Nahemotra Ho Amin'ity Taona 2017 Ity Ny Fifanarahana Momba Ny Olan'i Sipra

UN buffer zone, Cyprus. Creative commons.

Faritry ny Firenena Mikambana, Sipra. Creative commons.

Tamin'ny 20 Novambra, nihaona fanindroany tao Mont-Pelerin, Soisa ny Filoha Siprioty Nicos Anastasiades sy ny mpitarika Siprioty Tiorka Mustafa Akinci, mba hiverina hiresaka indray ny olan'i Sipra. Nifarana tsy nisy fifanarahana ny fifampiresahana, izay naharitra roa andro, ary niafara tamin'ny fifanomezan-tsiny teo amin'ny andaniny sy ny ankilany.

Nizarazara ny firenen'i Sipra nanomboka tamin'ny taona 1974, taorian'ny fanafihan'i Torkia nateraky ny fitomboan'ny adim-poko sy ny fanonganam-panjakana tao amin'ny nosy, notohanan'ny fitondrana miaramila nitondra an'i Gresy tamin'izany fotoana izany. Taorian'ny fanafihana, nijanona tao amin'ny nosy ny tafika Tiorka ary nanambara ny tenany ny Repoblika Tiorka ao Sipra Avaratra (TRNC), andrim-panjakana izay i Torkia ihany no mankatoa azy, hitantana ny faritra avaratry ny nosy. Nanomboka teo, tsy dia nisy ny fivoarana mikasika ny fampihavanana ilay nosy Mediteraneana. Nosokajiana toy ny “vintana farany ” ho fahombiazan'ny famahana ny olana ny fifampiraharahana amin'izao fotoana izao.

Talohan'ny ny fivoriana tao Mont-Pelerin, toa samy be fanantenana mikasika izay ho vokatry ny fifampiresahana avokoa ny roa tonta. Talohan'ny nanombohan'ny resaka voalohany, feno fanantenana i Akinci tao amin'ny Twitter:

Ao Soisa 7-11 Novambra, ny tanjontsika dia ny hamaha ny olan'i Sipra amin'ny taona 2016. Hiresaka momba ny sisintany sy ny olana lehibe rehetra mifampiankina amin'izany

Talohan'ny resaka farany indrindra, nizara izany fanantenana izany ihany koa ny Mpanolo-tsaina Manokan'ny Firenena Mikambana ho an'i Sipra, Espen Barth Eide:

Taorian'ny fiatoana herinandro, faly mandray ireo filoha sy ny ekipan'ny fifampiraharahana Sipra tonga hanohy ny fifanarahana indray i #MontPelerin mibaliaka masoandro.

Na dia eo aza ny fanantenana, nifarana tsy nisy fifanarahana vita ny fifampiresahana izay natao hifantoka amin'ny olana ara-tsisintany sy hamoronana sarintany vaovao amin'ny sisintany anatiny hananganana ny federasiona hoavin'i Sipra.

Sipra avy ety an'habakabaka, NASA. Wikimedia, azon'ny rehetra ampiasaina.

Taorian'ny fiaingàna tao Mont-Pelerin, niampanga ny Syprioty-Grika ho misisika amin'ny fitakiana sisintany tafahoatra sy ny olana hafa ny mpitondra tenin'i Akinci. Eny tokoa, naelin'ny olona sasany talohan'ny fifampiresahana mihitsy aza izany fomba fijery izany ary hita tamin'ny  fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy sy ny valinteny tamin'ny lahatsoratra antserasera.

Jereo ity valinteny tamin'ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny Sipra Mail, gazetin'i Sipra mpivoaka isan'andro ity. Niresaka ny faritra Morfou, Saikanosin'i Karpass sy Mesaoria – izay tafiditra ao anatin'ny Repoblika Tiorka ao Sipra Avaratra ny mpiserasera iray “Hasan Cypriot”- ary nanamafy fa “tsy manam-pahataperana” ny fitakian'ny Grika-Syprioty an'ity faritany ity:

No thanks. The endless demands of the Greek side is, did I say, “endless?”
Parts of Morfou, Parts of Karpaz. Parts of Mesaoria Plain. Parts of this parts of that!
Yes, yes, of course!

Tsia fa misaotra. Ny fitakiana tsy misy farany ataon'ny Grika dia, niteny moa aho hoe: “tsy misy farany?”
Ampahan'i Morfou, Ampahan'i Karpaz. Ampahany ao amin'ny Lemak'i Mesaoria. Ny ampahany amin'izany ampahany rehetra izany!
Eny, eny, mazava ho azy!

Etsy andaniny, sahiran-tsaina tanteraka ny Grika-Sypriota noho i Torkia nomena zo hitsabaka ara-miaramila sy hametraka tafika ao amin'ny nosy, izay notakian'ny Tiorka-Syprioty amin'izay rehetra mety ho fifanarahana. Nilaza ny Grika-Syprioty fa mety hanohintohina ny fiandrianan'ny nosy izany.

