Fifaninanana Ara-pitaterana: ny Malesaben'ny Biby Famantarana Japoney sa ny Varavaran'ny Fiaran-dalamby

Hyakumansan Ishikawa

Hyakuman-san. Pikantsary tao amin'ny fantsona Youtube Hot Ishikawa.

Misy ny biby famantarana Japoney iray malaza manana malesabe. Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, tsy afaka niditra tao amin'ny “fiaran-dalamby bala” (haingam-pandeha) Hokuriku i Hyakuman-san, biby famantarana ofisialin'ny prefektioran'i Ishikawa. Nipoitra tamin'ny lohatenim-baovao ity zava-misy mahatsikaiky ity.

Tsy afaka niditra tao amin'ny Hokuriku Shinkansen (lamasinina bala) i Hyakuman-san. Fahadisoam-pamoronana ve izany?

Ny Prefektioran'i Ishikawa dia anisan'ny faritra Hokuriku (“tany avaratra”) ao Japana. Tamin'ny volana Aprily 2015 no nanomboka ny tolotra fiaran-dalamby “shinkansen” haingam-pandeha, mampitohy ny tanàna manda-lapa fahiny Kanazawa ao amin'ny prefektioran'i Ishikawa amin'i Tokyo. Amin'ny maha biby famantaran'i Kanazawa sy Ishikawa azy, dia tokony hitombina kokoa raha afaka miditra ao anaty lamasinina i Hyakuman-san.

Notantaraina tamin'ny fahitalavitra Japoney ny “olana”.

Ngeza loatra i Hyakuman-san ka tsy afaka niditra tao anaty lamasinina bala, na dia ny fandalovana ny vavahady fividianana tapakila aza.

Hyakuman-san tenany dia saribakoly “okiagari” nentim-paharazana misy volom-bava sy tsara endrika, ary noravahana maodely kaga-yuzen nentim-paharazana, mahazatra ao an-tanànan'i Kanazawa sy ny faritra manodidina.

Nandany dimy ora tao Kanazawa aho nitady fahatsiarovana Hyakuman-san hoentiko mody. Eny tokoa, ny zavatra voalohany hitako dia [tsy Hyakuman-san mihitsy], fa Yutaro [biby famantaran'ny paositra ao an-toerana ao Japàna manondro an'i Kanazawa] (꒪ ȏ ꒪)

Tsy nanam-potoana nandehanana tany Wakura Onsen [toerana mafàna malaza izay adiny iray miala ao avaratr'i Kanazawa] ka nankany amin'ny gara aho mba hijery fiaran-dalamby. Be olona be araka ny hitanao ao Kyoto ny filaharana fiara fitateram-bahoaka eo anoloan'ny garan'i Kanazawa.

Azo jerena ao Kanazawa sy ny manodidina ny gara, izay hamalifaliany ireo mpivezivezy ny biby famantarana Hyakuman-san indraindray. Hita tsara ao amin'ity lahatsary ity ny fitombenany ngezabe:

Hyakuman-san ity! Tonga indray izy! Mahatsikaiky loatra! TPT

Na hadisoam-pamoronana na tsia, tsy i Hyakuman-san ihany no biby famantarana manana olana amin'ny fidirana ao anaty fiaran-dalamby na toerana hafa. Mpisera Twitter iray, “Pink Miruku” nanangona sary vitsivitsy mampiseho ny fijalian'ny biby famantarana botabe ao Japana.

Ankafizo ity sary ao Japana mitolona hampiditra ny biby famantaran'izy ireo ao anaty varavarana kely ity

Aza mitsoaka an-daharana mihitsy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.