Mivangongo Ao An-tanàndehibe Rosiana Ny Fako, Lazain'ny Mpitondratenin'ny Ben'ny Tanàna ho ‘ Kisoa ‘ Ireo Mponina ao An-Toerana

Photo: Pixabay

Sary: Pixabay

Misy toerana kely iray mangina antsoina hoe Yugorsk ao Rosia. Ao anatin'ny Okrug mizakatenan'i Khanty-Mansi, tanàndehibe lemaka, feno ala ,ary manankarena ny tanànan'i Yugorsk, maloto tahaka ny kisoa ny mponina ao Yugorsk.

Io resaka  kisoa io indrindra no nolazain'ny mpitondra tenin'ny tanàndehibe tamin'ny mpitati-baovao tamin'ity herinandro ity, rehefa nitsikera ny biraon'ny ben'ny tanàna ny mpanolotsainan'ny tanàndehibe noho ny tsy fanaovana ny asan'ny monisipaly amin'ny ireo fako mivangongo, izay voalaza fa tsy nahavita nanangona mihitsy ireo fako hatramin'ny faramparan'ny volana Desambra.

Tamin'ny Alatsinainy, nitaraina tao amin'ny Facebook ny mpanolotsainan'ny tanàndehie Anton Pantin  fa tsy nanangona fako tao anatin'ny tapa-bolana ny ekipa tompon'andraikitra amin'ny fangalana ny fako avy amin'ny orinasa monisipaly tokana antsoina hoe “Yugorskenergogaz” .

“Tena tsy rariny! Tsy omena tsiny noho ny vintan-dratsy miaraka amin'ny havan'ny ben'ny tanàna ny mponina eto” ,hoy i Pantin nanoratra, raha niresaka ny fanapahan-kevitry ny Ben'ny tanàna Rais Salakhov tamin'ny Novambra tamin'ny fanendrena ny zaodahiny teo aloha ho talen'ny orinasa. Nilaza i Pantin fa ny Yugorskenergogaz no “lavaka mainty” efa hatramin'ny ela amin'ny teti-bolan'ny tanàndehibe, na dia teo aza ny zava-misy fa manangona sara avy amin'ny mpanjifa tsirairay ity orinasa ity, ankoatra ny fanohanana azony avy amin'ny governemanta.

Raha niresaka momba ny tanàndehibe, nandà fatratra ny fanajanonana mihoatra ny roa andro nisesy amin'ny fakana ny fako i Guzel Aristova, ka nahatratra ny fanariam-pako ny hatsiaka nilatsaka ambany loatra, hoy izy. “Ny zavatra tena tokony ataonareo dia ny miteny amin'ny mponina manangona ireo fakony eny rehetra eny, fa tsy manao izany ao anaty dabam-pako manokana. Tahaka ny kisoa ny ataon'ny mponina, ” hoy izy nilaza tao amin'ny tranonkalam-baovao Ura.ru ao amin'ny faritra .

Ho setrin'izany, niantso “fampitandremana farany” ho an'ny ben'ny tanàna Salakhov ihany koa i Anton Pantin izay manam-pahaizana ao amin'ny All-Russia People's Front (Mandan'ny vahoakan'i Rosia Manontolo mpanohana an'i Putin)  ary nitaky ny fandroahana an'i  Aristova noho ny  fanehoan-keviny tsy voahevitra  Niantso an'i Natalya Komarova ,governoran'ny faritra, ihany koa i Pantin mba hangataka amin'ny governemanta hanaovany fialan-tsiny ampahibemaso .

Nizara lahatsary an-tserasera i Pantin mampiseho ireo fako miparitaka manerana an'i Yugorsk, mivangongo eo ambony oram-panala.

Nandà ny hamaly ny fampitandremana farany nomen'i Pantin i Guzel Aristova, mandritra izany fotoana izany, ary nilaza izy fa aleony tsy maneho hevitra amin'ny “tenin'olona miezaka fotsiny hankalaza ny tenany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.