- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerikana Iray Mpitety Tany Mampiseho Ireo Sary Taloha Tamin'ny Taompolo 1970 Misy An'i Hiroshima sy i Japana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara
Hiroshima 1973

Fanorenam-ponenana tsy ara-dalàna, na fari-bohitra maloto, miorina manaraka ny Tetezana Aioi avy ao avaratr'ilay antsoina hoe “Lohalambon'ny Baomba Atomika” ao Hiroshima, nanodidina ny taona 1972. Sary avy amin'i Larry Rosensweig [1]. Nahazoana alalana.

Rehefa avy nahita ny harena an-tsary sarobidy nalaina 40 lasa mahery izay, dia nanangana bilaogy manome topi-maso tokana amin'ny fiainana nandritra «ny fahagagana Japoney», tamin'ny fanorenany ny tenany indray taorian'ny Ady Lehibe Faharoa ny lehilahy Amerikana iray.

Mampiseho ireo sarin'i Larry Rosensweig sy ny voasoratra tanaty diary nandritra ny fotoana nandalovany tao Japana tamin'ny faramparan'ny taompolo 1960 sy ny fiandohan'ny taompolo 1970 ny bilaogy “Larry in Japan 40 Years Ago [1]” na “Larry ao Japan 40 Taona Lasa izay [1]” :

In 1968-69 I lived in Sendai, Japan, as a Rotary Exchange Student at Ikuei Gakuen High School. In 1973-74 I lived in Hiroshima and worked for a company, then called Mazda Unyu, which transported Mazda vehicles and auto parts. I kept a journal both times, recently rediscovered along with some black-and-white negatives that had been stored away in a box for decades.

Tamin'ny taona 1968-69, nonina tao Sendai, Japana aho, amin'ny maha Mpianatra Ifanakalozan'ny Rotary ahy tao amin'ny Sekoly Ambony  Ikuei Gakuen. Tamin'ny taona 1973-74, nonina tao Hiroshima aho ary niasa tamin'ny orinasa, nantsoina hoe Mazda Unyu, izay nitatitra fiara Mazda sy fitaovana amin'ny fiara tamin'izany fotoana izany. Nihazona diary aho nandritra ireo fotoana ireo, ary nahita vao haingana indray izany miaraka amin'ireo negatifa sasany amin'ny sary fotsy sy mainty notehirizina tao anaty boaty nandritra ny taona maro.

Larry Rosensweig no tale mpanorina ny Mozea Morikami sy ny Zaridaina Japoney [2] ao Delray Beach, Florida. Hatramin'ny andro naha mpianatra nifanakalozana azy efapolo taona mahery izay, Noravahana mariboninahitra Masoandro Miposaka sy Tara-bolamena miaraka amin'ny Rosette ao Japana i Rosensweig [3] noho ny fandraisany anjara tamin'ny fahatakarana ny kolontsaina Japoney teo amin'ireo Amerikana.

Nalaina nandritra ny fotoana nijanony tao Hiroshima tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1970 ny sasany amin'ireo sary mandona indrindra an'i Larry. Tamin'ny lahatsoratra  bilaogy iray, nizara andian-tsary misy ny fanorenam-ponenana tsy ara-dalàna [4] na fari-bohitry ny mahantra niorina tao afovoan'ny tanàna taorian'ny fidarohana baomba atomika sy ny fiafaran'ny ady i Larry.

Mr. Toda [in whose house I was living] explained that the area had been government land into which people moved after the war. At the time no one could have begrudged anybody's converting unused land into badly-needed shelter. However, once established there it became impossible to evict people from their shacks and they remain to this day.

Nanazava Andriamatoa Toda [izay niantranoako] fa tanim-panjakana ny faritra taloha ary nifindra tao ny olona taorian'ny ady. Tamin'izany fotoana izany, tsy misy olona manaikinaiky fotsiny izao ny tanin'olona tsy nampiasaina ho toeram-pialofana tsy araka ny tokony ho izy izany. Na izany aza, vao tafapetraka tao ireo olona ireo dia nanjary sarotra ny nandroaka ny olona ao amin'ny tranon'izy ireo ka nijanona tao ry zareo mandraka ankehitriny.

hiroshima 1973

Fanazavana: “Ny zavatra hitako dia trano kely marobe tery loatra tsy mampino, feno fako tsy noraofina, lamba mihahy, bisikileta samihafa, kodiarantelo ary fiara simba.” ary avy amin'i Larry Rosenweig [1]. Nahazoana alalana.

