Andro Fisaonana ao Kyrgyzstan Taorian'ny Lozam-piaramanidina, Namono Olona Am-polony

Kyrgyzstan's Manas airport in Bishkek. Creative commons.

Seranam-piaramanidina Manas ao Kyrgyzstan, ao akaikin'ny renivohitra Bishkek. Creative commons.

Tao anatin'ny andro fisaonana i Kyrgyzstan tamin'ny 17 Janoary taorian'ny tsy fahombiazan'ny fiantsonan'ny fiaramanidina Tiorka mpitatitra entana tao amin'ny seranam-piaramanidina lehibe indrindra ao amin'ny firenena ny marainan'ny ririnina feno zavona, fa nifaoka tanàna teo akaiky ary namono olona maherin'ny 30.

Lahatsary mampihoron-koditra taorian'ny lozam-piaramanidina izay nifaoka tanànakely tao Kyrgyzstan, ary namono olona 37.

Kyrgyz ao an-toerana avy ao an-tanàna manodidina avokoa ny ankamaroan'ireo maty, ary mahavaky fo ny sasany amin'ireo tantara.

Nifoha ilay zazalahy kely ary nandeha an-tsekoly. Raha vao tonga tany, nisy fiaramanidina nianjera tao amin'ny tranony ary namoy ny ainy ny fianakaviany. Tena mampihorokoditra

Nanome tsiny avy hatrany ny loza tamin'ny mpiasan'ny Airline ACT misahana ny entana ao amin'ny fiaramanidina ny fanjakana, zavatra izay nampisafoaka olona marobe.

Mpanao gazety Anna Lelik nanoratra tao amin'ny Facebook:

На расследование авиакрушений уходят многие месяцы. Наши власти, не найдя еще черных ящиков, без расшифровок, спустя всего лишь несколько часов, умудряются уже публично делать достаточно уверенные заявления о предварительных причинах. Без расследования, на очень высоком уровне, успевают судить о происшествии, которое случилось не в ясную солнечную погоду, а в сильный густой туман (и да, за считанные часы до этого президентский самолет посадили в Тамчы, а не в Бишкеке). Я надеюсь, что по итогам должного расследования будет восстановлена объективная картина и оглашены причины, а всем пострадавшим оказана помощь.

Мои соболезнования семьям и близким всех погибших в последствиях авиакатастрофы около аэропорта “Манас”. Пострадавшим – здоровья и поскорее пойти на поправку. Спасателям и медикам, всем помогающим, спасибо за их работу в такой холод.

Maharitra volana maromaro ny fanadihadiana momba ny fianjeran'ny fiaramanidina. Mbola tsy nahita ny vata mainty ny manam-pahefanantsika, tsy nisy ny fandraketana an-tsoratra, kanefa ora vitsy monja taty aoriana, efa nahavita nanao fanambarana somary mahatoky momba ny antony voalohany izy ireo. Raha tsy misy ny fanadihadiana, ary amin'ny ambaratonga ambony indrindra, nanana fotoana hitsarana zava-nitranga izy ireo, izay nitranga tsy tamin'ny andro mazava, na toetrandro mibaliaka masoandro fa tamin'ny fotoana nahabe zavona matevina (ary eny, ora vitsy taorian'ny [nanerena hiantsonan'ny] fiaramanidin'ny filoha tao Tamchy, fa tsy tao Bishkek [noho ny zavona]. Manantena aho fa hipoitra eo amin'ny fototry ny fanadihadiana madio ny sary tsy mitanila, ary hahazo fanampiana ireo niharam-boina.

Maneho ny fiarahako miory amin'ny fianakaviana sy ny havan'ny niharam-boina rehetra taorian'ny lozam-piaramanidina akaikin'ny seranam-piaramanidina Manas aho. Mirary fahasalamana sy fahasitranana haingana ho an'ny maratra. Misaotra ireo mpamonjy voina sy ny mpitsabo noho ny asanareo rehetra ao anatin'ny toetr'andro mangatsiaka tahaka izao.

Niteraka ny iray amin'ireo ezaka fanentanana lehibe indrindra ao an-toerana teo amin'ny tantaran'ny firenena ny loza. Amin'izao fotoana izao, vola sy entana ny ankamaroan'ny ezaka fanangonam-bola, mikendry ny olona monina ao Kyrgyzstan.

Raha misy fomba fanomezana hafa (Kickstarter, sns) ato amin'ny aterineto, hametraka rohy eo ambanin'ity lahatsoratra ity ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.