Bangladesh : Herisetra Naharitra Herintaona

Some of the secular writers killed in recent years in Bangladesh. From top left clockwise: Faisal Arefin Dipan, Shafiul Islam, Oyasiqur Rahman Babu, Rajib Haider, Avijit Roy and Ananta Bijoy Das.

Sasantsasany amin'ireo mpanoratra tsy mpino an'Andriamanitra, nisy namono tato anatin'ny taona vitsivitsy farany tao Bangladesh. Miankavia miankavanana ary avy any ambony no midina : Faisal Arefin Dipan, Shafiul Islam, Oyasiqur Rahman Babu, Rajib Haider, Avijit Roy ary Ananta Bijoy Das.

(Fampitandremana: sary maherihery setra no anatin'ny rohy ery ambanin'ny lahatsoratra) Tsy latsaky ny 15 ireo bilaogera, mpanoratra sy mpikatroka no maty nisy namono tao Bangladesh noho ny hevitra liam-pivoarana nananan-dry zareo sy ny tsy finoany an'Andriamanitra, ary tao anatin'ny taona efatra monja io. Zavatra natrehan'ny firenena ihany koa ny fitomboana avo dia avon'ireo fanafihana mikendry ny vahiny sy ny mpino.

Tsy tongatonga ho azy io fihazakazaky ny famonoana olona kotrehina hamelezana ireo mpanoratra sy nahita fianarana io, izay fantatra noho ny fisainana liam-pivoarana ananany. Izay indrindra, saiky ho ny anaran'ireo olona rehetra maty nisy namono dia hita daholo mivoaka ao anatin'ny lisitra iray ahitàna olona 84, noforonin'ireo miozolmana mpitarika fivavahana mpifikitra amin'ny nentin-drazana. Ampangain'ireto farany noho ny tsy finoany an'Andriamanitra sy ny fikatrohany manohitra ny finoana silamo amin'ny alàlan'ny lahatsoratra avoakany ireo biloagera. Natolotra ny kaomity iray manokana tao amin'ny governemanta io lisitra io tamin'ny 2013. Avy eo ireto mpitarika fivavahana ireto dia nilaza ampahibemaso hoe marobe ireo bilaogera no « mpanaraka hevitra diso » ary mendrika ny « hovonoina ».

Endri-pitondrana ‘demaokrasia parlemantera’ no misy ao Bangladesh, izay ny lalàm-panorenana no miantoka ny zo sy ny fahalalahana maneho hevitra. Na izany aza, ny governemanta, ny rafi-pitsaràna ary ny mpitandro filaminana dia tsy manana ny fepetra sahaza hisorohana io karazana fanambaràna mikendry ny bilaogera sy ny mpanao gazety io.

Izao no zavamisy, nobahanan'ireo manampahefana aza ireo tranonkala ao amin'ny aterineto heveriny ho mampididoza ary bilagera marobe no nosamboriny izay hita tao anatin'io lisitra mainty malaza io. Tamin'ny 2015, nanaraka indrindra ny nahafatesan'ilay bilaogera Niloy Neel, maty nokapaina kalaza tao an-tranony, nampitandremin'ny lehiben'ny polisy ireo « mpisaina malalaka sy ireo bilaogera mba hitandrina tsy hihoatra ny fetra raha vao fanehoany ny fomba fijerin'izy ireo ny ara-pinoana no resahana ». Marobe ireo velon'ahiahy manahy momba ny ezaka ataon'ny polisy momba ireo fanadihadiana mikasika ireny vono olona ireny.

Aleon'ireo bilaogera voasoratra ao anaty lisitra mainty mandeha manao sesitany ny tenany.

Manoloana ny toedraharaha tahaka izany, marobe ireo bilaogera sy mpikatroka an-tserasera no misafidy ny hialokaloka any ivelany. Ary tsy mora velively izany toejavatra izany, na ho azy ireo, na ho an'ny havany. Tany ampiandohan'ity taona ity, Mahmudul Haque Munshi, bilaogera sady mpikatroka an-tserasera, izay nahita fialofana any Alemaina, nanazava ny fanapahankeviny tao anatin'ny bilaoginy Swapnokothok (Mpandrary nofy) :

আমি কখনো ভাবিনি আমাকে আমার মাতৃভূমি ছাড়তে হবে। [..] মোবাইল নাম্বার ওপেন ছিলো ব্লগে তাই কল করে হুমকি ধামকি দিতো কিছু মানুষ। ব্লগে পোস্ট দেয়া হতো সরকার চেঞ্জ হলে কোন দশজন ব্লগারের লাশ পড়বে। আমার নাম থাকতো সেসব লিস্টে। আমরা পাত্তা দিতাম না। কারন ব্লগের লেখালেখির কারনে ব্লগার খুন হবে এটা ছিলো এক ধরনের হাস্যকর চিন্তা তখন। সেই হাস্যকর চিন্তাটাই সত্যি হয়ে দেখা দেয় ২০১৩-র ১৪ই ফেব্রুয়ারি। আমার খুব কাছের একজন মানুষ, একজন ব্লগার থাবাবাবা কে হত্যা করা হয় কুপিয়ে তাঁর বাসার সামনে।

