Miatrika sazy 42 taona sy enim-bolana an-tranomaizina farafahakeliny ilay mpanao lalàna Koesiana teo aloha noho ny fiampangana isan-karazany ahitana fandefasana fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter izay heverin'ny manam-pahefana fa manivaiva ny firenena Arabia Saodita sy Bahrain mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo.
Tamin'ny 22 Desambra, nampangain'ny Fitsarana Ambony ho natevateva an'i Arabia Saodita tamin'ny fitsarana tsy natrehiny i Abdulhameed Dashti ary nahazo sazy folo taona an-tranomaizina, ka mahatonga ny fitambaran'ny saziny any am-ponja ho 42,5 taona. Noesorina tao amin'ny parlemanta mba ahafahan'ny manampahefana Koesiana manenjika azy i Dashti, izay mitsabo tena any UK amin'izao fotoana izao. Voampanga tamin'ny fiampangana teo aloha noho ny faniratsirana ny fivavahana, Emiran'i Koety (mpanapaka ny firenena) sy ny fitsarana ihany koa i Dashti.
Naneho hevitra momba ny sazy azony tao amin'ny Twitter i Dashti:
هل يصدق عاقل أن احكم بالسجن لمدة 42 سنة وستة شهور…
فقط لأنني عبرت عن رأي ، عن أي ديمقراطية تتحدثون وتتشدقون بها واي قضاء !!!؟ pic.twitter.com/gi3x7wTrqU— د.عبدالحميدعباس دشتي (@adashtimp) December 22, 2016
Mety mino ve ny olona salama saina fa voasazy 42 taona sy enim-bolana an-tranomaizina aho noho ny fanehoako ny hevitro fotsiny, inona ny demaokrasia resahanao ary fitsarana inona?!!!
Mpitsikera an'i Arabia Saodita i Dashti, indrindra ny adin'i Arabia Saodita amin'i Yemen sy ny firotsahan'ny miaramila an-tsehatra tamin'ny taona 2011 tao Bahrain mba hanasazy ny fitroaram-bahoaka. Malaza amin'ny fanohanany ny fitondrana mpanao didy jadona Syriana, Bashar al-Assad, sy ny fitondrana Iraniana ihany koa izy. Miatrika taona maro hafa any am-ponja izy noho ny tranga maromaro mifandray amin'ny fanehoan-kevitra nataony.
Tao amin'ny Twitter, raha niaiky fa tsy miombon-kevitra amin'ny fijerin'i Dashti izy ireo, naneho ny fanohanan'izy ireo an'i Dashti na izany aza ireo mpikatroka Koesiana maro. Nisioka i Sara al-Drees, mpikatroka nogadraina tamin'ny volana Septambra noho ny fanevatevana ny Emir ary noafahana vonjimaika amin'izao fotoana, mbola miandry fitsarana:
مع كامل الاختلاف مع دشتي
و مع كامل الاحترام للعلاقات مع السعودية
شنو يعني انسان ينسجن 42 سنه على كلام!!
42سنه!
و في الكويت!#لا_لسجن_الكلمة https://t.co/CsaAI32Jny— سارة الدريس (@saraaldrees) December 22, 2016
na dia eo aza ny tsy fiombonako hevitra amin'i Dashti, sy ny fanajana feno amin'ny fifandraisana amin'i Arabia Saodita, inona no dikany hoe managadra olona mandritra ny 42 taona noho ny teny!! 42 taona! ary ao Koety!
تختلف تتفق مع عبدالحميد دشتي حقك .. تحتقره تنبذه سياسياً أيضاً حقك .. لكن أن تدعي أنك مدافع عن حرية الكلمة وتفرح لسجنه بسبب كلمة فأنت كذاب!
— ناصر دشتي (@Na9eR_Dashti) December 22, 2016
na miombo-kevitra amin'i Abdulhameed Dashti ianao na tsia, zonao izany….raha hanao tsinontsinona azy sy handroaka azy amin'ny politika, zonao ihany koa izany..saingy ny filazana fa manohana ny fahalalana miteny ianao kanefa faly amin'ny fanagadrana azy noho ny teny, dia mpandainga ianao izany
Tahaka ireo firenena hafa mpikambana ao amin'ny Vaomieram-Pifandraisan'ny Helodrano (GCC), firaisankina ara-politika sy ara-toekaren'ireo firenen'ny helodrano miisa enina, manameloka bevava ny tsikera atao amin'ny firenena hafa i Koety. Ary manasazy telo taona am-ponja farafahakeliny, heloka bevava, ho an'izay olona miditra an-tsehatra amin'ny “hetsika feno fankahalana firenena vahiny, amin'ny fomba mety hampidi-doza an'i Koety ka mety hisian'ny ady na fiharatsian'ny fifandraisana ara-diplaomatika” ny andininy faha-4 ao amin'ny lalàm-piarovam-panjakanaao amin'ny firenena.
Ao Bahrain, any am-ponja ankehitriny i Nabeel Rajan, mpikatroky ny zon'olombelona, noho ny fiampangana maromaro ahitana “fanevatevana firenena vahiny”, tamin'ny sioka mitsikera ny adin'i Arabia Saodita ao Yemen, izay azo saziana roa taona an-tranomaizina araka ny fehezan-dalàna famaizana ao amin'ny nosy-fanjakana. Ao Emirà Arabo Mitambatra kosa, miatrika folo taona an-tranomaizina ilay akademika sady mpahay toekarena Nasser Bin araka ny andininy faha-166 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana, noho izy nahavita “hetsika feno fankahalana” firenena vahiny, tamin'ny sioka mitsikera ny famonoan'ny mpitandro ny filaminana Ejipsiana ny mpanao fihetsiketsehana.
Tamin'ny volana Mey lasa teo, nanapa-kevitra ny fitsarana avon'ny lalàmpanorenena ao Koety fa ny fanehoana ny hevitry ny tena momba ny firenena vahiny dia tsy azo sokajiana toy ny “hetsika feno fankahalana”. Kanefa, toa mbola manohy mandefa olona any am-ponja noho ny fitsikerana firenena vahiny, indrindra ireo firenena mifanolo-bodirindrina ny mpitsara sy ny mpampanoa lalàna.