- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zanaka Lahin'ny Filoha Tajik, 29 Taona, Lasa Ben'ny Tanànan'ny Renivohitra

Sokajy: Tajikistan, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Presidential palace in Dushanbe.

Lapan'ny Filoha any Dushanbe. Creative commons [1].

Manohy manakatra tanjona ambonimbony vaovao ihany i Rustam Emomali, 29 taona, zanaka lahin'i Emomali Rakhmon, filohan'i Tajikistan, Sovietika teo aloha, izay mitazona tanteraka ny fahefàna, amin'ny zotrany izay mahafanina tokoa : lasa [2] ben'ny tanànan'i Dushanbe renivohitra izy ankehitriny.

VAOVAO MAFANA: Miakatra ambonimbony hatrany, lasa ben'ny tanànan'i Dushanbe i Rustam Emomali.

Ny 12 Janoary, nisolo an'i Mahmadsaid Ubaidulloev teo amin'ny toerany i Rustam, izay tomponandraikitra fahiny tao aamin'ny sampana miady amin'ny kolikoly ao amin'ny firenena — any amin'ny laharana [5] Faha-136 amin'ireo firenena 168 i Tajikistan amin'ny Tondron'ny Fahitàna ny Kolikoly nataon'ny Transparency International.

Maro ireo Tajiks maneho hevitra matetika mikasika ny politika anatiny ao amin'ny media sosialy no tsy naneho ny fihetseham-pony tamin'ilay vaovao.

Angamba noho ny fitomboan'ny fanenjehana ara-politika mitranga ao amin'ny firenena Azia Afovoany, izay mihatra indrindra amin'ireo mitsikera ny fianakaviana eo amin'ny fitondrana, izay migoka ny tsy fahafahana enjehana mandrakizay noho ireo fanovàna natao tamin'ny lalàmpanorenana izay nolaniana tamin'ny fitsapankevi-bahoaka ny taona lasa teo.

Nisy fanovàna iray hafa nolaniana tamin'io fitsapankevi-bahoaka io toa natao ho an'ny tombotsoan'i Rustam indrindra indrindra ; nampidinina ho 30 taona raha toa ka 35 taona teo aloha ny fetran'ny taona ho an'ny firotsahana ho filoha.

Azo tamin'ireo tatitra tsy voamarina [6] fa notifiriny tao amin'ny hatoka ny dadatoany nandritra ny ady mikasika ny banky teo an-toerana, mbola tabataba be ihany koa i Rustam amin'ny tontolon'ny baolina kitra ao an-toerana. Mbola filohan'ny federasiônan'ny baolina kitra [7] ao an-toerana ihany izy, ary indraindray milalao, ary toa mahafaty baolina maro isaky ny manao.

Nahafaty baolina dimy i Rustam Emomali tamin'ny lalaon'ny tompondakan'ny fahaleovantena.

Tsy mahagaga ny fiakaran'i Rustam ny dingan'ny hazon'ny politika, ao amin'ny repoblika izay fianakaviana iray no teo amin'ny fitondrana nandritra ny 25 taona, nihamafy hatrany taorian'ny ady an-trano dimy taona izay tapitra ny taona 1997.

Fa naneho ny fahatohinany kosa ireo sasany hoe naka io toerana manokana io izy, satria i Mahmadsaid Ubaidulloev no ben'ny tanànan'i Dushanbe nandritra ny roapolo taona, ary noraisina ho iray amin'ireo mpanao politika eo an-toerana tena henoin-teny indrindra ankoatra ny fianakavian'i Rakhmon.

Miaraka amin'ireo zanaka vaviny fito ary zanaka lahiny roa, angamba hahita Rahmon isaky ny masoivohom-panjakana rehetra isika

Tajik-Amerikana mpanao gazety ho an'ny RFE/RL, Farangis Najeebullah, nizara [11] tao amin'ny Twitter ny tetiaran'ny fianakaviana Rakhmon izay tena ilaina tokoa, nahitàna ireo toerana notazoniny tamin'ny fandraharahana sy tamin'ny fanjakana. [Tsindrio eo amin'ny sary hahitana ny tetiarana feno] [12]

Tanora vitsy amin'ireo vahoaka any Tajikistan no migoka ny fahombiazana toa ny an'i Rustam. Milomano ao anatin'ny fahantrana ny firenena ary maherin'ny antsasak'ireo lehilahy amin'ny taona tokony hiasa no mandeha any Rosia na any amin'ny firenena hafa mba hitady asa.

Eldiyar Arykbaev, lehiben'ny mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny masoivohom-baovao Kloop ao Kyrgyzstan mpifanila vodirindrina aminy, manontany [13] fanontaniana iray izay mety mampanontany tena ireo tanora Tajik maro amim-panesoana ihany koa:

29-летний генерал, борец с коррупцией, сын Основателя мира и национального единства, сын лидера нации и президента Таджикистана Эмомали Рахмона стал мэром Душанбе. А чего добился ты?

Jeneraly 29 taona, mpiady amin'ny kolikoly, zanaka lahin'i Emomali Rahmon, Filoham-Panjakana, Mpanorina ny Fandriampahalemana sy Firaisankinam-pirenena, Filohan'ny Tajikistan,  vao lasa ben'ny tanànan'i Dushanbe. Ary inona no mba vitanao?