- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanolotra Ny Lehiben'ny Zava-mahadomelina ho ‘Fanomezana Fanaovam-beloma Farany’ an'i Obama i Meksika

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Etazonia, Meksika, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Fotografía de Day Donaldson, publicada bajo licencia Creative Commons. [1]

Sary: Day Donaldson, nahazoana alàlana avy amin'ny Creative Commons .

Nanambara [2] ny governemanta Meksikana ora vitsy talohan'ny fametrahana amin'ny toerany an'i Donald J. Trump [3] ho filohan’ ny Etazonia faha 45,  fa hamerina an'i Joaquin Guzman Loera [4] , fantatra amin'ny hoe “El Chapo” Guzman, izay karohana araka ny fampiharana ny lalàna Amerikana .

Nosokajiana ho tena jiolahy raindahiny indrindra nokarohina teto amin'izao tontolo izao i “El Chapo” talohan'ny nahavoasambotra azy indray tamin'ny taona 2014 [5]. Tamin'ny Jona 2015, afa-nandositra fanindroany avy ao amin'ny toerana noheverina ho manana fiarovana sarotra izy, izay nampiseho miharihary ny tsy fahatomombanan'ny rafitry ny fonja ao Meksika, ary efa notaterin'ny [6] Global Voices teo aloha izany.

Nitatitra [7] ny vaovao tamin'ny herinandro teo ny tranonkala Meksikana “Animal Político”  izay nanazava izay ho fiafaran'i Guzman:

Fuentes del gobierno federal confirmaron que el Chapo fue trasladado de la cárcel donde estaba recluido en Ciudad Juárez Chihuahua, rumbo a Nueva York, donde será encarcelado en el Metropolitan Detention Center, una prisión federal.

Nanamafy ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta federaly fa nosamborina ao an-tranomaizinatao Ciudad Juarez Chihuahua i El Chapo mba ho alefa any New York, izay hamonjana azy ao amin'ny Fonja Foibe An-tanandehibe, fonja federaly iray ao Etazonia.

Nitaky ny fampodiana [ao Etazonia] an'i Guzman ny manampahefana Amerikana, noho ny fiampangana mifandray amin'ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava hafa.

Nanome soso-kevitra [8] momba ny loharanom-baovao maro mba hahalalana  bebe kokoa ny zava-misy manodidina ilay mpanao heloka bevava ny Sopitas, tranonkala iray hafa any Meksika:

Para tratar de dimensionar al personaje de “El Chapo”, recomendamos ‘Atentamente, El Chapo [9]‘ de Héctor de Mauleón.

Sobre su fuga de 2015 y la tradición muy mexicana de usar a los criminales para criticar al Estado y naturalizar la violencia, recomendamos Los asesinos celebrados [10], de Pablo Piccato.

Por último, sobre “El Chapo” como empresario, recomendamos Chapo Guzmán, CEO [11], de David Pérez Esparza.

Mba hamantarana ny halehiben'ny maha-izy an’ i “El Chapo” vakio ny “Manaja anao, El Chapo [9]” izay nosoratan'i Héctor de Mauleón.

Momba ny fandosirany tamin'ny taona 2015 sy ny fomban-drazana Meksikana amin'ny fampiasana ny olon-dratsy mba hitsikerana ny Fanjakana sy ny fanaovana ny herisetra ho zava-misy mahazatra, vakio Ireo Mpamono Olona Ankalazaina [10], nosoratan'i Paul Piccato.

Farany, raha hijery an'i “El Chapo” ho toy ny mpandraharaha, vakio ny  Chapo Guzman, CEO [11] ,nosoratan'i David Perez Esparza.

Nalaza tao amin'ny Twitter ny tantara taorian'ny tatitra momba ny vaovao famindrana an'i Guzman ho any Etazonia . Nadika eto ambany ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra nozaraina imbetsaka indrindra :

Tsy misy ny fifanandrifian-javatra amin'ny politika. Nahoana i Meksika no mampody an'i El Chapo ora maromaro talohan'ny fanokanana an'i Trump ?

Nampodiana any Etazonia i El Chapo . Eny, iray andro alohan'ny nandraisan'i Trump ny Fiadidiana ny Filoham-pirenena.

Ny sarin'i El Chapo farany tao am-pigadrana talohan'ny nampodiana azy ho any Etazonia.

Araka ny The Washington Post, nanao ny fampodiana ho “fanomezana fanaovam-beloma [17] farany [17] ” an'i Barack Obama ny manampahefana ao Meksika, fa tsy fihetsika midika ho fankasitrahana ny Filoha Trump izany.

Nanao izao fanehoan-kevitra manaraka izao ilay mpisera Twitter Shekizu:

Jiolahy mpanao heloka bevava i El Chapo, kanefa tian'ny olona ao Meksika izy. Raha miresaka momba ny fandratrana ny firenena, ireo mpanao politika eto aminay no tena nandratra indrindra .

Mandritra izany fotoana izany, nahita i Fernando Ferreira fa:

Miaraka amin'i El Chapo, tokony nalain'izy ireo ihany koa ireo rehetra izay tia azy ary manome azy ireo ny fanamelohana ho faty #HoAniMeksikaTsaraKokoa .

Amin'ny maha mpitarika vondrona mitam-piadiana sy lehiben'ny zava-mahadomelina malaza ratsy an'i  “El Chapo” ,  endrik'olo-malaza manana ny anjara toerany amin'ny “Ady amin'ny Zava-mahadomelina” ao Meksika izy, nanomboka tamin'ny filoha teo aloha Felipe Calderón [21] ary notohizan'ny filoham-pirenena amin'izao fotoana izao, Enrique Peña Nieto [22].