- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Andro Niovan'i Bangkok sy ireo Faritany Thailandey Hafa Ho Maitso Tao Amin'ny Google Maps

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Mediam-bahoaka, Tsidika
[1]

Bangkok, renivohitr'i Thailandy, lasa zaridaina maitso tao amin'ny Google Map (27 janoary). Pikantsary avy amin'ny mpanoratra

Manana zaridainam-bahoaka maitso maro i Bangkok, renivohitr'i Thailandy, nefa tsy lehibe tahaka ny faritra maitso hita ao amin'ny Google Maps [2] amin'izao fotoana izao (27 Janoary ).

Gaga ireo mpisera aterineto maro raha nahita fa lasa zaridaina maitso lehibe ao amin'ny Google Map i Bangkok iray manontolo sy faritany manodidina any amin'ny faritra andrefan'i firenena .

Nanantena angamba ny sasany fa  taratry ny famahana olana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ao an-tanàndehibe izay malaza noho ny fitohanan'ny fiara ireo faritra maitso ao Bangkok, kanefa manambara  ny fijerena akaiky kokoa ny sarintany fa misy ny antony nanitaran'i Google Maps ny faritra Natokana ho an'ny Fiainam-biby Thung Yai Naresuan, ny Valan-javaboahary Khao Laem , ary ny Valan-javaboahary Sai Yok .

Ny vohikalam-baovao amin'ny teny anglisy Khaosod no voalohany nitatitra [3] ny fanovana ho ‘maitso’ tao amin'ny Google Maps.

[4]

Maro ireo faritra tao Thailandy no lasa zaridaina maitso lehibe tao amin'ny Google Map. Pikantsary tao amin'ny Google Map avy amin'ny mpanoratra.

Nanontany tena ihany koa ireo mpiseraTwitter hoe nahoana i Bangkok, ilay afovoan-tanàndehibe voalohany ao amin'ny firenena no lasa zaridaina maitso lehibe tampoka :

Nahoana i google map no tena maitso be……eto amin'ny zaridaina ve isika izany sa aiza ?

@googlemaps [7] Inona no nahazo an'i Thailandy ? Lasa “zaridainam-pirenena maitso” ireo faritra malalaka, anisan'izany i BKK [Bangkok]

Oviana isika no nanana ala maro tao Bangkok ? Araka an'i @googlemaps [7] , maitso avokoa na dia i Bangkok aza.

Tamin'ny fotoana nanoratana, mbola maitso avokoa tao amin'ny Google Maps i Bangkok sy ny faritra hafa ao Thailandy;

[12]

Afovoan-tanàndehibe ‘Maitso’ ao Bangkok . Pikantsary tao amin'ny Google Map avy amin'ny mpanoratra .