Tsikerain'ny Mpanao Gazety sy ny Media Sosialy Tao An-toerana ny Fitsidihan'ny Filoha Erdogan Tao Mozambika

Recep Erdogan

Recep Erdogan, Filohan'i Torkia. Loharano: Flickr Ofisialy. Azon'ny rehetra ampiasaina

Nitsidika an'i Mozambika mandritra ny roa andro miaraka amin'ny mpandraharaha ara-toekarena miisa 150 ny filohan'i Torkia, Recep Tayyip Erdogan, hanamafy orina ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra amin'ny kaontinanta afrikana. Efa nandalo an'i Tanzania i Erdogan ary hankaty Madagasikara ny 25 janoary.

Sambany no nisy filohan'i Torkia nitsidika an'i madagasikara hatramin'ny nifanaovan'ny roa tonta soniam-pifandraisana ara-diplaomatika tamin'ny taona 1975. Nanao soniam-pifanarahana mbola tsy navoaka ho fanta-bahoaka ny roa tonta. Niangavy tamin'ny [filoha] Nyusi hiady amin'ny fampihorohoroana ihany koa [ny filoha] Erdogan.

Izao fitsidihan'i Erdogan an'i Mozambika izao dia ao anatin'ny fotoana, mampiseho vokatra miiba eo amin'ny lafiny fahalalaham-pitenenana sy fahalalahan-gazety nanaraka indrindra ny fikorontanana ara-politika sy sosialy taorian'ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny volana jolay tamin'ny herintaona i Torkia.

Miaramila, mpampianatra ambony, mpiasam-panjakana, mpanao gazety ary mpanohitra an'arivony no gadraina na tsaraina noho ny filazana fa nandraisany anjara tamin'izany raharaha izany. Tsy nadalo fotsiny imason'ny mozambikana izany toe-draharaha izany, ka niantso ny filoha tiorka izy ireo tsy hanome “lesona” momba ny demaokrasia na fahalalahana mandritra ny fitsidihany.

Avy amin'izany indrindra i Marcelo Mosse, mpanao gazety sady mpikatroka ara-tsosialy no nandefa hafatra ho an'i Erdogan tao amin'ny pejiny Facebook manokana.

Senhor Recep Taiyip Erdogan: Somos uma jovem democracia inacabada mas nossa imprensa é plural e vibrante e a liberdade de expressão é palpável apesar d'algumas derivas sanguinárias. Por isso, não venha cá com lições sobre poder e média. Nisso você é um mau exemplo. Você tem 120 jornalistas detidos e mandou encerrar 150 publicações. Você é um mau exemplo para um país que está cultivando suas sementes de liberdade. Fica longe destes temas, por favor.

Atoa Recep Erdogan Taiyip: Firenena mbola tanora tsy matotra tsara eo amin'ny lafiny demaokrasia izahay, saingy marojery sy mavitrika ny fampitam-baovao aty aminay ary hita mivaingana ny fahalalaham-pitenenana na dia misy aza ny fihoaram-pefy eny ho eny. Koa aza tonga aty amin'ny leson'ny fahefana sy ny fampitam-baovao. Tsy fanka-tahaka ianareo amin'izany. Manana mpampita vaovao miisa 120 nosamborina ianareo sy famoaham-baovao miisa 150 nohidiana ianareo. Ohatra ratsy ianareo ho an'ny firenena mamboly ny voam-pahalalahana. Alaviro anareo ireo lohahevitra ireo, azafady.

Raha namaly an'i Marcelo Mosse ilay mpahay tantara Egídio Vaz ressalta dia nanoritra fa tokony hojerena amin'izay tokony ho tombontsoan'i Mozambika ny fitsidihan'i Erdogan, na inona na inona olana anatin'i Torkia any aminy any. Tao amin'ny Facebook ihany koa no nanoritany ny fifandraisana akaiky eo amin'ny filohan'i Mozambika, Filipe Nyusi, sy ny filoha Tiorka:

Retribuição
Dois Airbus, mais de 150 empresários de verdade e uma agenda carregada. O navio carregado de viaturas particulares ja está no porto de Maputo. Nyusi conheceu Erdogan enquanto ainda candidato a Primeiro ministro, num machimbombo em Ankara. A agenda apertada do então candidato fez com que não sobrasse mais tempo senão conversar num machimbombo em movimento.
Lá Vem ele de novo em sua potência para retribuir o gesto da amizade. Turquia está em África a sério e a fazer negócios.
Erdogan em Maputo.

Setriny
Airbus anankiroa miampy mpandraharaha tena izy miisa 150 manana fandaharam-potoana ety dia ety. Efa tonga ao an-tseranan'i Maputo ny sambo mitondra ny fiara manokana. Efa nihaona i Nyusi sy i Erdogan raha mbola kandidà ho praiminisitra izy, tao amin'ny fiaralava iray tao Ankara no nitrangan'izany. Ny fahaterem-potoana teo amin'ilay kandidà tamin'izany fotoana izany no antony nifampiresahana tao anaty fiaralava ireo teo am-pandehanana.
Eto izy, manana ny fahefana, tonga indray hamaly izany fihetsi-pifankatiavana izany. Tonga amim-pahamatorana eto Afrika i Torkia ary hiresaka fihariana tokoa.
Erdogan eto Maputo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.