Nana Akufo-Addo mpitarika ny mpanohitra avy amin'ny New Patriotic Party -Antoko Vaovao Ho an'ny Tanindrazana- (NPP) no nandresy tamin'ny fifidianana ho filohan'i Ghana tamin'ny 7 Desambra rehefa nirotsaka fanintelony ho fidiana. 53,85%-n'ny vato tamin'ny fifidianana no azon'i Akufo-Addo, raha 44,4% kosa no azon'ny filoha tapi-draharaha John Mahama.
Ao amin'ny tanibe, izay matetika ny fifidianana no korontanin'ny herisetra, ny halabato, ny fahatapahan'ny aterineto amin'ny andron'ny fifidianana ary ireo tsy fanarahan-dalàna hafa, dia nanamafy ny toerana maha-mpisava làlana ny demaokrasia aty Afrika azy ny endrika am-pilaminana nananan'ny fifidianana tany Ghana. Noderain'ny vondrona iraisam-pirenena ny fomba nitondran'ilay firenena ny fifidianana.
Vao haingana teo, notsipahan'ny filoha Gambiana Yahya Jammeh, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny 22 taona ny voka-pifidianana, rehefa resin'i Adam Barrow mpitarika ny mpanohitra izy.
Andro vitsy monja teo aloha, nilaza izy fa manohitra izay mety ho tsy fanarahandalàna, nanaiky ny fahareseny izy ary niantso an'i Barrow tamin'ny finday mba hiarahaba azy noho ny fandreseny, ary nolazainy fa tsy “manana lolom-po” izy. Toa niova fo no fahitàna azy.
Nandefa izao bitsika izao i Chris Mwangi, Keniana mpanao lalàna, mampiako ireo fihetseham-po mitovy amin'izany:
Ghana is consistently one of those African countries that gives the western media nothing negative to report about Africa.#GhanaDecides
— Chris Mwangi (@Mwangixtopher) December 8, 2016
Iray amin'ireo firenena Afrikana tsy manome zavatra ratsy hotaterina amin'ny media tandrefana mikasika an'i Afrika mihitsy i Ghana.
Tsy marina tanteraka ny zavatra lazainy, na izany aza, araka ny tsipihan'i Gary Al-Smith:
Uhm @CNN, I didn't know Ghanaians “stand in long lines to obtain products” or “struggle to obtain food”. And I live there. #CNNGetItRight pic.twitter.com/tpyosBIrJJ
— Gary Al-Smith (@garyalsmith) December 11, 2016
Uhm @CNN, tsy nahalala ireo Ghaneana ” mitsangana milahatra mba hahazo entana” na “miady mba hahazo sakafo” aho. Ary mipetraka ao aho.
Nihetsika tamin'ny fandresen'ny mpanohitra NPP i Akwasi Sarpong, Ghaneana mpanolotra ao amin'ny BBC, tamin'ny fizaràna zava-miseho mahavariana iray:
And so the myth continues: whenever the US Republican Party wins elections, Ghana's NPP wins & Vice Versa. #GhanaDecides ?
— Akwasi Sarpong (@akwasisarpong) December 9, 2016
Ary mitohy toy izany ny tantara mahavariana: rehefa mandresy amin'ny fifidianana ny Antoko Repoblikana Amerikana, mandresy ihany koa ny NPP ao Ghana & dia Mifamadika amin'izay koa.
Hatry ny taona 1992, raha nampiditra ny demokrasian'ny antoko maro i Ghana, hita ho niaraka nanaraka maodely mitovy ireo mpifidy any Ghana sy Etazonia.
Ghaneana mpitoraka bilaogy sady mpanoratra, Jemila Abdulai, nanipika ny fitomboan'ny demokrasia any Ghana:
The fact that some NDC strongholds chose to elect MPs from NPP says A LOT. Ghana's democracy maturing beyond “party politics” #GhanaDecides
— Jemila #GhanaDecides (@jabdulai) December 9, 2016
Milaza ZAVATRA BETSAKA ny zava-niseho hoe misafidy ny hifidy solombavambahoaka avy ao amin'ny NPP ireo lehiben'ny NDC. Mitombo mihoatra ny “politikan'antoko” ny demokrasian'i Ghana. #GhanaDecides (MifidyGhana)
Mpampiasa Twitter hafa nizara ity zava-niseho mahavariana manaraka ity:
Gh is d only country wer you'd see D president-elect n his supporters ??????dancing to the oppositions campaign song #GhanaDecides Onaapo ??
— #Frisky4Peace (@FriskyDeGeneral) December 10, 2016
Ghana ihany no hany firenena ahitanao ny filoha voafidy sy ireo mpanohana azy ??????mandihy amin'ny hiran'ny fampielezankevitry ny mpanohitra #GhanaDecides Onaapo ??
