Lavin'i Rosia Ny Fanangonambola Ataon'ny Isam-batanolona Hanohanana Politika

Russian opposition leader Alexy Navalny

Alexei Navalny, mpitarika ny fanoherana Rosiana. Sary: Wikimedia.

Tamin'ny Alatsinainy, nanambara ny Yandex.Money, ilay kitapombola ety anaty aterineto fa mety hampitsahatra ny fahafahana mamindra vola ety anaty aterineto ataon'ny isam-batanolona ho an'ny resaka politka mba hanarahana ny lalàna Rosiana momba ny fifidianana—fanapahankevitra iray heverin'ny maro ho famotehana an'i Alexei Navalny mpitarika ny mpanohitra, izay mampiasa ilay tolotra hanangonana vola ho an'ny fampielezankeviny amin'ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018.

Ny Alatsinainy tolakandro,  tao anaty lahatsoratra iray navoaka tamin'ny bilaogy, nosintonin'i  Navalny ny saina ho aminà imailaka iray nalefan'ny Yandex.Money tamin'ny 20 Janoary ho an'i  Leonid Volkov, talen'ny fampielezankeviny no sady ny anarany rahateo no nanokafana ny kaonty Yandex.Money ho an'i Navalny. Ao anatin'ilay imailaka, nampitandrina ny Yandex fa ny famindràna vola ataon'ny isam-batanolona ho an'ny resaka politika dia manitsakitsaka ny lalàna Rosiana momba ny fifidianana.

Ilay imailaka nalefan'ny Yandex.Money ho an'i Leonid Volkov.

Raha nanoratra tety anaty serasera, nosoritan'i Navalny ho fampielezankevitra misotasota ataon'ny fanjakàna mba hanimbàna ny fahafahany manangona vola hanaovana fampielezankevitra io :

История моего сбора средств на общественные и политические проекты — это и история о том, как ФСБ, МВД, администрация президента, ЦБ и прочее жульё пытается запретить в России сбор средств на такие проекты.

Ny tantaran'ireo andiana fanangonana vola nataoko ho anà tetikasa sivily sy politika—dia tantaran'ny fomba ataon'ny FSB [Sampan-draharaha Federaly momba ny Fiarovana], ny MVD [Ministeran'ny Atitany], ny filohan'ny Banky Foibe, ary ireo hafa mpanao an-keriny nanandrana ny handràra ny fanangonana vola ho an'ireny tetikasa ireny teto Rosia.

Noteren'ny Banky Foibe ny Yandex.Money, hoy ilay mpitarika ny fanoherana, mba hanakana amin'ny fomba rehetra azo atao ireo fanomezana ho an'ny kaontin'i Volkov, mba hampandringa ny firotsahan'i Navalny ho filohampirenena amin'ny 2018.

Raha niresaka tamin'ny tranonkala  TJournal, nolazain’ny sampana mpifandray amin'ny gazety ao amin'ny Yandex.Money fa ny lalàna Rosiana no mitaky amin'izy ireo “hametra ny fampiasàna ny kitapombola elektronika tsy ho ampiasaina amn'izay fomba mety ho heverina fa tsy mazava eo anatrehan'ny lalàna,” raha tsy izany dia ilay orinasa no mety hizaka ny andraikitra araka ny lalàna. Lazain'ny Yandex fa tsy maintsy miasa mampihena ny mety hisian'ny fahavoazana ho azy sy ho an'ireo an-tapitrisa mampiasa azy izy:

Мы приняли решение изменить условия пользовательского соглашения и внести пункт, ограничивающий сбор средств на кошелек в политических целях. Это ограничение — стандарт для рынка электронных платежей.

Изменения будут размещены на сайте в ближайшие дни. С момента публикации это требование вступит в силу. Несогласие с изменением оферты, согласно п.12.4, означает отказ от использования кошелька.

При этом фонд-юрлицо по-прежнему может использовать «Яндекс.Кассу» для сбора пожертвований от частных лиц в любых объёмах.

Noraisinay ny fanapahankevitra hanova ny fepetra faneken'ireo mpampiasa anay, tamin'ny fanatsofohana andalana iray izay mametra ny fanangonana vola ho an'ny resaka politika. Fenitra ho an'ny tsenan'ny fandoavana vola amin'ny fomba eletronika io fameperana io.

Ho avoaka ao amin'ny tranonkalanay ato anatin'ny andro ho avy ireo fiovàna ireo. Vantany vao tafavoaka izy ireny dia hanan-kery avy hatrany. Ny fandàvana tsy hanaiky ireo fanovàna ao amin ‘ny andàlana 12.4 dia midika fa tsy ho afaka hampiasa intsony ilay kitapombola ilay mpampiasa.

Ireo fikambanana ara-dalàna anefa dia ho afaka hitohy hampiasa ny Yandex.Kassa handraisana vola avy amin'olontsotra, na ohatrinona na ohatrinona.

Noho ny tsy fahafahany manangona vola intsony avy amin'ilay mpitantana ny fampielezankeviny, vinaina ho afaka manangona fanomezana ihany i Navalny amin'ny alàlan'ilay fikambanany tsy mikatsaka tombontsoa, ny Anti-Corruption Foundation (fikambanana manohitra ny kolikoly), ary amin'ny fampiasàna tolotra hafa : Yandex.Kassa. Indrisy anefa, ho an'ilay fampielezankevitra, tsy voasoratra ao Rosia ho toy ny fikambanana politika io vondrona io, sakana ho azy tsy ho afaka hitàna anjara toerana amin'ny fampielezankevitra politika ho an'i Navalny, hoy i Volkov tamin'ny TJournal.

Vantany vao miditra hanan-kery ilay politika vaovaon'ny Yandex, ny hany làlana iray sisa tavela mba handefasana vola ho an'ny fampielezankevitr'i Navalny amin'ny fifidianana ho filohampirenena dia ny PayPal, izay ahafahan'ny olona rehefa manerana izao tontolo izao, tsy ifidianana zompirenena, mandefa vola mivantana amin'i Volkov. Amin'izao fotoana izao, tsy misy mihitsy filazàn'ny Paypal hoe maminavina ny hametraka fameperana ireo tolotra arosony ao Rosia ilay orinasa manana ny foibeny any Kalifornia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.