- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

The Rising Voices – NewsFrames Mitady Mpitarika Fiarahamonina

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Mitady Mpitarika Fiarahamonina NewsFrames – Rising Voices ny Global Voices (GV) mba handrindra ireo tantara mitohy vaovao ao amin'ny GV mikasika ny fisoloantenan'ny vondrom-piarahamonina atao anjorom-bala amin'ny fitantarana amin'ny fampahalalam-baovao.

Fiarahamiasan'ny NewsFrames – Rising Voices

Ity fiarahamiasa ity dia mikasa hanakambana ny tanjon'ireo sampana roa an'ny GV: Rising Voices sy NewsFrames. Amin'ny alalan'izany fiarahamiasa izany, hiezaka izahay hampihatra ny fitaovana sy ny fahaizana amin'ny fanadihadiana tahiry momba ny olan'ny fisoloantenan'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ny media sosialy.

Rising Voices (RV),  ny hetsika fanentanan'ny GlobalVoices, dia miasa mba hanohana ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika sy tsy voasolotena ka te hilaza ny tantaran'izy ireo manokana amin'ny fampiasana fitaovana an-tserasera amin'ny alalan'ny fanomezana fiofanana, fitaovana, famatsiam-bola madinika ary toro-lalana.

NewsFrames (NF) dia fisantarana andraikitra izay miresaka momba ireo fanontaniana zava-dehibe hatry ny ela teo amin'ny fiarahamonina GV: olana momba ny fanavakavahana amin'ny haino aman-jery, na ahoana na inona antony mahatonga ireo tantara sasany voarakotra tsy tahaka ny an'ny hafa (azo jerena bebe kokoa ato [1] ny momba ny NewsFrames).

Inona no Ataon'ny Mpitarika Fiarahamonina?

Miara-miasa amin'ny ekipan'ny RV sy NF, ny Rising Voices Community Lead no tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny famokarana tantara sy mampiroborobo ny tetikasa eo amin'ireo vondrom-piarahamonina sy vondrona mety ho liana, indrindra indrindra mandritra izany dingana voalohan'ny tetikasa eo amin'ny vondrom-piarahamonina teratany any Amerika Latina izany. Mety hahitana an'ireto ny andraikitra:

Manao tatitra any amin'ny Talen'ny NewsFrames ny Mpitarika, ary hiara-hiasa akaiky amin'ny talen'ny Rising Voices ihany koa. Hiara-hiasa akaiky amin'ireo mpikambana amin'ny fiarahamonina GV ihany koa ny mpitarika, anisan'izany ny newsroom [efitra famoaham-baovao], ny tonian-dahatsoratra ara-paritra sy ara-piteny, ary ny mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo.

Asa tapak'andro izany, ary onerana amin'ny karazana matoan-dahatsoratra GV. Hanomboka amin'ny faran'ny volana Febroary farafahatarany ny asa ary haharitra enimbolana, mety hitarina raha mahafa-po ny vokatra. Ny kandidà ilaina dia:

Tombontsoa ny fananana traikefa amin'ny fanoratana sy fanitsiana lahatsoratra ato amin'ny Global Voices. Hanampy anao ihany koa ny fahalianana sy fahaizana lalina na traikefa amin'ny fanadihadiana tahiry, ary ny traikefa momba ny fikarohana.

Ahoana no fomba handefasana ny fangatahana

Raha liana handefa fangatahana ianao, dia alefaso ny mombamomba anao sy valinteny fohy amin'ny teny Anglisy amin'ireo fanontaniana ireo:

  • How do you define what constitutes a “marginalized community”?
  • What are some challenges you would expect to encounter in writing news stories about marginalized communities, and how would you overcome those challenges?
  • What is it about the NewsFrames-Rising Voices Initiative and Community Lead role that appeals to you?
  • Ahoana no hamaritanao ny hoe “vondrom-piarahamonina voahilikilika”?
  • Inona avy ireo fanamby andrasanao rehefa manoratra tantara vaovao momba ny vondrom-piarahamonina voahilikilika, ary ahoana no fomba handresenao izany fanamby izany?
  • Inona no andraikitry ny Hetsika NewsFrames-Rising Voices sy ny Mpitarika Fiarahamonina mahafinaritra anao?

Mba hanekena ny fangatahanao, alefaso malaika any amin'ny newsframes [ao amin'ny] GlobalVoices [teboka] org hatramin'ny 27 Janoary (11:59 EST hariva Ora Atsinanana Mahazatra) miaraka amin'ny lohateny: “NewsFrames-Rising Voices Community Lead application” ny fangatahanao.

Tianay hanomboka tsy tara amin'ny faran'ny volana Febroary ny asa. Raha manana fanontaniana ianao, aza misalasala mandefa izany mivantana any amin'ny adiresy mailaka eo ambony.