Tsy nihevitra velively ny handao ny fireneko mihitsy aho… […] Voamarika tao anatin'io lisitra io ny laharan'ny findaiko, ary naharay fandrahonana ho faty marobe aho. Rehefa nanomboka nitanisa anaranà bilaogera tsy maintsy hovonoina, raha sanatria midaraboka ny fitondrana misy ankehitriny,  ny sasany tamin'ireo tomponà bilaogy, ary nivoaka tao ny anarako, tsy dia noraharahaiko loatra. Tamin'izany fotoana izany, nijanona ho hevitra sarotra tanterahana sy mampihomehy izany hevitra hoe famonoana bilaogera izany. Saingy vetivety dia lasa tena izy ilay hevitra, ny 14 Febroary 2013 no marimarina kokoa, rehefa injay nisy namono tamin'ny kalaza ny bilaogera iray sy iray amin'ireo namako tena akaiky ahy, Thaba Baba (Ahmed Razib Haider), teo anoloan'ny tranony.

Tohizany :

আমার মনে একটি অপরাধবোধ আছে। যে যুদ্ধটা আমরা করছিলাম, সে যুদ্ধটা ছেড়ে চলে আসার অপরাধবোধ। কিন্তু এ কেমন যুদ্ধ? ছায়ার সাথে মানুষ কিভাবে যুদ্ধ করে? [..] যারা চাইছিলেন আমি দেশে থেকে যেন মারা যাই, তাঁদের বলতে চাই, আপনাদের চাওয়াটা পুরন হবে না। আমি বেঁচে থাকবো, আমার করার আছে অনেক কিছু। সব শেষ না করে মরে গেলে তো হবেনা।

Mahatsiaro ho meloka aho. Nitarika tolona iray aho. Ary tsapako ho toy ny hoe namela ho irery ny hafa, sy nandao ny tany fiadiana. Fa ady inona tokoa aloha ilay ady andraisantsika anjara e ? Ahoana no hiadiana aminà aloka ? […] Ho an'ireo izay mikatsaka ny hanàla ny aiko, izao no tiako hambara amin'izy ireo: tsy nandresy ianareo. Mbola miaina aho, ary mbola betsaka ny zavatra tsy maintsy vitaiko. Tsy hidaraboka alohan'ny hahatanterahako ny iray amin'ireo tanjoko aho.

Tamin'ny 2016, nitohy ireo famonoana. maty nisy namono tamin'ny Aprily i Nazimuddin Samad, mpianatra momba ny lalàna tao amin'ny anjerimanontolon'i Jagannath ary feo mpitsikera ny fanaovana an-tendrony ara-pivavahana. Toy izany koa i Rezaul Karim Siddique, mpampianatra teny anglisy tao amin'ny anjerimanontolo Rajshahi, izay hita tsy lavitry ny trano fonenany, maty nisy namono tamin'ny kalaza.

Xulhaz Mannan, the editor Bangladesh's first LGBT news site, was murdered on April 25, 2016. Image courtesy of PEN International.

Xulhaz Mannan, toniandahatsoratry ny tranonkala voalohany mpanome vaovao momba ireo LGBT ao Bangladesh. Sary natolotry ny PEN International.

Xulhaz Mannan, mpikatroka LGBT sy Mahbub Rabbi Tonoy, mpilalao an-tsehatra no sady mpikatroka mafàna fo, samy maty nisy namono ny 25 aprily 2016. Xulhaz Mannan no mpanorina ilay tranonkala voalohany natokana ho an'ireo olom-pirenena LGBT ao Bangladesh.

Ny Ansar al Islam #Bangladesh /AQIS no milaza ho tomponandraikitra tamin'ny famonoana an'i  Xulhaz Mannan sy Mahbub Tanoy.

Maro no nisy nilaza ho tompon'antoka tamin'ireny famonoana ireny tao amin'ny aterineto na tany anaty media sosialy tamin'ny alàlan'ny kaonty izay eritreretina ho an'ny EI, ny Ansar al-Islam na koa ny Ansarullah Bangla Team. Nilaza ihany koa ireo vondrona ireo fa tompon'antoka tamin'ireo famonoana an-jambany natao tamin'olontsotra.