Ho an'ny Grika-Syprioty sasany mpitsikera ny fifampiresehana, nanamarina ny tombatomban'izy ireo hatry ny ela momba ny toetry ny fifampiraharahana ny zava-nitranga vao haingana. Naneho hevitra momba izany indrindra ny mpisera iray antsoina hoe EntimosKritiss:

Οι συνομιλίες ήταν πάντοτε μια λανθασμένη και προδοτική επιλογή που μοναδικό σκοπό είχε να διαιωνίσει την παραμονή του εχθρού στην κατεχόμενη πατρίδα χωρίς προβλήματα και χωρίς διαμαρτυρίες

Safidy diso sy mampamadika hatrany ny fifampiresahana, izay ny hany tanjona dia ny hampaharitra tsy misy olana na hetsi-panoherana ny fibodoan'ny fahavalo ny firenena [Sipra].

Ankoatra izany, nilaza ny hafa fa ny rafi-pitondrana vaovao natolotra dia hiteraka famoronana “efi-trano, parlemanta sy loholona isan-karazany, manana rafi-pitsipahana tsy azo ivalozana (veto) mitohy” izay hahatonga ny “fanjakana” vaovao tsy ho afa-miasa dieny hatrany amboalohany. Nilaza izy ireo fa tsy tsy misy tombony ho azon'ny Grika-Syprioty mihitsy avy amin'izany ary mety hitarika fandosirana faobe ny nosy. Ireo ahiahy ireo dia ny lahatsoratra avy amin'i Aris Petasis nivoaka tao amin'ny tranonkalan'i Michalis Ignatiou, Grika mpanao gazety Grika no nitondra azy:

οι 5,000+ νέων που πάνε για σπουδές, στην πλειονότητα τους δεν θα επιστρέφουν.

Tsy hiverina ao Sipra ny ankamaroan'ny mpianatra maherin'ny 5.000 izay nandrato fianarana any ivelany.

Nilaza koa ny lahatsoratra fa ny olona mety handao ny firenena dia mety hoe dokotera, injeniera ary mpandraharaha mpanankarena. Heverina fa maniry hiaina amin'ny toerana manana fahamarinan-toerana ireo vondrona ireo fa tsy hiaina ao anatin'ny toe-piainana tsy azo antoka sy faharefoana ara-politika izay mety hisy ao Sipra eo ambanin'ity volavolan-drafi-pitondrana naroso ity.

Ahiahy hafa lehibe ho an'ny roa tonta ny hoe ho afaka hiara-hiaina am-pilaminana ao amin'ny nosy ve ireo vondrom-piarahamonina roa izay efa samy nanana ny fiainany nandritra ny 40 taona mahery ireo. Tamin'ny Novambra 2015, notafihan'ny vondrona mpianatra nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny tsingerintaonan'ny fanambarana samirery ny fahaleovantenany nataon'ny fanjakana Tiorka-Syprioty ny Tiorka-Syprioty roa, zava-nitranga nomelohin'ny Filohan'i Sipra Anastasiades. Ankoatra izany, tamin'ny Mey 2016, Tiorka-Syprioty telo no voalaza fa notafihan'ny vondrona mpitondra môtô Grika-Syprioty. Vao haingana indrindra, nisy ny fanafihana Tiorka-Syprioty mpamily taxi tamin'ny 21 Novambra tao Nikôzia. Raha mbola tsy fantatra mazava kosa na noho ny antony ara-politika ity fanafihana farany ity, nahatonga ny olona sasany hanahy ny mety hisian'ny ady eo amin'ny vondrona roa tonta ny herisetra tahaka izany raha vao tafakambana izy ireo.

Taorian'ny fifampiresahana fihodinana faharoa tao Mont-Pelerin, samy nanaiky ny roa tonta fa hanatrika ny fihaonana an-tampony, izay notontosaina tany Genève tamin'ny 9 ka hatramin'ny 12 Janoary 2017. Ahitana ny Fanjakana Mikambana (UK) ihany koa ny fihaonana an-tampony raha “nasaina kosa ireo antoko voakasika hafa raha ilaina”, araka ny tati-baovao avy amin'ny mpanao gazety Grika manonona ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana ho an'i Sipra, Espen Barth Eide. Fotoana lehibe amin'ny fifampiraharahana ny fihaonambe izay handinihana ny olana lehibe rehetra.

Mbola tsy mazava raha ho taona tsara manoloana ny olan'i Sipra izany na tsia. Toa fotoana tsara mety hahitam-bahaolana ny fifampiraharahana ankehitriny sy ny toe-javatra rehetra miseho. Angamba ho ampahanfatarina amin'ny Grika sy Tiorka-Syprioty amin'ny fiandohan'ny taona manaraka izany. Na izany aza, mba hanekena izay vahaolana misy, tsy maintsy hotontosaina ao amin'ny nosy roa tonta ny fitsapan-kevi-bahoaka roa mitokana. Araka ny nasehon'ny fitsapan-kevi-bahoaka tao Kolombia, Italia sy ny Fanjakana Mitambatra vao haingana, mety mahatonga ny raharaha ho sarotra kokoa tsy tahaka ny nanombohany ny vokatra tsy ampoizina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.