Mampanahy Amin'ny Fiainana Manokana Tokoa Ve ny Meitu, Fampiharana Selfie Shinoa Malaza?

Donald Trump and Barack Obama beautified by Meitu app.

Donald Trump sy Barack Obama nohatsarain'ny fampiharana Meitu endrika.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Catherine Lai ary navoakan'ny Hong Kong Free Press voalohany tamin'ny 22 Jan. 2017. Navoaka noho ny fifanaraham-piaraha-miasa ny dika eto ambany.

Namely izao tontolo izao ny alimbe, niteraka tahotra amin'ny fidirana amin'ny fiainana manokana ny rindrambaiko Meitu, fikirakiran-tsary Shinoa taorian'ny fanatanterahana karazana fahazoan-dalana tsy mahazatra takiany amin'ny fametrahana azy ho ao anaty finday.

Nanomboka tamin'ny taona 2008 no niasa ity fampiharana finday maimaimpoana, nalaza nandritra ny taona maro tao Shina ity, saingy vao haingana izy no tonga tao amin'ny firenena Tandrefana rehefa nanomboka nampiasa azy hizara sary novaina ho sary tahaka ny sarimiaina ny olona. Niseho vahoaka tao Hong Kong tamin'ny volana Desambra ny orinasa.

Nilaza tamin'ny Hong Kong Free Press i Leo Weese, manam-pahaizana momba ny heloka antserasera fa tokony hitandrina ny mpiserasera mikasika izay fahazoan-dalana ara-piarovana omena rehefa mametraka ny fampiharana :

On iOS and on newer Android versions you can manually choose what is allowed and what not, because the app is – by default – asking for a lot more than it should.

Ao amin'ny iOS sy dika Android vaovao kokoa, afaka misafidy an-tanana izay omena sy tsy omena alalana ianao, satria _ amin'ny fanombohany _ manontany zavatra betsaka tsy araka ny tokony izy

Araka ny hita amin'ny pejin'ny fampiharana ao amin'ny Google Play Store, afaka mitsofoka any amin'ny fitehirizana laharana finday, ny antso natao, ny mombamomba ny asa, ny fiseraserana tamin'ny Wi-Fi, ny torohay momba izay fampiharana hafa ampiasaina, manova ny feo sy ny sisa maro hafa an'ny mpiserasera izy

Nahita ihany koa ilay manam-pahaizana Jonathan Zdziarski fa ny endrika iOS dia manamarina raha efa vaky hidy ny fitaovana na tsia, midika fa afaka mahafantatra izy raha nisy mpiserasera nanitsakitsaka ny fitsipika rindrambaiko napetraky ny rafitra Apple.

Eny, manana fomba fanamarinana isan-karazany ny Meitu mba hahitana raha vaky hidy ny iPhone anao…

Nilaza i Weese:

It’s reasonable to assume that the app would want access to your camera and want access to your storage, but it’s not reasonable why it would want to make phone calls or change your audio settings or why it would want to access the storage of other apps or even know what cellphone carrier you use.

Ara-drariny ny manaiky fa te hiditra ao amin'ny fakantsarinao ny fampiharana ary te hiditra ao amin'ny fametrahan-tahirinao, saingy tsy ara-drariny kosa ny faniriany hanao antso an-tariby na hanova ny mombamomba ny feo na ny antony te hidirany ao amin'ny tahirin'ny fampiharana hafa na koa mahafantatra izay finday ampiasainao amin'ny asa .

Ahiahy hafa ny hoe mety ho fitaovam-pamindrana IMEI — nomerao tokana ahafantarana ny fitaovana tsirairay — mankany amin'ny lohamilina ao Shina, araka ny filazan'ilay milaza tena fa be ahiahy ara-piarovana antsoina hoe “Four Octets.” Nahita ny fikarohana Whois mitady adiresin'ny lohamilina nataon'i Four Octets fa nofain'ny orinasa Hangzhou Alibaba Advertising Co ny lohamilina iray, ary ny roa hafa natokana ho an'ny Forest Eternal Communication Tech, orinasa momba ny tolotra tahiry ao Beijing.

Mba hampahafantatra anao ry namana fa ny fampiharana sary mahatonga anao tahaka ny sarimiaina dia mandefa ny IMEI-nao any amin'ny lohamilina maromaro ao Shina.

Nilaza tamin'ny Hong Kong Free Press ny mpitondratenin'ny Meitu fa manangom-baovao momba ny findain'ny mpiserasera ny fampiharana fa tsy mba vaovao manokana mombamomba ny mpiserasera, lazaina fa manangona ny IMEI ny orinasa mba “hanatsarana ny traikefan'ny mpiserasera” — ohatra, mba ahafantarana ny haben'ny efijerin'ny finday, hoy ilay mpitondrateny. Nampiany ihany koa fa manangona vaovao momba ny toerana misy ny mpiserasera ny fampiharana mba hampisehoana azy ireo ny dokambaratra sahaza, ary mioty ny adireny IP raha sendra misy mpifaninana mijirika ny fampiharan'izy ireo. Hoy izy nanoritra:

We don’t sell the information to anyone else.

Tsy mivarotra torohay na ho an'iza na iza izahay

Nanipika kokoa ny filazana an-gazety hoe:

Meitu DOES NOT share any user information with the Chinese government. User data is sent ONLY to Meitu.

TSY MIZARA vaovao momba ny mpiserasera velively any amin'ny fanjakana Shinoa ny Meitu. Alefa any amin'ny Meitu IRERY IHANY ny tahirin'ny mpiserasera.

Nanoratra i Matthew Garrett, mpikirakira ara-piarovana ao amin'ny Linux fa mitaky ny IMEI-n'ny finday ny ankamaroan'ny fampiharana, hoy izy tao amin'ny bilaoginy:

It’s certainly something to be concerned about, but Meitu isn’t especially rare here – there are big-name apps that do exactly the same thing… Let’s turn this into a conversation about user privacy online rather than blaming one specific example.

Azo antoka fa zavatra mampiahiahy izany, saingy tsy manivaka ny Meitu eto – misy ireo fampiharana goavana malaza manao tahaka izany mihitsy… Andao havadika resaka momba ny fiainana manokan'ny mpiserasera antserasera izany fa tsy ilaozana manome tsiny ohatra iray manokana.

Nilaza ihany koa i Weese fa tsy tokony hiahiahy be loatra ny mpiserasera hoe ampiasain'ny fanjakana Shinoa ny fampiharana mba hamakiana ny varavaran'ny tahirim-pindain'ny mpiserasera. Raharaha fanao mahazatra ny fanangonam-baovao, hoy izy:

I think it’s just a very shady business practice to try to gather as much data as you can without asking for permission, without asking for consent, and this has become a lot more common business practice, especially in places like China.

Mino aho fa raharaha mahazatra tena manjavozavo tokoa izany hoe miezaka manangona tahiry marobe araka izay vitanao kanefa tsy misy fangatahana alalana, tsy misy ny fangatahana fankatoavana, ary lasa raharaha mahazatra tokoa izany, indrindra any amin'ny toerana tahaka an'i Shina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.