- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tavoahangy Plastika Nariana Nasiana Zavamaniry Mamelana Natao Sakana Ao Amin'ny Garan-dalamby Indiana

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina
Screenshot from The Better India's video report, available via YouTube. [1]

Pikantsary avy amin'ny lahatsary fanadihadiana Ny Tsara Indrindra Ao India , hita ao amin'ny YouTube.

Tamin'ny taona 2002, nandrara ny fampiasana ny harona plastika [2] i India mba hiarovana ny tontolo iainana sy mba hampisosa tsara ny ao an-tatatra. Efa dingana lehibe izany na dia mbola mijanona ho olana aza ny fampiharana azy. Na izany aza, rehefa miresaka harona plastika, tsy asiana resaka mihitsy ireo plastika maro hafa izay mandrahona koa toy ny tavoahangy sy fonosana nariana .

Ao Kochi, India, namorona zavatra momba izany ny sefon'ny garan-dalamby sy ny ekipany  – namadika ny tavoahangy plastika narian'ny mpandeha teny amin'ny lalamby ho lasa fitoeran-javamaniry .

RT RailMinIndia “RT AnilMatt00: Fanavaozana lehibe nataon'i RailMinIndia tao amin'ny garan-dalamby Aluva ao kerala – tavoahangy nariana.

Matetika ariana eny  amin'ny  toerana malalaka sy ny tokotanim-bahoaka [5] manerana an'i India ireo tavoahangy plastika, kaopy plastika fanary , plastikan-drano efa foana sy ny fonosana plastika manify. Araka ny Foibe Fanaraha-mason'ny Fahalotoan'ny Tontolo Iainana , 40% (6137 taonina) amin'ny fitambaran'ny fako plastika [6] (9205 taonina) isan'andro no tsy misy mpaka sy miparitaka ao an-drenivohitra Indiana fotsiny. Mahatratra hatramin'ny 5.6 tapitrisa taonina isan-taona ny fako plastika ao amin'ny firenena.  Ary mitaky ezaka be dia be ny fanovana izany avy amin'ny faritra rehetra .

Nanome ohatra tamin'ny fomba afaka ataon'ny olona [7] momba ny olana ny garan–dalamby Aluva ao Kochi.

Araka ny lahatsary etsy ambony, nampiasa ilay hevitra [8] i C Balakrishnan lehiben'ny gara sy ny ekipany  Atoa Mohan sy Rtoa Indu. Tsy natao haingo fotsiny ireo tavoahangy ireo. Fa miasa tahaka ny sakana hanakanana ireo olona mba tsy hanivaka eny amin'ny lalamby ihany koa. Nanoratra tao amin'ny Facebook i Neha Venkatesh [9]:

The most critical impact of this simple intervention blew me away: often, people used to cross railway tracks and that had led to an unprecented increase in rail accidents; these plants don't leave much space for people to cross through, thereby encouraging them to use the foot over bridge to cross over to another platform.

Nanaitra ahy ny fiantraikany lehibe indrindra tamin'ity fandraisana andraikitra tsotra kely ity : matetika ny olona no miampita ny lalamby ary izany no mitarika ny fitomboan'ny loza mahatsiravina eny amin'ny lalamby ;  tsy manome lalana malalaka ho an'ny olona hiampitana eo ireo zavamaniry ireo, ary mandrisika azy ireo mba hampiasa ny tetezana fandehanan-tongotra rehefa hiampita mankany amin'ny toerana hafa.

Angamba handrisika fanavaozana amin'ny fomba hafa [10]  vaovao ity famoronana avy amin'ny fanodinana ity mba hiatrehana ny fitomboan'ny fako plastika ao India .