- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Atahorana ny Fahasalaman'i Nasser Bin Ghaith, Mpampianatra Ambony Emirati Arabo Mitambatra Gadraina, Hoy ny Vondrona Mpiaro Ny Zo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Emirà Arabo Mitambatra, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
The Abu Dhabi branch of the Paris-Sorbonne University, where Nasser Bin Ghaith used to lecture. Photo posted by Panorams on Flickr under a creative commons license [1]

Ny sampan'ny Oniversite  Abu Dhabi  Paris-Sorbonne, toerana nampianaran'i Nasser Bin Ghaith. Sary nalefan'ny Panorams tao amin'ny Flickr, nahazoana alàlana avy amin'ny creative commons

Naneho ny ahiahiny mikasika ny fiharatsian'ny fahasalaman'ilay akademika Emirati Arabo Mitambatra sady mpahay toekarena Nasser Bin Ghaith ny vondrona mpiaro ny Zo, izay any am-ponja hatramin'ny volana Aogositra 2015 noho ny fiampangana izay ahitana ny zony hiteny malalaka am-pilaminana.

Ankoatra ireo fiampangana hafa ny fanaovan'i Bin Ghaith “asa feno fankahalana” firenena vahiny tao amin'ny sioka izay mitsikera ny manampahefana Ejiptiana sy ny famoretana [2] nandatsa-drà tamin'ny taona 2013 natao tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nivory tao amin'ny kianja Rabaa manohitra ny fanesoran'ny miaramila ny filoha voafidy Muhammad Morsi.  Nahafatesana sivily miisa 800 mahery ny famoretana, araka ny nolazain'ny HRW Fanaraha-mason'ny Zon'Olombelona . [3]

Nasser Bin Ghaith during a panel discussion on the "geopolitical significance of the Arab Gulf Region" in December 2014. Screenshot from youtube video posted by the Arab Center for Research and Policy Studies. [4]

Nasser Bin Ghaith. Pikantsary avy ao amin'ny lahatsary  YouTube nalefan'ny  Foibe Arabo ho an'ny Fianarana Fikarohana sy Politika .

Nahemotry [5] ny fitsarana ambony ny fitsarana azy [5] tamin'ny Alarobia, izay efa nahemotry ny fitsarana tampony imbetsaka rahateo teo aloha teo ary hatao amin'ny 22 Febroary izany.

Taorian'ny fisamborana azy tamin'ny Aogositra 2015, notazomin'ny manampahefana Emirati Arabo Mitambatra nandritra ny sivy volana sady tsy nahazo nifandray tamin'olona i Bin Ghaith. Nandritra ny fisehoana teo amin'ny fitsarana [6] voalohany tamin'ny 4 Aprily tamin'ny herintaona, nilaza tamin'ny mpitsara izy fa voadaroka sy tsy navela hatory raha mbola tany am-ponja.

Mitohy ny fanitsakitsahana natao tamin'i Bin Ghaith ary miantso fanairana momba ny fiharatsian'ny fahasalamany ankehitriny ny vondrona mpiaro ny zo. Nilaza ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao amin'ny Helodrano tao anatin'ny fanambarana [7] tamin'ny 15 Janoary :

Bin Ghaith is reportedly suffering from serious medical issues that require immediate attention by a specialised doctor, but he is not getting medical treatment while in Al-Sader jail, in the Security Ward. He had faced previous health issues, including tooth pain, which was treated after several weeks. He also was not given his glasses for several weeks. In addition, he has been refused access to winter clothes. Bin Ghaith also suffers from high blood pressure, and is not always given access to his medication. His blood pressure has not been measured for over nine months. He has only been allowed to leave his cell for an hour to walk in the sun, and has been kept in solitary since his arrest in August 2015, except for two weeks.

No phone calls are allowed to his lawyer, and calls to his family are arbitrary, sometimes allowed and sometimes not allowed for weeks.

Voalaza fa miaritra olana ara-pahasalamana lehibe mitaky avy hatrany ny fikarakaran'ny dokotera manam-pahaizana manokana i Bin Ghaith, kanefa tsy nahazo fitsaboana izy raha mbola tao amin'ny fonjan'ny Al-Sader. Efa niatrika olana ara-pahasalamana izy teo aloha, anisan'izany ny areti-nify, izay notsaboina rehefa afaka herinandro maromaro. Tsy nomena ny solomasony ihany koa izy nandritra ny herinandro maromaro. Ankoatra izany, tsy nahazo nitondra akanjo mafana izy nandritra ny ririnina. Miakatra ihany koa ny tosidran'i Bin Ghaith, ary tsy mahazo mihinam-panafody izy. Tsy nojerena ny fiakaran'ny tosi-dràny nandritra ny sivy volana. Ora iray ihany no nomena azy mba hivoahany eny amin'ny masoandro, ary nohidina irery izy hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny Aogositra 2015, afa-tsy roa herinandro .