Nankalaza ny fandreseny niaraka tamin'ny hiran'ny fampielezankevitr'ilay mpifaninana resy, John Mahama, ‘Onaapo’, ireo mpanohana ny Filoha Voafidy, Nana Akyfo-Addo. Tena lasa nalaza be tokoa ilay hira, hany ka efa namoaka “remix” an'ilay hira sahady ilay mpihira Ghaneana Barima Sidney.
Niaiky ny fahareseny i Mahama, ary niantso an'i Akufo-Addo mba hiarahaba azy na mbola tsy navoaka akory aza ireo vokatra ofisialy.
Nanipika izao i Silver Kayondo:
Reading Mahama's concession speech. Very reflective man. He's not a loser. He's a winner on the side of #history & #values! #GhanaDecides
— Silver Kayondo (@SilverKayondo) December 10, 2016
Mamaky ny kabarim-paneken'i Mahama. Lehilahy tena misaina. Tsy olona resy izy. Mpandresy izy eo amin'ny lafiny irain'ny #tantara & #mahaizynyolona! #GhanaMisafidy
Nanoratra izao i Kuukuwa Manful:
46 years after his father Edward Akufo-Addo became president, Nana Addo Dankwa Akufo-Addo becomes president-elect of Ghana. #GhanaDecides pic.twitter.com/9gnTiKQrr0
— Kuukuwa Manful (@Kuukuwa_) December 9, 2016
46 taona taorian'ny nahalasa filoha ny rainy, Edward Akufo-Addo, lasa filoha voafidin'i Ghana i Nana Addo Dankwa Akufo-Addo #GhanaDecides
Filoha tsy mpanatanterak'i Ghana, nanomboka ny taona 1970 ka hatramin'ny 1972 ny rain'i Akufo-Addo, Edward Akufo-Addo.
Masesebe Wa Ramahuma, Afrikana Tatsimo mpitati-baovao, naneho izao faniriana manaraka izao:
Congratulations black stars. I wish African countries could go to elections with less or no drama then #Africa will be saved. #GhanaDecides
— Masesebe Wa Ramahuma (@masesebe) December 10, 2016
Arabaina ireo olo-malaza mainty. Maniry aho hoe ho afaka manao fifidianana zara raha misy na tsy misy loza mihitsy ireo firenena Afrikana, ka ho voavonjy i #Afrika. #GhanaDecides
Greenbook Ghana, sehatra iray mampiseho ireo zava-bitan'ny Filoha nodimbiasana, Mahama, miandry fatratra ny roa amin'ireo fampanantenana lehibe tamin'ny fampielezankevitra nataon'i Akufo-Addo.
@GabbyDarko @adano82 we look forward to the delivery of 1factory in each district #ghanaelections #GhanaDecides
— Greenbook Ghana (@greenbook_ghana) December 10, 2016
@GabbyDarko @adano82 miandry fatratra amin'ny fanomezana ilay orinasa iray isaky ny distrika izahay #ghanaelections (fifidianana ghana) #GhanaMisafidy
@bonti_benjamin @amiddleGh we look forward to the 1 dam, 1 village #ghanaelections #GhanaDecides
— Greenbook Ghana (@greenbook_ghana) December 10, 2016
@bonti_benjamin @amiddleGh miandry fatratra ilay tohodrano 1, tanàna 1 izahay #ghanaelections #GhanaDecides
Nampanantena tohodrano hanaovana taridrano ho an'ny tanàna rehetra any amin'ny faritra avaratry ny firenena, ary orinasa iray isaky ny distrika 216 ao amin'ny firenena, i Akufo-Addo, fampanantenana tamin'ny fampielezankevitra izay inoan'ny maro fa tsy ho afaka tanterahana.
Nanao fikarohana tao amin'ny mpifanila vodirindrina amin'i Ghana, Nizeria, ny mpampiasa Twitter Ikon Massive:
Slightly used President for sale. Better still you can take him for free. Nigerians are you interested?#GhanaDecides pic.twitter.com/VV47oSEsNf
— MASSIVE (@IKON_MASSIVE) December 10, 2016
Filoha zara raha nampiasaina, amidy. Tsara kokoa, afaka alainao maimaimpoana izy. Liana ve ianareo ry Nizeriana. ? #GhanaMisafidy
Ny farany, nampahatsiahy ireo Ghaneana i Kinna, tomponandraikitr'ilay tetikasa @GhanaDecides:
In all this #GhanaDecides euphoria, let's remember that elections, though crucial, are a small part of democracy.
— Kinna #GhanaDecides (@kinnareads) December 10, 2016
Ao anatin'ity fientanentanana #GhanaDecides rehetra ity, andao hotsiahivina fa ireo fifidianana, na tena zava-dehibe tokoa aza, dia ampahany bitika ihany amin'ny demokrasia.