Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maro Ny Matahotra Ho Faty Taorian'ny Firodanan'ny Tranombarotra Lehibe Avo Indrindra Tao Tehran Rehefa Avy Nirehitra

Screenshot of the collapse via Press TV.

Pikantsarin'ny firodanana tao amin'ny Fahitalavitra Press .

Miady amin'ny fahatairana ireo Iraniana taorian'ny  firodanan'ny tranobe avo indrindra tao amin'ny firenena tamin'ny alakamisy maraina rehefa rotidrotiky ny afo.

Efa ho mpamono afo miisa 200 tao Tehran avy any amin'ny toby miisa 10 samihafa no namaly ny voina tao amin'ny Plasco, tranobe foibe fiantsenana iray, manodidina ny tamin'ny 8 ora maraina. Atahorana ho nisy olona namoy ny ainy tao amin'ny firodanana, kanefa mbola tsy nanamafy izany ny manampahefana . Manodidina ny olona miisa eo amin'ny 50 ka hatramin'ny 100 eo no inoana fa raikitra tao anatin'ny faharavan'ny trano .

Naorina tamin'ny taona 1962 i Plasco, ka lasa nanjary fototry ny fifandirana tao an-tanàndehibe satria efa fantatra hatry ny ela ny loza mety ho aterany. Efa nisy fahamaizana talohan'izay ny tranobe

Henika momba ity vaovao ity sy ny sarin'ny zava-nitranga nandrava azy tanteraka ny media sosialy, tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohy #پلاسکو amin'ny teny Persiana, ary #plasco amin'ny teny Anglisy.

Vehivavy iray miangavy ireo mpitazana ny Plasco mirodana mba hanampy amin'ny fikarohana sy fanavotana: “Niady tamin'i (Iràka) ianareo! Aza mandeha mody! Mba ampio re!

Nisioka momba ny valintenin'ny governemanta ny Filoha Hassan Rouhani :

Tena mampalahelo sy mampahonena ny voina nitranga tamin'ny tranobe Plasko. Nanome baiko avy hatrany ny hikarakarana ny maratra, miaraka amin'ny drafitra mba hanonerana ireo niharam-boina sy hamotopototra ny antony nahatonga ny loza ny Minisitry ny Atitany.

Nanasongadina ny sarin'ny mpamono afo mampivarahontsana  toa hita feno fihetseham-po tamin'ny zava-niseho niaraka tamin'ny andalan-tononkalo ny sioka iray nozaraina imbetsaka :

Miaraka amin'ny feo tsy re, toy ny tendrombohitra avo, toy ny torimaso fohy, lehilahy izy , lehilahy.

Nitatitra ny lahatsoratra iray nozaraina imbetsaka tao amin'ny fantsona Telegram malaza ho an'ny tranonkalam-baovao an-tserasera Khabar Online  fa niangona teo an-toerana ny mpitazana maro be ka nahatonga ny famonjena ireo tra-doza ho sarotra.

A widely shared Telegram post on the fire explains that people have gather in such large numbers as spectators that helping the rescue the victims of the collapse has become difficult. Screenshot from Telegram.

Nanazava ny lahatsoratra Telegram nozaraina betsaka miresaka ny fahamaizana fa nitangorona maro be teo ny olona  ka nahatonga ny fahasarotan'ny fanavotana ireo niharam-boina tamin'ny faharavana. Pikantsary avy amin'ny  Telegram.

Sary nivezivezy tao amin'ny media sosialy mampiseho ny tranobe Plasco teo aloha sy taty aoriana:

Fahatsiarovana ny fividianana akanjo manokana sy hazandrano, ankehitriny nirodana izany rehetra izany.

Ny sarin'ny sisa tamin'ny tilikambo manan-tantara #Plasco tao afovoan-tanànan'i #Tehran avy amin'i Mahdi Afrakhteh .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.