Lavin'ny Mpiaro Ny Tontolo Iainana Ny Tetikasan'ny Nickelodeon Hanangana Toeram-pilalaovana Ambanin'ny Rano ao Filipina

Image from the online petition created by environmentalist Anna Oposa

Sary avy amin'ny fanangonan-tsonia antserasera avy amin'ilay mpiaro ny tontolo iainana Anna Oposa

Mikasa hanorina toeram-pilalaovana ao Palawan, sisintany ara-tontolo iainana farany ao Filipina ny Nickelodeon orinasan'ny fialam-boly ho an'ny ankizy. Tsy faly ireo mpiaro ny tontolo iainana ao an-toerana.

Malaza manerana izao tontolo izao amin'ny famokarana fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra, tahaka ny SpongeBob SquarePants, Teenage Mutant Ninja Turtles, sy ny Dora The Explorer ny Nickelodeon. Nanambara ny fikasany momba an'i Palawan ny foiben'ny tambajotra, ny goavan'ny media Viacom tamin'ny  Alatsinainy 9 Janoary. Nilaza ny Viacom fa miara-miasa amin'ny Coral World Park Undersea Resorts (Toeram-pialan-tsasatra Ambanin'ny ranomasina Manerantany Coral) mba hanangana toeram-pilalaovana sy toeram-pialan-tsasatra miaraka aminy.

Antsoina hoe toeram-pilalaovana ambanin'ny ranomasina voalohany manerantany, ahitana toeram-pialan-tsasatra 400-hekitara miorina ao anatin'ny faritra misy nosy fasika fotsy 16 ao Coron, Palawan ny tetikasa. Misy farihy miafina sy vatohara mangalahala i Coron, toeram-pizahan-tany malaza amin'ny fasika fotsy sy ny moron-dranomasina, ary anisan'ny faritanin'i Palawan ary ahitana karazan-javatra tandindomin-doza, izay rahonan'ny asa fitrandrahana ara-barotra tsy ara-dalàna ao.

Rehefa avy nambara ny tetikasa toeram-pialan-tsasatra sy toeram-pilalaovana, dia nanatontosa  fanangonan-tsonia antserasera manohitra ny fananatontosana ny tetikasa Anna Oposa, mpiaro ny tontolo iainana. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nahangona sonia mihoatra ny 189.000 sahady ny fanangonan-tsonia roa andro latsaka taorian'ny nivoahany.

Contrary to the press statement that the underwater theme park would “advocate ocean protection,” it will accomplish the exact opposite. By building artificial structures, you will undeniably damage and disrupt Palawan's marine ecosystems — our Last Frontier.

For a channel that targets children, Nickelodeon is setting a terrible example to the younger generation by taking away their right to enjoy our natural resources. We don't need an underwater theme park — our underwater life is fascinating, entertaining, and educational on its own.

Tsy araka ny nambaran'ny gazety hoe “miteraka fiarovana ny ranomasimbe” ny zaridaina ambanin'ny ranomasina, ny tena mifanohitra amin'izany no hitranga. Amin'ny alalan'ny fanorenana rafitra artifisialy, tsy azo lavina fa hanimba sy hanakorontana ny tontolo iainana an-dranomasin'i Palawan – Sisintanintsika Farany ianao.

Ho an'ny fantsona izay natao ho an'ny ankizy, mametraka ohatra mahatsiravina ho an'ny tanora amin'ny alalan'ny fanesorana ny zon'izy ireo hankafy ny harenantsika voajanahary ny Nickelodeon. Tsy mila toeram-pilalaovana ambanin'ny rano izahay — fa efa mahavariana sy mampiala voly, ary manabe manokana ny fiainantsika ambanin'ny rano.

Coron is a popular tourism destination known for its white sand beaches and hidden lagoons. Photo from the Facebook page of Save Philippine Seas

Toeram-pizahan-tany malaza fantatra amin'ny morontsirakany fasika fotsy sy ny farihy miafina i Coron. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Save Philippine Seas (Arovy ny Ranomasin'i Filipina)

Namaly ny tsikera ireo mpandrindra ny tetikasa tamin'ny filazana fa mifototra amin'ny tany ny toeram-pilalaovana, ary mampiseho foto-drafitrasa mitsingevana fotsiny. Mifanohitra amin'ny fanambarana an-gazety avy amin'ny Viacom izany, na izany aza, raha namaritra ny orinasa ho “toeram-pisakafoanana sy toeram-piala-tsasatra ambanin'ny rano, izay hiorina eo amin'ny 15 metatra any ambanin'ny haavon'ny ranomasina nefa mahita mazava ny tontolo ambany ranomasina.”

Notsipahan'ny tambajotra “Arovy ny Ranomasin'i Filipina” ny ezak'ireo mpandrindra ny tetikasa handà ny famaritan'ny Viacom:

Their statements attempt to downplay the possible irreversible environmental impacts of the proposed project to the marine environment, violating the constitutional rights of the community to a healthy and balanced ecology. Though they claim to build on private property, the Philippines’ waters cannot be privatized. Their statements also make no recognition of or respect to the rights of the indigenous peoples of Calamianes.

Miezaka manao tsinotsinona ny voka-dratsy ara-tontolo iainana tsy azo ivalozana ateraky ny tetikasa anivon'ny tontolo an-dranomasina nampahafantarina ny fanambarana nataon'izy ireo, manitsakitsaka ny zon'ny fiarahamonina voalazan'ny lalàmpanorenana mba hanana tontolo iainana ara-pahasalamana sy voalanjalanja izany. Na dia nilaza aza izy ireo fa hanorina toerana manokana, tsy afaka tantanin'ny olon-tsotra manokana ny ranon'ny Filipina. Tsy misy fankatoavana na fanajana ny zon'ny olona indizeny ao Calamianes ihany koa ny fanambaran'izy ireo.

Mandrisika ny mpandrindra ny toeram-pialan-tsasatra mba hampiasa ny volany amin'ny fanohanana ny faritra an-dranomasina voaaro efa misy ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana.

…we still stand by our position for them not to proceed with their project and to re-channel their budget to support existing marine protected areas and sustainable livelihood programs for communities.

…Tazominay ny hevitray mba tsy hanatanteraka ny tetikasany izy ireo ary handinika indray ny teti-bolan'izy ireo ka hanohana ny faritra an-dranomasina voaaro sy ny fandaharan'asa ho an'ny fivelomana maharitra ho an'ny fiaraha-monina.

Image from the Facebook page of Nilad

Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Nilad

Mandritra izany, nilaza ny sekreteram-panjakana misahana ny tontolo iainana fa hanohitra izay fananganana toeram-pilalaovana ambanin'ny rano ao Palawan

Nilaza i Lopez fa tsy hamela izay toeram-pilalaovana ambanin'ny rano ao Palawan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.