- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Latsa-bato Mihoatra Ny Iray Dia Afaka Mandràra ny Fanambadian'ny Ankizy i Trinidad sy Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
Photo: Thinking Development / Flickr / CC 2.0 [1]

Sary: Thinking Development (Fampandrosoana Heverina) / Flickr / CC 2.0

Tsy ho ara-dalàna [2] intsony ao Trinidad sy Tobago ny fanambadian'ny ankizy atsy ho atsy. Lany ny volavolan-dalàna momba ny fehezan-dalànan'ny mariazy, izay nampahafantarin'ny mpampanoa lalàna ao Trinidad sy-Tobago tao amin'ny antenimieran-doholona ao amin'ny firenena, folo andro lasa izay, na dia nisy aza ny ireo loholona mpanohitra efatra (vehivavy ny iray), sy mpifidy tsy miankina iray nisafidy tsy nifidy [3]. Ny sisa rehetra kosa dia manohana ny maro an'isa tsotra mba hahatonga izany ho lalàna, satria mbola handalo ao amin'ny Antenimieram-pirenena [4] ny volavolan-dalàna.

Na izany aza, nandrahona hanao hetsika ara-pitsarana [5] i Sat Maharaj [6], sekretera jeneralin'ny Sanatan Dharma Maha Sabha [7], fikambanana Haindò malaza ambony indrindra ao amin'ny firenena, na ho lany aza ny fanitsiana ny Lalànan'ny Mariazy.

Nanizingizina [3] ny vehivavy tokana tsy nandray anjara tamin'ny latsa-bato tao amin'ny antenimieran-doholona, Khadijah Ameen fa manana ny lanjany ny fomba fijery ara-pivavahana nolazaina [8] tao amin'ny parlemanta “tamin'ny alalan'ny fanendrena vonjimaika solontena roa, ny iray avy amin'ny finoana Silamo ary ny iray avy amin'ny finoana Haindò”: “Notsikeraina ireo fomba fijery ireo kanefa tena marina, anisan'ny fiarahamonintsika ireo ary tsy maintsy manome rivotra iainan'ireo fomba fijery ireo isika. “

Tao amin'ny Twitter, nilaza momba ny fomba fijerin'i Ameen i Tillahwillah, mpiaro ny zon'ny vehivavy izay nandray anjara [9]tamin'ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny vondrom-pikambanana ho amin'ny Fanafoanana ny Mariazin'ny Ankizy tamin'ny 17 Janoary 2017:

Ry namana #KhadijaAmeen [10], ianao no fivonkinan-kozatra ratsy indrindra ao am-bohoka ao amin'ity firenena ity ary maniry aho hiasan'ny kinah ibuprofen aminao.

Marobe ireo mpiserasera mahatsiaro fa midadasika kokoa ny olana fa tsy momba ny mariazy ihany. Mpisera Facebook Skye Hernandez nihevitra hoe [12]:

People, don't think it's only those who are still advocating to keep child marriage on the books that have a problem, eh. Walk in town with a 10-year-old girl and notice how big men look at her. It is disgusting and terrifying. The whole ‘after 12 is lunch’ culture is not only upheld by outdated religious ‘laws’ and their advocates. It's everywhere in this society — open season on women and girls.

Ry olona, aza mihevitra fa ireo mbola miaro ny mariazin'ny ankizy amin'ny boky ihany no manana olana. Mandehana ao an-tanàna miaraka amin'ny tovovavy 10 taona ary mariho ny fomba fijerin'ny lehilahy lehibe azy. Maharikoriko sy mampatahotra. Tsy notazonin'ny “lalàna” ara-pivavahana lany daty sy ny mpiaro azy ireo ihany ny kolontsaina manontolo mifehy ny  “sakafo atoandro ny aorian'ny amin'ny 12″. Fa misy hatraiza hatraiza ao amin'ity fiarahamonina ity izany – vanin-taona misokatra ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy.

Ny “After 12 is lunch” na ( “sakafo atoandro rehefa aorian'ny amin'ny 12″) dia ohabolana midika [13] fa raha vao mihoatra ny 12 taona ny tovovavy iray, dia tsy voafetram-piraisana ara-nofo intsony izy.

Toa mandray anjara amin'ny adihevitra antserasera momba izany olana izany avokoa ny rehetra, anisan'izany ny Praiminisitra teo aloha Basdeo Panday, izay nanamarika tao amin'ny Facebook fa nampahatsiahy zavatra diso tamin'ny mpiserasera sasany ny “resaka tsy misy dikany rehetra mivezivezy “:

Screengrab of image of Basdeo Panday's Facbeook status update. Widely shared on social media. [14]

Pikantsary tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook-n'i Basdeo Panday. Nifampizarana be tao amin'ny media sosialy

Haingana avy hatrany [14] ilay mpisera Facebook Rhoda Bharath namaly ny fanontaniany:

Because marriage is a legal contract and only adults can enter into legal contracts. This point has been made by the legislation and by many present at the debate. Bas baffles me here.
#EndChildMarriageNow [15]

Satria fifanarana ara-dalàna ny fanambadiana ary ny olondehibe ihany no afaka miditra amin'ny fifanarahana ara-dalàna. Voalazan'ny lalàna izany zavatra izany ary maro ireo miresaka momba izany anaty adihevitra. Mahasanganehana ahy i Bas eto.

Keith Francis nanampy hoe [16]:

Bas letting down the side here badly. Badly.
18 is the age of legal responsibility. A body can't sign a document or exercise suffrage until they attain that age. They shouldn't be able to sign a marriage certificate and enter into a legally binding arrangement that ties them to someone for the rest of their lives if they can't even open a bank account on their own.