Tsy navela hiantso ny mpisolovavany izy, ary araka izay maha-diavolana ny fon'ny manampahefana kosa ny famelana azy hiantso ny fianakaviany, indraindray azo atao izany ary indraindray tsy azo atao mandritra ny herinandro maromaro.

Nilaza [8] ny fikambanana tsy mitady tombontsoa Amerikana mpiaro ny Demaokrasia sy ny Zon'olombelona ao Bahrain tamin'ny 17 Janoary:

Dr. bin Ghaith has reportedly also begun to suffer from a serious medical condition that requires prompt treatment from a specialized doctor. Emirati authorities have failed to provide such treatment. In the rare event that Emirati officials have responded to bin Ghaith’s medical needs, they have failed to do so in a timely manner. It took several weeks, for example, for a doctor to examine Dr. bin Ghaith for pain he had experienced in his teeth; authorities have also been inconsistent in their provision of medicine that Dr. bin Ghaith takes to control his blood pressure. Dr. bin Ghaith has alleged that, during his disappearance, security forces tortured him by beating him, depriving him of sleep, and subjecting him to other forms of physical abuse.

Voalaza ihany koa fa manomboka mijaly ara-pahasalamana izay mitaky fitsaboana avy hatrany avy amin'ny dokotera manampahaizana manokana ny Dr. Bin Ghaith. Tsy nanome fitsaboana sahaza azy ny manampahefana Emirati. Tsy manao ny fitsaboana ilaina ho an'i Bin Ghaith ara-potoana ny manampahefana Emirati fa tena mahalana dia mahalana izany. Herinandro maromaro, ohatra, vao misy dokotera mpitsabo nijery ny Dr. Bin Ghaith tamin'ny areti-nifiny; tsy araka ny tokony ho izy koa ny fanafody omen'ireo manampahefana ny Dr. Bin Ghaith amin'ny fifehezana ny tosidràny. Nilaza ny Dr. Bin Ghaith fa nampijalian'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny daroka izy nandritra ny fanjavonany, tsy navela natory, ary nampijaly azy tamin'ny endrika fanararaotana ara-batana maro hafa izy ireo .

Ankoatra izany, samy naneho ny ahiahy  mikasika ny fahasalaman'i Bin Ghaith avokoa ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fahafahana ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra [9] , ny Foibe Iraisam-pirenena ho an'ny Rariny sy ny Zon'Olombelona [10], ary ny Foibe Emirà ho an'ny  Zon'Olombelona [11] .

Miatrika [12] fiampangana dimy i Bin Ghaith, noho ny fanehoana ny heviny an-tserasera ny telo tamin'izany. Eo ambanin'ny andininy faha-29 momba ny Lalànan'ny Heloka an-tserasera an'ny Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny taona 2012 ny sasany tamin'ireo fiampangana, izay manameloka ny famoahana votoaty misy “fikasana fanesoana” na “fanimbana ny lazan'ny” fanjakana na ny mpitondra azy, heloka bevava mahavoasazy hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina. Mifandraika amin'ny sioka [13] iray “nanala-baraka ny fanapahan-kevitry ny Emira Arabo Mitambatra tamin'ny fanomezana tany hanorenana tempoly haindò iray” ity fiampangana ity, araka ny tatitry [14] ny fampitam-baovao tao an-toerana . Mifandray amin'ny rohiny miaraka amin'ny antoko Ummah sy Al-Islah izay nokilasian'ny manampahefana Emirà ho fikambanana “mpampihorohoro” ireo fiampangana roa sisa hafa.

Tamin'ny 18 Janoary, niseho voalohany teo anoloan'ny Fitsarana Federaly Ambony Abu Dhabi i Bin Ghaith, taorian'ny namindrana ny raharahany avy any amin'ny Fitsarana Federaly Tampony araka ny didy hitsivolana vaovao [7] (didy hitsivolana-lalàna 11/2016) izay ahitana fa ny Fitsarana Federaly Ambony amin'izao fotoana izao no miandraikitra ny raharaha mifandraika amin'ny Fiarovam-pirenena. Manome fahafahana an'i Bin Ghaith hampakatra ny raharaha amin'ny hoavy ity fanovana ity, raha toa ka tsy azo anaovana fampakarana intsony kosa ny didy avoakan'ny Fitsarana Tampony ao Emirà Arabo Mitambatra . Na izany aza, mbola ho lava ny fitsarana [12] azy ary tsy hifarana vetivety izany.

Amin'ny fanahiana mety hisian'ny fitroarana tahaka ny Lohataona Arabo ao anaty faritaniny, nanomboka [15] nanao famoretana tsy mbola fahita hatramin'izay tamin'ireo mpanakiana sy tamin'ireo mpikatroka ny governemantan'ny Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny taona 2011. Mbola tsy mifarana ity famoretana ity, satria mbola mampiasa ny tetika fisamborana, fampanjavonana, fisamborana tsy ahazoam-baovao, fitsarana tsy ara-drariny sy fampijaliana ireo izay any am-ponja hatrany ny governemanta.