Fanontaniana Tao Amin'ny Facebook Nitarika Nakany amin'ny Fanadihadian'ny Polisy ny Filoha

Formerly referred to as "Government House", the image shows a stamp with an illustration of President's House in Trinidad and Tobago, which has been under repair for some years now. Photo by Mark Morgan, CC BY 2.0.

Notondroina taloha ho “Lapam-panjakana”, ny sary dia mampiseho hajia voaravaka sarin'ny Tranon'ny filoha ao Trinidad sy Tobago, trano eo andalam-panamboarana nandritra ny taona maro hatramin'izao. Sary avy amin'i Mark Morgan, CC BY 2.0.

Nivoaka ny vaovao tamin'ny 15 Janoary 2017, fa hanomboka fanadihadiana momba ny filoham-pirenena Anthony Carmona ny polisy misahana ny kolikoly ao Trinidad sy Tobago.

Ity no fizoran-draharaha farany indrindra tao anatin'ny volana maromaro ka nahasarika ny firenena manontolo noho ny vehivavy iray – Rhoda Bharath, mpampianatra eny amin'ny oniversite izay nanery ny filoha tamin'ny alalan'ny fampiasana media sosialy.

Niaiky ny filoha fa nahazo tambin-karama goavana amin'ny trano fonenana kanefa mbola mipetraka amin'ny tranom-panjakana, nefa tsy azo natao izany. Hita voalohany tamin'ny Tatitry ny Mpanamari-bola Ankapobeny momba ny Kaontim-bolam-panjakana taona 2015, nivoaka tamin'ny Aprily 2016 ity tsy fetezana ara-bola ity. Nahasarika olona marobe ny fandaharana mivantana tamin'ny Facebook nataon'i Bharath mikasika ny olana ka voatery nanao fanambarana ampahibemaso ny filoha. Hita taty aoriana fa mifanipaka ny ampahany tamin'ny fanambarany.

Rehefa nitady toro-hevitra tany amin'ny mpitsara zokiolona iray tao amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK), dia nangatahan'i Bharath tamin'ny fomba ofisialy ny polisy hanao fanadihadiana mikasika ny fanomezana tambin-karaman'ny trano fonenana ho an'ny filoha. Araka ny porofo eny amin'i Bharath, nahita i Cathryn Mc Gahey, Mpanolotsain'ny Mpanjakavavy Britanika fa «nisy antony ara-drariny ny fiahiahiana fa nisy ny fahadisoam-pitondran-tena».

Haingana avy hatrany ny polisy namaly ny antson'i Bharath hanao fanadihadiana, saingy tamin'ny 12 Janoary, vao mainka nanitikitika ny vahoaka ny raharaha raha nivory ny Komitin'ny Fitantanam-panjakana sy ny Tetibola  (PAAC) mba hanadihady ny fandaniana natao tao amin'ny biraon'ny filoha. Nijery akaiky ny fizotry ny fanadihadiana i Bharath tenany, nameno ny Facebook-ny tamin'ny fanavaozam-baovao farany.

Tamin'ny fanohizana ny fanerena, nampifandray tati-baovao momba ny lehilahy iray nomena sazy henjana noho ny fangalarana sigara sy toaka i Bharath, tamin'ny fanehoan-kevitra hoe :

If this is what a man get for cigarettes and rum…what we giving people who tiefing we housing allowance $$$$$$$$$????
#StrenkAndPowaz
#Cargona

Raha ity no azon'ny lehilahy iray noho ny halatra sigara sy toaka… inona no omentsika ny olona mahazo tambin-karama trano fonenana tsy ara-drariny $$$$$$$$$???

Taorian'ny fivorian'ny PAAC, nanomboka nihetsiketsika mba hanombohan'ny fanadihadian'ny polisy ny mpiserasera media sosialy hafa – anisan'izany ilay mpanao sariitatra Dion DANE Jennings

Cartoonist Dion Jennings' assessment of the Trinidad and Tobago Police Service's performance when it comes to investigating allegations of financial mismanagement by the country's president. Widely shared on Facebook.

Fanoheran'ilay mpanao sariitatra Dion Jennings momba ny zava-bitan'ny sampan-draharahan'ny polisy ao Trinidad sy Tobago mikasika ny fanadihadiana filazana fanodikodinam-bola nataon'ny filoham-pirenena. Niparitaka be tao amin'ny Facebook.

Tamin'ny 13 Janoary, raha namoaka tantara ny fampahalalam-baovao mahazatra fa nanombatombana tetibola fitsidihany any ivelany mitentina 6,4 tapitrisa dolara TT (eo amin'ny 950 000 dolara amerikana) ny Biraon'ny Filoha – vola be loatra mihoatra ny 1 tapitrisa dolara TT (eo amin'ny 150 000 dolara) noho izay nankatoavin'ny Parlemanta – tafiditra anaty raharaha somary sarotsarotra ny polisy. Roa andro taty aoriana, nambara fa hanomboka ny fanadihadiana izy ireo.

