Zoma 20 Janoary ao Rosia: Fety Hataon-dry Zareo Hanandratana an'i Amerika ho Goavana Indray

Photo: Maria Katasonova / Instagram

Sary : Maria Katasonova / Instagram

Tapitra io Zoma io ny vanimpotoana Obama. Ora vitsy monja mialoha ny handraisan'i Donald Trump an'i Etazonia amin'ny maha-filoha azy, toy ny miaina anaty lanonana fankalazàna ireo mpanohana ilay mpanapitrisa manerana an'i Amerika, miandry amim-pitaintainana ny fanjavonan'ny jadon'ny elatra ankavia, na izay rehetra nanosika ireo olona an-tapitrisa hifidy ilay olon'ny Repoblikana tamin'ny Novambra lasa teo.

Misy fety nomanina tao Maosko, saingy mila voasoratra anarana ao anaty lisitra ianao vao afaka manatrika.

Misy ny fanasàna naely tamin'ny media sosialy tamin'iny herinandro iny, nampahafantatra ireo mpanao gazety ny momba ireo fety karakarain'ny andianà mpanakanto “White Star”, izay ahitàna endrika malaza maro avy amin'ny hetsiky ny tanora mpomba an'i Kremlin.

Araka ny voalazan'ireo mpikarakara, efa nahazo fankatoavana hanatrika ireo lanonana ny mpanao gazety avy amin'ireo trano mpizara vaovao manana ny toerany, isan'ireny ny avy amin'ny CNN, BBC, ABC, The Guardian, The Times, Newsweek, The Associated Press, sy maro hafa.

Fanampin'ny fahana mivantana avy any Washington, toerana hanaovan'i Trump ny fianianany io Zoma io, afaka miandrandra “famelabelarana” miisa roa farafahakeliny ireo mpanatrika ao Maosko : ny iray momba ny “filozofia politika” n'ny “triptych” (finoana iraisan'ny maro fa hoe i  Vladimir Putin, Donald Trump, ary Marine Le Pen no ho mpitondra ny fitantanana vaovao manerana ny tany), ary iray hafa an'i Kirill Benediktov, mpanoratra tantara foronina manana  fifamatorana amin'ny hetsika LaRouche. Vao haingana i Benediktov no nanoratra boky iray mikasika an'i Trump, nomeny lohateny hoe “Black Swan,” izay andinihany ny sasany amin'ireo fepetra fahinin'i Trump teo amin'ny sehatry ny fandraharahàna tany Rosia.

Ny olona tsara bika indrindra rehefa alaina sary, andrasana mandritry ny lanonana fanokanana an'i Trump, dia tsy isalasalàna fa i Maria Katasonova, tovovavy iray 23 taona niasa ho toy ny mpanampy tao amin'ilay lefitry ny Duma-mpanjakàna, Yevgeny Fyodorov, mpanorina ny hetsika faran'izay mpiandany amin'ny havanana milaza fa misy ary toy ny zanatany Amerikana ny Federasionan'i Rosia.

Hita tanaty tafatafa sy sary naverina natontan'ireo trano mpamoaka vaovao erantany i Katasonova, noho ny fiarovana tsy nitandroany hasasarana sy maro loko nataony ho an'i Donald Trump. Tamin'ny volana lasa, nahazo tosika iray hafa taminà dokambarotra izy, fony izy azo sary nandritry ny tafa iray ho an'ny mpanao gazety natao tao Kremlin, nitazona ilay sary taokantony “triptych” maneho an'i Putin, Le Pen, ary Trump, mifanakaiky.

Триптих. #MLP2017 #Marine2017 #LePen #MarineLePen #France #Trump2016 #Trump #Putin #USA #Russia

A photo posted by Мария Катасонова (@katasonovamaria) on

Tamin'ny lohataona lasa teo, nifaninana haka seza iray tao amin'ny Duma-mpanjakàna mihitsy aza i Katasonova, saingy nomontsanin'ilay tompon-toerana.

Noho ny fandresena tsy nampoizina azon'i Trump nanoloana an'i Hillary Clinton, anefa, nahatazona toerana tsy azo tsinontsinoavina tao anatin'ny hetsiky ny tanora mpomba an'i Kremlin i Katasonova, izay matetika manao hetsika ireo mpikatroka ao anatiny mifandray amin'ny governemanta mba hampahatsiahivana amin'ireo mpanohana ny fisian'izy ireo. Ny Zoma miaraka amin'ny filatroan'ireo filaozofy “triptych” ao aminy no angamba ho fampahatsiahivana farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.