Fampahafantarana ny ‘Vovinam’, Haiady Vietnamiana Iray Nilona Lalina Tao Anatinà Tantara Politika

Vovinam Club from Belegny, Belgium visits Saigon to practice with young practitioners. Photo from Loa.

Vondrona Vovinam avy any Belegny, Belzika mitsidika an'i Saigon mba hampihatra miaraka amin'ireo tanora mpiangaly. Sary avy amin'i Loa.

Ity lahatsotra nosoratain'i Chí-Linh Đinh ity dia avy amin'ny Loa, tranonkalam-baovao tsy miankina sy podcast izay mandefa tantara mikasika an'i Vietnam. Naverin'ny Global Voices nozaraina eto izy ity ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tolakandro mangatsiakan'ny Alahady iray ao Toronto izao. Midridroka ny gorodona. Feno asa ny efitra manontolo. Eo am-pivoriana ny kilasinà haiady iray. Ny iray amin'ireo thầy, na mpampianatra, nitafy fanamiana manga mazava ary fehikibo mavo, miantso ny đòn tsirairay, na teknika.

Ary rehefa miantso ny teknika tsirairay izy, manaraka amin-joto ny taridalany ireo mpianatra rehetra iray tarika. Mpiangaly Vovinam daholo ireo mpianatra.

Manazava i Thầy Lưu Đức Tiến fa

Natsangan'i maître Nguyễn Lộc ny Vovinam. Ilay maître mpamorona azy no nanome ny anarana hoe Vovinam, famintinana ny Võ Vietnam, na haiady Vietnamiana. Fa ny fanononana azy dia Vovinam noho izany mora vakiana sy tadidin'ireo vahiny.

Manara-maso mangina ny kilasy i Thầy Tiến, mandinika ireo sokajy samihafan'ireo mpianatra. Tsy mampianatra intsony izy, efa nisotro ronono, fa isaky ny mitsidika ny kilasy tsirairay izy, manajanona ny zavatra ataony daholo ny iray kilasy ary miankohoka am-panajàna.

Milaza i Thầy Tiến fa tamin'ny 1930 i nanomboka nampianatra ny Vovinam i Nguyễn Lộc, ilay namorona azy, ary tao amin'ny sekolin'i Siu Pham, Hà Nội no “[niatombohan]'ny fampianarany voalohany, ary tao no nivelarany hatramin'ny taona 1954.”

Ho an'i Thầy Tiến, ny fiovana ara-politika tamin'ny 1954 no nanosika ny ”[Maître] Loc, izay teraka tamin'ny 1912 tao amina vohitra iray antsoina hoe Hữu Bằng ao andrefan'i Ha Noi fotsiny [hifindra monina] nankany Vietnam Atsimo, taorian'ny Fifanarahana tany Zeneva izay nizara ny firenena ho roa.” Tany Vietnam Atsimo no nanohizan'ny Maître Lộc “ny fanaparitahana ny fiangaliana azy teto mandra-pahafatiny tamin'ny 1960.”

Manazava bebe kokoa i Thầy Tiến:

Taorian'ny 1966, nivelatra be ny Vovinam ary nampidirina tamin'ny fandaharam-pianaran'ireo sekolim-panjakana tao Vietnam Atsimo. Taorian'ny 1975, noraràn'ny fitondrana Kaominista ny Vovinam. Mbola nanohy tao ambany radara, tany ambanin'ny tany ireo mpianatra sy mpampianatra, hatramin'ny volana Desambra 1978, fony naverina indray ho ara-dalàna ny Vovinam.

Noforonina ho setrin'ny fibodoan'ny Frantsay tany Vietnam ny Vovinam. Izany dia safiotran'ireo fampiharana fahiny hita tany amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena. Nitady hamorona hery iray mampiray izay afaka mandetika ao an-tsaina ny fanantenana sy ny fitiavan-tanindrazana eo anivon'ny mpiray tanindrazana aminy i Maître Lộc. Tokony nampiasaina ny Vovinam, araka ny heviny, tsy hoe mba hanatsarana tena ihany, fa mba hanompoana ihany koa ny firenena.