Fanafihana namelezana ny trano fisakafoana Holey Artisan Bakery

Ny alin'ny 1 Jolay 2016, lehilahy dimy tokony ho roapolo taona eo, nandranto fianarana tany ivelany ary avy aminà fianakaviana manan-katao, no niditra tampoka tao amin'ny Holey Artisan Bakery, trano fisakafoana manana ny maha-izy azy ao Dacca ao Bangladesh ary vahiny no tena be mpandeha ao aminy. Olona ampolony no nataony takalonaina, vahiny sy Bangla, avy eo nitifitra polisy ireto mpanafika.

Ny ampitso maraina, nanao bemidina nanafika ny Holey Artisan Bakery ireo mpitandro filaminana Bangla, na ny marimarina kokoa ny vondrona ivelan'ny tafika ao anatin'ny polisy mpiambina sisintany, ny polisy ary ny hery manokana “Rapid Action Battalion”, namaranana ilay fakàna takalonaina. Ny farany, avotra ny sasany ary ny hafa afaka nandositra, saingy nisy olona 29 maty, ka 20 tamin'ireo dia avy amin'ireo takalonaina (18 vahiny ary 2 Bangla), polisy roa, mpitily dimy ary roa mpiasa tao amin'ilay trano fisakafoana. Io no fanafihana ratsy indrindra niainan'i Bangladesh hatreto.

Ny masoivohom-baovao, Amaq, rantsana fampielezankevitry ny EI, no nitonona ho tompon'antoka tamin'ilay vono olona. Nisy sarin'ireo mpampihorohoro manasongadina ny keffieh menan'ny EI sy soratra mainty amin'ny fiteny penjabi, ary sary tamin'ilay vono olona nanjo ireo takalonaina nalefa nozaraina tamin'ny aterineto.

Ny 7 Jolay, notafihan‘ny mpampihorohoro ireo mpitandro filaminana nalefa hijery akaiky ny famoriambahoaka tao Aïd tao Sholakia izay nahavory olona marobe. 3 no matin'izy ireo. Taty aoriana kely, io volana io ihany, notafihan'ny polisy ny vondrona mpampihorohoro tao Dacca renivohitra, 9 ireo mpampihorohoro no maty. Nambaran'ny polisy fa nahita baomba ry zareo, bala, ary saina mainty roa an'ny EI.

Ankoatra ireo mpikambana amin'ny EI, manamafy ny polisy fa nisy ihany koa mpikambana avy amin'ny Jamaat-ul-Mujahideen, fikambanana islamista ao Bangladesh.

Navoakan'ny mpitandro filaminana ny lisitra iray nisy ireo olona 200 eo ho eo karohana nandritry ny 18 volana, ary heverina ho lozabe. Ny vaovao farany dia milaza fa nandray fiaramanidina lasa nankany Malezia sy Tiorkia ny sasany, tsy nasiana fanamarihana misimisy kokoa momba izay tohin'ny dian-dry zareo.

Ny volana vitsy taorian'izay, tao anatin'ny hetsika hisorohana fanafihana hafa, nanao bemidina tany an-tranon'ireo olona noahiahiana ho mpanao asa fampihorohoroana ny polisy. Araka ny vaovao azo farany, Tamim Ahmed Chowdhury (antsoina hoe Abū Ibrāhīm al-Hanīf), manana zom-pirenena roa, kanadiana sy Bangla, no nitantana ny fanafihana tamin'ny 1 Jolay ; nahatonga azy nahazo ny fanakasitrahana rehetra avy amin'ny EI. Ny 26 Septambra 2016, lavon'ny polisy i Tamim Ahmed Chowdhury. Ny 24 Desambra 2016, nanao bemidina nanafika indray mandeha indray ny polisy, izay nahafahana nisambotra maromaro tamin'ireo mpampihorohoro; maty ny roa noho ny nanapoahany ny akanjo feno vanja teny aminy.

Fitohitohizan'ireo asa fampihorohoroana tao Bangladesh

Nitsahatra aloha hatreo ny fandatsahan-drà nanjo ireo tsy manantsiny, saingy miasa any an-katakonana any ireo mpampihorohoro, tsy lavitra velively ny loza. Volana maro taorian'ilay fanafihana tao amin'ny kianja Gulshan-e-Iqbal, mbola foana tsy misy olona hatrany ireo trano fisakafoana ao Dacca, ary nofoanan'ny ankamaroan'ireo vahiny mpizahatany ny diany ho any Bangladesh, na teo aza ny fanamafisana ny fepetram-piarovana. Ho an'i Bangladesh taona iray voamarika tamin'ny vy mahamay midorehitra ny taona 2016, iza no mahalala izay mbola ho avoaky ny ampitso…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.