [6] Onaapo ??

Nankalaza ny fandreseny [16] niaraka tamin'ny hiran'ny fampielezankevitr'ilay mpifaninana resy, John Mahama, ‘Onaapo’, ireo mpanohana ny Filoha Voafidy, Nana Akyfo-Addo. Tena lasa nalaza be tokoa ilay hira, hany ka efa namoaka “remix” an'ilay hira [17] sahady ilay mpihira Ghaneana Barima Sidney.

Niaiky ny fahareseny [18] i Mahama, ary niantso an'i Akufo-Addo mba hiarahaba azy na mbola tsy navoaka akory aza ireo vokatra ofisialy.

Nanipika izao i Silver Kayondo:

Mamaky ny kabarim-paneken'i Mahama. Lehilahy tena misaina. Tsy olona resy izy. Mpandresy izy eo amin'ny lafiny irain'ny #tantara [19] & #mahaizynyolona [20]! #GhanaMisafidy [6]

Nanoratra izao i Kuukuwa Manful:

46 taona taorian'ny nahalasa filoha ny rainy, Edward Akufo-Addo, lasa filoha voafidin'i Ghana i Nana Addo Dankwa Akufo-Addo #GhanaDecides [6]

Filoha tsy mpanatanterak'i Ghana, nanomboka ny taona 1970 ka hatramin'ny 1972 ny rain'i Akufo-Addo, Edward Akufo-Addo [24].

Masesebe Wa Ramahuma, Afrikana Tatsimo mpitati-baovao, naneho izao faniriana manaraka izao:

Arabaina ireo olo-malaza mainty. Maniry aho hoe ho afaka manao fifidianana zara raha misy na tsy misy loza mihitsy ireo firenena Afrikana, ka ho voavonjy i #Afrika [25]#GhanaDecides [6]

Greenbook Ghana, sehatra iray mampiseho ireo zava-bitan'ny Filoha nodimbiasana, Mahama, miandry fatratra ny roa amin'ireo fampanantenana lehibe tamin'ny fampielezankevitra nataon'i Akufo-Addo.

@GabbyDarko [27] @adano82 [28] miandry fatratra amin'ny fanomezana ilay orinasa iray isaky ny distrika izahay  #ghanaelections [29] (fifidianana ghana) #GhanaMisafidy [6]

@bonti_benjamin [31] @amiddleGh [32] miandry fatratra ilay tohodrano 1, tanàna 1 izahay #ghanaelections [29] #GhanaDecides [6]

Nampanantena tohodrano hanaovana taridrano ho an'ny tanàna rehetra [34] any amin'ny faritra avaratry ny firenena, ary orinasa iray isaky ny distrika 216 [35] ao amin'ny firenena, i Akufo-Addo, fampanantenana tamin'ny fampielezankevitra izay inoan'ny maro fa tsy ho afaka tanterahana.

Nanao fikarohana tao amin'ny mpifanila vodirindrina amin'i Ghana, Nizeria, ny mpampiasa Twitter Ikon Massive:

Filoha zara raha nampiasaina, amidy. Tsara kokoa, afaka alainao maimaimpoana izy. Liana ve ianareo ry Nizeriana. ? #GhanaMisafidy [6]

Ny farany, nampahatsiahy ireo Ghaneana i Kinna, tomponandraikitr'ilay tetikasa @GhanaDecides [38]:

Ao anatin'ity fientanentanana #GhanaDecides [6] rehetra ity, andao hotsiahivina fa ireo fifidianana, na tena zava-dehibe tokoa aza, dia ampahany bitika ihany amin'ny demokrasia.