Nanolotra Ny Lehiben'ny Zava-mahadomelina ho ‘Fanomezana Fanaovam-beloma Farany’ an'i Obama i Meksika

Fotografía de Day Donaldson, publicada bajo licencia Creative Commons.

Sary: Day Donaldson, nahazoana alàlana avy amin'ny Creative Commons .

Nanambara ny governemanta Meksikana ora vitsy talohan'ny fametrahana amin'ny toerany an'i Donald J. Trump ho filohan’ ny Etazonia faha 45,  fa hamerina an'i Joaquin Guzman Loera , fantatra amin'ny hoe “El Chapo” Guzman, izay karohana araka ny fampiharana ny lalàna Amerikana .

Nosokajiana ho tena jiolahy raindahiny indrindra nokarohina teto amin'izao tontolo izao i “El Chapo” talohan'ny nahavoasambotra azy indray tamin'ny taona 2014. Tamin'ny Jona 2015, afa-nandositra fanindroany avy ao amin'ny toerana noheverina ho manana fiarovana sarotra izy, izay nampiseho miharihary ny tsy fahatomombanan'ny rafitry ny fonja ao Meksika, ary efa notaterin'ny Global Voices teo aloha izany.

Nitatitra ny vaovao tamin'ny herinandro teo ny tranonkala Meksikana “Animal Político”  izay nanazava izay ho fiafaran'i Guzman:

Fuentes del gobierno federal confirmaron que el Chapo fue trasladado de la cárcel donde estaba recluido en Ciudad Juárez Chihuahua, rumbo a Nueva York, donde será encarcelado en el Metropolitan Detention Center, una prisión federal.

Nanamafy ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta federaly fa nosamborina ao an-tranomaizinatao Ciudad Juarez Chihuahua i El Chapo mba ho alefa any New York, izay hamonjana azy ao amin'ny Fonja Foibe An-tanandehibe, fonja federaly iray ao Etazonia.

Nitaky ny fampodiana [ao Etazonia] an'i Guzman ny manampahefana Amerikana, noho ny fiampangana mifandray amin'ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava hafa.

Nanome soso-kevitra momba ny loharanom-baovao maro mba hahalalana  bebe kokoa ny zava-misy manodidina ilay mpanao heloka bevava ny Sopitas, tranonkala iray hafa any Meksika:

Para tratar de dimensionar al personaje de “El Chapo”, recomendamos ‘Atentamente, El Chapo‘ de Héctor de Mauleón.

Sobre su fuga de 2015 y la tradición muy mexicana de usar a los criminales para criticar al Estado y naturalizar la violencia, recomendamos Los asesinos celebrados, de Pablo Piccato.

Por último, sobre “El Chapo” como empresario, recomendamos Chapo Guzmán, CEO, de David Pérez Esparza.

Mba hamantarana ny halehiben'ny maha-izy an’ i “El Chapo” vakio ny “Manaja anao, El Chapo” izay nosoratan'i Héctor de Mauleón.

Momba ny fandosirany tamin'ny taona 2015 sy ny fomban-drazana Meksikana amin'ny fampiasana ny olon-dratsy mba hitsikerana ny Fanjakana sy ny fanaovana ny herisetra ho zava-misy mahazatra, vakio Ireo Mpamono Olona Ankalazaina, nosoratan'i Paul Piccato.

Farany, raha hijery an'i “El Chapo” ho toy ny mpandraharaha, vakio ny  Chapo Guzman, CEO ,nosoratan'i David Perez Esparza.

Nalaza tao amin'ny Twitter ny tantara taorian'ny tatitra momba ny vaovao famindrana an'i Guzman ho any Etazonia . Nadika eto ambany ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra nozaraina imbetsaka indrindra :

Tsy misy ny fifanandrifian-javatra amin'ny politika. Nahoana i Meksika no mampody an'i El Chapo ora maromaro talohan'ny fanokanana an'i Trump ?

Nampodiana any Etazonia i El Chapo . Eny, iray andro alohan'ny nandraisan'i Trump ny Fiadidiana ny Filoham-pirenena.

Ny sarin'i El Chapo farany tao am-pigadrana talohan'ny nampodiana azy ho any Etazonia.

Araka ny The Washington Post, nanao ny fampodiana ho “fanomezana fanaovam-beloma farany ” an'i Barack Obama ny manampahefana ao Meksika, fa tsy fihetsika midika ho fankasitrahana ny Filoha Trump izany.

Nanao izao fanehoan-kevitra manaraka izao ilay mpisera Twitter Shekizu:

Jiolahy mpanao heloka bevava i El Chapo, kanefa tian'ny olona ao Meksika izy. Raha miresaka momba ny fandratrana ny firenena, ireo mpanao politika eto aminay no tena nandratra indrindra .

Mandritra izany fotoana izany, nahita i Fernando Ferreira fa:

Miaraka amin'i El Chapo, tokony nalain'izy ireo ihany koa ireo rehetra izay tia azy ary manome azy ireo ny fanamelohana ho faty #HoAniMeksikaTsaraKokoa .

Amin'ny maha mpitarika vondrona mitam-piadiana sy lehiben'ny zava-mahadomelina malaza ratsy an'i  “El Chapo” ,  endrik'olo-malaza manana ny anjara toerany amin'ny “Ady amin'ny Zava-mahadomelina” ao Meksika izy, nanomboka tamin'ny filoha teo aloha Felipe Calderón ary notohizan'ny filoham-pirenena amin'izao fotoana izao, Enrique Peña Nieto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.