- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fomba Vaovao Famoahana Tapakila Nanorisory Ireo Mpankafy Fialam-Boly Fetibe Tao Trinidad

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
A portion of the crowd at OVO Fest, featuring Machel Montano, with special guests Sean Paul and Kes, at TD Echo Beach in Toronto. Photography by Charito Yap for The Come Up Show, used under a CC BY 2.0 license. [1]

Ampahany tamin'ireo vahoaka tao amin'ny Fetibe OVO, manasongadina an'i Machel Montano, miaraka amin'ny vahiny manokana Sean Paul sy Kes, tao amin'ny Tora-pasika TD Echo any Toronto. Sary : Charito Yap ho an'ny Fampisehoana Hoavy , nahazoana alàlana CC BY 2.0 license.

Toa nahasorena ireo mpankafy Fetibe [2] ao Trinidad sy Tobago maro ny Fetibe goavana malaza iray. Mety mieritreritra angamba ireo mpikarakara ny Soaka 2017, izay hatao amin'ny 29 Janoary [3] ho avy izao, fa maranitra an-tserasera izy ireo amin'ny fitakiana ireo mpifety handalo dingana andiany dimy [4] rehefa mividy tapakila, kanefa mandona ny sasany ilay fomba arahina izay mifantina ny sangany sy mpanavakavaka, laza [5] izay niadian'ny mpisehatry ny fanaovan-danonana tao an-toerana nandritra ny taompolo maro horavaina.

Namoaka [6] ny fepetra fividianana ny tapakila tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Diarin'ny Fetibe ao Trinidad, loharanom-baovao azo antoka amin'izay rehetra mifandraika amin'ny Fetibe, nanontany hoe: “Amin'ny ankapobeny, mitovy amin'ny fangatahana VISA ve ny fividianana tapakila Soaka ?!”:

The five-step process; shared on the Trinidad Carnival Diary Facebook page. [6]

Ny dingana andiany dimy; nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Diarin'ny Fetibe ao Trinidad .

Na dia ny hanakana ireo mpanao risoriso aza no anton'izao dingana vaovao izao, tsy ny mpisera amin'ny aterineto rehetra akory no nividy izany. Naneho hevitra [7] i Jason All Caps Best-Mitchell mpisera ao amin'ny Facebook hoe :

This has nothing to do with reducing scalping! There are easier, less DISCRIMINATING ways to cut out the Scalpers. It'll still ram out because Trinis like to be with the ‘In’ crowd or ‘in’ fete.

Tsy misy ifandraisany amin'ny fampihenana ny risoriso izany ! Misy ny tsotsotra kokoa, tsy dia MIZAHA TAVAN'OLONA mba hanakanana ny mpanao risoriso. Mbola hisy ny fisisihana satria tia ‘Anaty’ vahoaka na ‘anaty’ fety ny Trinidadiana.

Nanana fanehoan-kevitra mifanohitra [8] amin'izany tanteraka ny mpividy hafa:

I think Adrian [Scoon, the event's promoter] is a genius! Get rid of scalpers and fruads! #Soaka2017 [9]
I will be there!

Mino aho fa lalin-tsaina i Adrian [Scoon, mpampiroborobo ny hetsika ]! Ailiho ny mpanao risoriso sy hosoka! #Soaka2017 [9]
Ho avy any aho!

Raha ny zavamisy, nanazava [10] tao amin'ny pejiny Facebook i Scoon fa ” nahatsikaritra tapakila betsaka tamin'ny hetsika matetika miverimberina ny nandafosana azy/natao risoriso any amin'ny varo-maizina mandritra ny fotoana niainan'ny Soaka”:

This has two major negative effects.
1. You the customer will end up paying double and sometimes triple the amount of the original price of the ticket to attend the event.
2. These tickets are sometimes channeled into the hands of pick-pocketers who wish to come to the event and steal the belongings of honest paying patrons. eg phones, wallets, car keys etc.
This new process (facial recognition) will help us attempt to eradicate these issues, as the ticket cannot be resold on the black market.
It will also help us to keep a database and better know and understand our patrons.