Adinon'i Bas ity lafiny iray ity. Zava-doza.
18 no taonan'ny andraikitra ara-dalàna. Tsy afaka manasonia fifanarahana ny vatana na mifidy raha tsy feno io taona io. Tsy tokony ho afaka manasonia fanamarinana mariazy izy ireo na miditra amin'ny fifampiraharahana manan-kery ara-dalàna izay mamatotra azy ireo amin'ny olona mandritra ny fiainan'izy ireo kanefa tsy afaka manokatra kaonty any amin'ny banky azy ireo manokana akory.

Mahaliana, mifanohitra [17] amin'ny fomba fijerin'ny mpitarika ara-pivavahana sasany ny fomba fijerin'ny Fikambanam-behivavy Haindò ao Trinidad sy Tobago. «[Nanamafy] ny fitakiany ny vondrona mba hapetraka ho taona ara-dalàna ahafahana mankatoa mariazy ny 18 taona, miaraka amin'ny fehezan-dalàna ho an'ny 16-18 taona ho eo ambanin'ny fanarahamaso sy fampifandanjana henjana »,ary nampiany hoe:

In so doing, we seek to correct the misleading statement made by temporary Senator Basdeo Seetahal in the Senate debate of 11 January 2017.

We have not rescinded our position as he claimed.

Our position, articulated since 2012 in the resolution coming out of the Marriage Act Public Discussions held by the organization that year, is that the Marriage Acts should be updated to reflect the age of consent for sexual relations.

Raha manao izany, mikatsaka ny hanitsy ny fanambarana mamitaka nataon'ny Senatera vonjimaika Basdeo Seetahal tamin'ny adihevitra tao amin'ny  Antenimieran-doholona tamin'ny 11 Janoary 2017 izahay.

Tsy nampihemotra ny fomba fijerinay araka ny nolazainy izahay

Ny fomba fijerinay, nolazaina hatramin'ny taona 2012 tamin'ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin'ny Adihevi-bahoaka momba ny Lalànan'ny Fanambadiana sy notazonin'ny fikambanana tamin'izany taona izany dia tokony havaozina ny Lalànan'ny Fanambadiana mba hifanaraka amin'ny taonan'ny fanekena hanao firaisana ara-nofo.

Tamin'ny taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratra [18] nalefa tao amin'ny tranokala malaza Wired868, nanontany i Alana Abdool raha mifandray amin'ny tahotra manodidina ny fanambadian'ny ankizy “ny kolontsaina diso ara-nofo eo amin'ny tanora”:

Lust, love and sex are all part of a complex dynamic of the fight for power between the sexes. It is unfortunate that marriage is deeply interwoven into this web and usually suffers the fatal blow. […]

The fight for marriage has been age old. The products of the war has seen the creation of a deeply rooted culture of sexism, feminism, misogynism and objectification. […]

The current debate on child marriages has been a morose, crass exchange of rebuttals over the right to grant the child the opportunity to marry or not marry along a subjective morally defined age range—vis a vis a grant of the right to let them know when to lust, love and have sex using foolproof, technically defined, sexualized parameters.

And by the grant of a right to marry, I mean the conditions for a sex license. And by conditions I mean age. And by sex license I mean the Marriage Act. […]

We must be wary that we do not objectify the discussion of the readiness of children for marriage and in so doing, weaken one of the greatest foundation blocks of a society.

There is infinitely more to this debate than the butchering currently being rendered in parliament. There is also infinitely more hypocrisies in what is not being addressed than what is.

Ny fitsiriritana, ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo dia anisan'ny zava-tsarotra amin'ny tolona ho an'ny fahefana eo amin'ny lahy sy vavy. Mampalahelo fa mifaningotra tanteraka ao anatin'ity tranonkala ity ny mariazy ary matetika iharan'ny kapoka mahafaty. […]

Efa ela ny tolona manodidina ny mariazy. Nahitàna famoronana kolontsaina tafalentika lalina momba ny fanavakavahana ara-nofo, ny fiarovam-behivavy tafahoatra, ny fankahalana vehivavy ny vokatr'izany ady izany. […]

Ny adihevitra ankehitriny momba ny mariazin'ny ankizy dia fifanakalozan-kevitra mandreraka sy masiaka amin'ny fanoherana ny zon'ny ankizy ho afaka hanambady na tsia amin'ny sokajin-taona mamaritra fitondratena – manoloana ny fanomezan-jo ahafahan'izy ireo mahafantatra hoe rahoviana vao misy ny fitsiriritana, ny fitiavana, ary manao firaisana ara-nofo amin'ny alalan'ny fampiasana masontsivana azo antoka, ara-teknika tsara sy manaraka ny masontsivana ara-nofo.

Ary amin'ny fanomezana ny zo hanambady, ny tiako lazaina dia hoe ireo fepetran'ny fahazoan-dalana hanao firaisana ara-nofo. Ny taona no tiako lazaina amin'ny hoe fepetra, Ary ny Lalànan'ny Mariazy no tiako lazaina amin'ny hoe fahazoan-dalana hanao firaisana ara-nofo.

[…]

Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanamaivana ny adihevitra amin'ny fahavononan'ny ankizy hanambady ary amin'izany, mampalemy  ny iray amin'ireo andry mampiorina ny fiarahamonina iray.

Mbola misy ny zavatra hafa azo lazaina momba ity adihevitra ity raha oharina amin'ny korontana miseho ankehitriny ao amin'ny parlemanta. Betsaka kokoa ihany koa ny fihatsaram-belatshiny amin'izay tsy resahina hovahana noho izay efa noresahina.

Antenaina tanteraka ho lany ao amin'ny antenimieran'ny parlemanta ny volavolan-dalàna. Raha izany no izy, tsy maintsy mila eken'ny filoha ao amin'ny firenena izany mba ho lasa lalàna.