Manana zaridainam-bahoaka maitso maro i Bangkok, renivohitr'i Thailandy, nefa tsy lehibe tahaka ny faritra maitso hita ao amin'ny Google Maps amin'izao fotoana izao (27 Janoary ).
Gaga ireo mpisera aterineto maro raha nahita fa lasa zaridaina maitso lehibe ao amin'ny Google Map i Bangkok iray manontolo sy faritany manodidina any amin'ny faritra andrefan'i firenena .
Nanantena angamba ny sasany fa taratry ny famahana olana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ao an-tanàndehibe izay malaza noho ny fitohanan'ny fiara ireo faritra maitso ao Bangkok, kanefa manambara ny fijerena akaiky kokoa ny sarintany fa misy ny antony nanitaran'i Google Maps ny faritra Natokana ho an'ny Fiainam-biby Thung Yai Naresuan, ny Valan-javaboahary Khao Laem , ary ny Valan-javaboahary Sai Yok .
Ny vohikalam-baovao amin'ny teny anglisy Khaosod no voalohany nitatitra ny fanovana ho ‘maitso’ tao amin'ny Google Maps.
Nanontany tena ihany koa ireo mpiseraTwitter hoe nahoana i Bangkok, ilay afovoan-tanàndehibe voalohany ao amin'ny firenena no lasa zaridaina maitso lehibe tampoka :
Why google map is so green….. we ‘re in park or something? pic.twitter.com/S7Qe9tapa7
— NOPPADOL 404; (@iSudNop) January 27, 2017
Nahoana i google map no tena maitso be……eto amin'ny zaridaina ve isika izany sa aiza ?
@googlemaps What happened to Thailand? Wast parts of the country including BKK are “National park green”
— Ruth (@thai_republic) January 27, 2017
@googlemaps Inona no nahazo an'i Thailandy ? Lasa “zaridainam-pirenena maitso” ireo faritra malalaka, anisan'izany i BKK [Bangkok]
When did we get so many forests in Bangkok? According to @googlemaps even Bangkok is all green. #DaFuq ? pic.twitter.com/VGAZ1b8Jjl
— Raj Palsingh (@HipsterYogi) January 27, 2017
Oviana isika no nanana ala maro tao Bangkok ? Araka an'i @googlemaps , maitso avokoa na dia i Bangkok aza.
Tamin'ny fotoana nanoratana, mbola maitso avokoa tao amin'ny Google Maps i Bangkok sy ny faritra hafa ao Thailandy;