Manana fiantraikany ratsy lehibe roa izany .
1. Hiafara amin'ny fandoavanareo mpanjifa avo roa heny, ary indraindray mandoa avo telo heny noho ny tena vidin'ny tapakila izany hanatrehana ny hetsika.
2. Tafalatsaka any am-pelatànan'ny mpangaro-paosy ireo tapakila ireo indraindray nefa izy ireny maniry ny hanatrika ny hetsika mba hangalarana ny fananan'ny mpividy marina. Ohatra finday, poketra, fanalahidin'ny fiara sns
Hanampy antsika amin'ny ezaka famongorana ireny olana ireny ity dingana vaovao (famantarana endrika ) ity satria tsy azo amidy fanindroany intsony eny amin'ny varo-maizina ny tapakila.
Manampy anay hitahiry ny angondrakitra sy hamantarana tsara kokoa ny mpividy sy ny zavatra tadiaviny ihany koa izany.

Nanome toky ireo mpividy i Scoon fa, raha te hanome ny tapakilany ho an'ny olon-kafa izy ireo, dia manaiky ny mpikarakara. Toa hita fa natao mba tsy hanahirana ny mpamonjy fety ihany koa ny antony hafa nahatonga ity fomba vaovao ity, izay afaka misoratra anarana hanatrika ny lanonana na amin'ny alalan'ny Facebook na amin'ny alalan'ny Google.

Ho an'i Keisha Sirjuesingh-Salandy,  azo antoka fa efa nampoizina [11] ny zavatra hiseho:

I know ppl who made money consecutively from the resale of their Soaka tkts this right here had to happen

Mahafantatra olona mahazo vola avy amin'ny fivarotana fanindroany ny tapakila Soaka aho ary tsy maintsy hitranga izao.

Na izany aza, tsy resy lahatra ny mpiseran'ny media sosialy sasany . Namaly [12] i Teneille Padia hoe :

I understand what they r trying to do but I am not that desperate to go any party

Takatro ny tian'izy ireo hatao nefa tsy ireo maniry fatratra ny handeha fety isak'izay mihetsika aho

Nanampy [13] hoe i Keevan L:

Soaka 2017 will show you that your heart could be stink once your face nice

Hampiseho anao ny Soaka 2017  fa mety ho ratsy ny fonao rehefa miramirana ny  tavanao

Mazava ho azy fa tsy ela dia nanomboka ny hatsikana. Namoaka ity valinteny ity [14] tao amin'ny pejiny Facebook ny orinasa mpanao labiera malaza iray ao an-toerana :

carib

Namazivazy i Mark Lyndersay, mpaka sary, fa mety ho hevitra tsara ny hitalaho hanome tolotra [15] ireo te-ho-mpividy:

Contact me to improve your chances of attending Soaka. #hotprofilepixforsoaka [16] Don't play the fool with some bathroom selfie when you could be on the shortlist for VVIP.

Antsoy aho hanatsarana ny erijikanao hanatrika ny Soaka. #hotprofilepixforsoaka [16] Aza miadaladala manao selfie ao amin'ny efitra fandroana raha mety ho ao amin'ny lisitry ny VVIP [Olona tena manandanja indrindra] ianao.

Matetika misaratsaraka amin'ambaratonga “VIP” samihafa arakaraka ny vidin'ny tapakila ny fety, ny fampisehoana ary ny hetsika samihafa rehetra ao Trinidad sy Tobago, amin'izany no handoavan'ny mpanatrika vola (betsaka) amin'ny sara tokana hahazoana ny zava-drehetra, eny fa na dia ny sakafo sy zava-pisotro aza.

Mandritra izany fotoana izany, nanoro hevitra [17] ireo tia mijery fety ilay mpisera Facebook Mel Lissa mba hanao ny safidiny:

Go where yuh could go without problems… Why we beating up?
Lime 2017 – US500
Beach House -sold out
Soca Brainwash – sold out
Tribe – sold out
Soaka – a whole new khaki pants!

Mandehana amin'izay alehanao tsy hahitanao olana … Inona no iadiantsika e?
Voasary makirana 2017 – 500 dolara
Trano eny amin'ny Tora-pasika  – efa lafo
Soca Fanasana Atidoha – efa lafo
Tribe – efa lafo
Soaka – pataloha kaki vaovao iray manontolo !

Na dia teo aza ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera, tsy nisy fiantraikany ara-barotra ny rafitra vaovaon'ny famoahana tapakilan'ny hetsika  –  voalaza fa efa lafo avokoa [18] ny tapakila Soaka 2017.