Afaka mijery sary betsaka misy an'i Hirsoshima, miaraka amin'ny fanehoan-kevitra ianao ato [4].

Nandefa sary sasany mahafinaritra misy ny fiainana am-birao ao Japana ihany koa i Larry raha niasa tamin'ny orinasam-pitaterana misahana ny fitaterana an-tsambo manokana ireo fiara vaovao vita nalefa manerantany. Nahazo ny asa tamin'ny alalan'ny fifandraisana tamin'ny fianakaviana izy:

Eizo Toda, the father of an exchange student (Sekio Toda) who had lived for several months with my parents offered me a low-level, part-time job with his company, then called Mazda Unyu Hiroshima, whose primary business was transporting Mazda cars, trucks and parts both domestically and internationally.

Nanome asa ambaratonga ambany, sy tapak'andro ho ahy tao ao amin'ny orinasany, nantsoina hoe Mazda Ynyu Hiroshima, izay misahana ny fitaterana fiara, kamiao Mazda sy kojakoja amin'ny fiara ao amin'ny firenena sy manerantany i Eizo Toda, rain'ny mpianatra (Sekio Toda) nifanakalozana tamiko niara-nipetraka tamin'ny ray aman-dreniko nandritra ny volana maromaro.

Tao amin'ny bilaoginy, nampiditra sombiny tamin'ny diary notehiriziny nandritra ny fotoana nijanonany tao Japana tamin'ny fiandohan'ny taona 1970 i Rosensweig. Tamin'ny lahatsoratra bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Ny Androko Tamin'ny Niasa Tao Hiroshima [5],” mamaritra izany hoe miasa amin'ny birao Japoney tamin'ny andro talohan'ny nisian'ny solosaina izany izy:

working life in Japan in 1973

Fanazavana: “Inoue mamoaka karatra.” Sary avy amin'i Larry Rosenweig. Nahazoana alalana. [1]

The Gyomuka’s main job involved organizing the actual shipments of vehicles and parts. In a time just before computers took over this kind of work, it required a fair amount of labor to ensure that a specific vehicle moved efficiently from Toyo Kogyo’s Mazda assembly line to a ship headed for the port in the United States or elsewhere that would get it to the consumer or dealer who had ordered it. Every day Inoue-san mesmerized me as he shuffled and sorted cards representing vehicles.

Ny tena asan'i Gyomuka dia ny fikarakarana ny fitaterana an-tsambo ireo fiara sy ny kojakojany. Tamin'ny fotoana antomotry ny nidiran'ny solosaina tamin'ity karazana asa ity, nitaky asa goavana izany mba hiantohana fa tafafindra tsara niala tao amin'ny magazain'ny Mazda avy ao Toyo Kogyo ka tafiditra tao amin'ny sambo hiantsona any amin'ny seranan-tsambon'i Etazonia na any an-kafa handehanany any amin'ny mpanjifa na mpivarotra nanafatra azy ny fiara iray manokana. Nambabo ahy isan'andro i Inoue-sam rehefa manafangaro sy manapongatra karatra mampiseho fiara.

Naka sary ny diany tao Japana nandritra ny taona 1972 sy 1973 ihany koa i Larry, raha nitety ny nosy lehibe efatra tao Japana: Kyushu, Honshu, Shikoku, ary Hokkaido.

Azonao jerena ato izany sary rehetra izany [6]. Eto ambany kosa ianao mahita ny sary narakitr'i Rosensweig teny amin'ny tanàna amoron-dranomasina akaiky ny tanimbary voalamaka ao Shiroyone Senmaida [7] malaza, ao amorontsiraka avaratra-andrefan'ny Saikinosy Noto:

Noto Peninsulas, 1972.

Fanazavana: “Satria nandalo tao atsimo sy andrefana manerana ny moron-dranomasin'i Japana aho, nandany fotoana nandeha tongotra ny tenako tao amin'ny Saikinosy Noto ao amin'ny Prefektioran'i Ishikawa izay nahitako ity vohitra kely mitokamonina ity , morontsiraka be vato mahafinaritra, sy tanimbary amoron-dranomasina.”  Sary avy amin'i Larry Rosenweig. Nahazoana alalana. [1]

Mampiseho votoaty isan-karazany tamin'ny fotoana nijanonany tao Japana ny bilaogin'i Larry [1], anisan'izany ny andro nahazoany fehikibo mainty tamin'ny judo [8], sy ny zavatra hitany tamin'ny fahazazana tao Hiroshima [9].2