Practitioners and instructors practicing Vovinam. Photo from Loa

Mpiangaly sy mpampianatra mampihatra ny Vovinam. sary avy amin'ny Loa

Ny akanjo, hatramin'ny anio, dia mampiseho taratra izany fanantenana izany.

Tsy toa ny haiady maro samihafa, ny akanjon'ny Vovinam dia manga tanora,” hoy i Thầy Tiến ary ny ”loko manga dia milaza ny fanantenana hisian'ny fiovàna eto amin'ny firenenay ary fiovàna ao anatin'ny olona Vietnamiana tsirairay araka ny filozofia fanavaozana toe-tsaina.

Ny lokon'ny hetra tsirairay, ankoatra ny filazàny laharana, dia manana ny dika manamarika azy ihany koa. Ireo vao manomboka dia manao hetra manga mitovy amin'ny akanjony. Raha miakatra laharana izy ireo, miova ny lokon'ny hetra avy any amin'ny mazava mankany amin'ny manga antitra , mavo, mena. Maneho ny fanakaikezan'ireo mpianatra ny tanjon'ny hifehy ny Vovinam izany fivoaran'ny loko izany. Ny manga tanora dia maneho ny lanitra, ary ny manga antitra dia toy ny ranomasina. Raha mivoatra hatrany ireo mpiangaly, ny mavo dia manamarika ny fifehezany mafy ny hoditra, miaraka amin'ny mena ho an'ny rà.

Amin'ny maha grand maître azy, navela nitondra ny hetra fotsy izy – tafiditra tany anatin'ny taolany ny fifehezany. Olona iray hafa ihany no nahazo ny hetra  fotsy, i grand maître Lê Sáng, ny mpandimby an'i Nguyễn Lộc.

Masters are awarded the red belt, signifying a mastery of Vovinam at the blood level. Photo from Loa

Mahazo ny hetra mena ireo maîtres, izay midika fifehezana ny Vovinam amin'ny ambaratongan'ny rà. Sary avy amin'i Loa

Ny zava-misy hoe noforonina ho toy ny fanehoankevitra manoloana ny fanjanahantany ny Vovinam dia mety manazava ny antom-pisian'ireo hetsika famelezana mipoaka kokoa ao anatiny, miohatra amin'ireo haiady hafa. Maro amin'ireo dona no feno herisetra ary mailaka. Miantehitra bebe kokoa amin'ny hery izy ireo fa tsy ny hatsarana na ny bika.

Amin'ny fanazavàna ny iray amin'ireo sonia famotehana izay nampahalaza ny Vovinam, milaza i Thầy Tiến fa ”raha mbola voakasika ireo teknikan'ny haiady, mety manana ny sasantsasany amin'ireo karazany tsy manam-paharoa ny Vovinam, tena samihafa amin'ireo haiady hafa, ary izany no filatsahan'ireo hetim-panidinana. Izany dia rehefa mampiasa ny tongony manidina eny an'habakabaka ireo mpiady mba hisamborana ny tendan'ny mpanohitra ary mamingana azy hianjera amin'ny tany. Mampiavaka ny Vovinam izany.”

Tena Vietnamiana fotsiny ny Vovinam, tsy amin'ny endrika akrobatika monja. Tsy amin'ny ara-batana ihany no hitspàna ireo mpianatra, fa amin'ny fahazoany ny filozofian'ny Vovinam ihany koa. Ary na aiza na aiza ampianarana azy, teny Vietnamiana foana no teny ampiasana amin'ny fampianarana ary maimaimpoana foana ireo kilasy.

Efa ho vita ny fampiharana aty amin'ny foiben'ny fiarahamonin'i Toronto. Misy mpianatra roa vaovao androany; samy toa matahotahotra daholo izy roa. Asehon'i Thầy Tiến azy ireo amim-paharetana ny fomba hametahany ny hetrany amin'ny voalohany indrindra. Ary ny sisa amin'ny kilasy dia miankohoka amin'ny mpampianatra daholo, ny totohondry havanana eo amin'ny fony. Avy eo miantsoantso ny salvo farany izy ireo, famaranana nentim-paharazana ny kilasy Vovinam.

Fantaro bebe kokoa ny mikasika ny  Vovinam amin'ny fihainoana ity podcast ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.