Tezitra ny mpisera Facebook iray, Ja Ffari, “Ela loatra izy ireo.” Mpisera media sosialy hafa, Marvel Mendez, kosa nandray ny fanambarana toy ny marika fa vonona hiady amin'ny heloka bevava “any amin'ny ambaratonga rehetra” ny governemanta.

Somary mifanaritaka ny fanazavan'ny polisy, na izany aza. Nanamafy i Stephen Williams, kaomisera vonjimaikan'ny polisy fa tsy fanadihadiana heloka bevava ity, na dia tarihan'ny Birao misahana ny Fanadihadiana ny Ady amin'ny Kolikoly aza ny raharaha. Fandikan-dalàna heloka bevava ny kolikoly.

Nilaza i Williams fa ny raharaha eto dia resaka hoe “mihoatra noho ny fahefana nomena azy ve ny Manampahefana Lehiben'ny Mpiasa (CPO) , nampiany fa na dia nataony aza, mbola tsy tokony ho fanadihadiana heloka bevava izany, fa kosa «raharaha ho an'ny Komitin'ny Sampan-draharaham-panjakana “, izay manaramaso ny asam-panjakana. Ny CPO no mitarika ny departemantam-panjakana ary mamaritra ny karama sy ny fepetra hafa momba ny asa ary ny fepetra ho an'ny mpiasa eo amin'ny sehatra ara-panjakana. Nilaza ihany koa ny lefitry ny CoP fa «raha vao lasa azo antoka ho an'ny polisy ny mahita fa mikasika ny heloka bevava izany». Hatreto, hoy izy, «tsy mbola nisy ny fivoarana tahaka izany».

Nisalasala ny maro tamin'ireo mpiserasera. Naneho hevitra tao amin'ny Facebook i Gerard Gordon-Toylor:

Hmmm, I wonder if this investigation will finish before the POTT [President of Trinidad and Tobago] leaves office? Has the Ag CoP ever concluded an investigation?! Maybe we can get the next POTT to launch an investigation into that, hmmm, is that one of the powers that the POTT has?
Oh T&T, a tale of woe, corruption, greed, death and disappointment, smh.

Mmm, manontany aho raha ho vita alohan'ny hialan'ny POTT [Filohan'i Trinidad sy Tobago] ny birao ity fanadihadiana ity? Mbola tsy nahavita fanadihadiana ve ny Ag CoP?! Angamba mety hahazo POTT manaraka mba hanomboka ny fanadihadiana izany isika, mmm, iray amin'ireo fahefana ananan'ny POTT ve izany? Oh T&T, tantaran'ny , kolikoly, fitiavam-bola, fahafatesana sy fahadisoam-panantenana, tss.

Tamin'ny 16 janoary, nisy ny tatitra tamin'ny iray amin'ireo gazety mpivoaka isan'andro ao amin'ny firenena izay nilaza fa hita tao amin'ny Tranon'ny Filoha ny asbestos. Nitsahatra tsy nandray tambin-karama ho an'ny trano fonenana i Carmona, izay monina ankehitriny ao amin'ny trano bongo ao amin'ny tanin'ny tranobe, izay nifindra tao tamin'ny 2015. Nanontany i Bharath raha «milaza ny olan'ny fahamendrehana sy ny Tambin-karama ho an'ny Trano Fonenana indray [sy] misakana ny fanadihadiana” ny tatitra

Tao amin'ny Facebook, nandefa taratasy tany amin'ny tonian-dahatsoratra ny mpisolovavan'i Bharath, Justin Phelps, niantso ny fametram-pialàn'i Carmona, nilaza hoe:

Observe the silence of the usual pontificators, the ‘independents’, the intellectuals, the change agents. Where are they? And what credibility could they have going forward if they are silent now?

Diniho ny fahanginan'ny mahazatra, ny “tsy miankina”, ny avara-pianarana, ny mpitondra fanovana. Aiza izy ireo? Ary inona no fitokisana mety azon'izy ireo nirosoana raha mangina izy ireo ankehitirny?

Mandritra izany fotoana izany, niampanga ny governemanta ho miezaka manala an'i Carmona amin'ny toerany alohan'ny fiafaran'ny fe-potoam-piasany ny mpanohitra, ary nampitandrina fa hametraka fitsipahan-pitokisana hanehoana ny “teti-dratsy”. Teo amin'ny governemanta ny mpanohitra raha notokanana i Carmona tamin'ny taona 2013.

Amin'ity vanin-taonan'ny Karnavaly ity, na dia izany aza, raha kalypsoniana marobe no fantatra amin'ny fanehoan-kevitr'izy ireo ara-tsosialy, namoaka hira — “I, Carmona” — ny 2016 Calypso Monarch, Devon Seales, izay azo adika tsara ho filazana ny ahiahiam-bahoaka momba ny raharaha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.