- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#SaveArash: Arash Sadeghi, Iraniana mpikatroka Miady Ho An'ny Zon'Olombelona — sy ny Ainy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Arash Sadeghi and Golrokh Ebrahimi Iraee, together before his arrest. Photo shared widely on social media.

Arash Sadeghi sy Golrokh Ebrahimi Iraee, niaraka talohan'ny nisamborana azy. Sary nozaraina be tao amin'ny media sôsialy.

Ny 3 Janoary, naiditra hopitaly i Arash Sadeghi, ilay Iraniana mpikatroka, taorian'ny nandàvany tsy hisakafo nandritry ny 71 andro.

Ny Martsa 2016, voaheloka 15 taona an-tranomaizina ilay mpiaro zon'olombelona, fiampangàna [1] “ho manao fampielezankevitra manohintohina ny fanjakàna,” “fanelezana lainga amin'ny tontolon'ny aterineto,” ary “faniratsiràna ny mpanorina ny Repoblika Islamika.”

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hisakafo i Sadeghi ho fanoherany ny fisamborana ny vadiny, Golrokh Ebrahimi Iraee [2], izay voasambotra tamin'ny Oktobra 2016 ary voaheloka hifonja 6 taona an-tranomaizina noho ny “faniratsiràna ny masina” sy fanoratana “fampielezankevitra manohintohina ny fanjakàna”, tany anaty lahatsoratra maro ao amin'ny Facebook ary tantara iray noforonina nosoratany tao anaty ‘notebook’ iray izay nogiazan'ireo manampahefana nanao bemidina tao an-tranon'izy mivady ny Martsa lasa teo.

Tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, nampandrenesin'i Iraee ny fanentanana Iraisampirenena momba ny Zon'Olombelona [3] hoe naiditra am-ponja ny vadiny mba hahazo fikarakaràna ara-pahasalamàna noho ny aretina fitohanan'ny tsinay sy ny fahaverezan-drà, ankoatry ny olana hafa ara-pahasalamàna taorian'ny nampitsaharana ny fitokonany tsy hisakafo, saingy naverina any am-ponja ny 7 Janoary na teo aza ny toromariky ny mpitsabo.

Ny toedraharaha sarotra misy ny fahasalaman'i Sadeghi dia nitarika ny Mpitondra teny manokan'ny Firenena Mikambana ao Iràna, Asma Jahangir, hamoaka fangatahana ampahibemaso iray [4] ho an'ireo manampahefana Iraniana mba hanome fijerena ara-pitsaboana sahaza an'i Sadeghi:

Ho toy ny olana iray atao laharam-pahamehana, mangataka ny manampahefana Iraniana aho mba hiantoka izay hahazoan'i Arash Sadeghi, fikarakarana ara-pahasalamana voatokana any aminà hopitaly iray ivelan'ny fonja, mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona ary ny etika momba ny fitsaboana, indrindra indrindra manaraka ny fotokevitry ny fanekena mazava

Mahataona ny hafa no sady mampidi-doza amin'ny aina

Fantatra ho toy ny tetikady iray sahisahy ampiasain'ireo gadra noho ny politika mba hisarihana ny saina amin'ny manjo azy ireo, dia mety hampiasa ny fitokonana tsy hisakafo ireo gadra noho ny politika ho fara ala nenina, rehefa zara fa misy sisa ny làlana ahafahan-dry zareo maneho ny heviny sy manao izay handrenesana ny feony. Saingy ny zavatra iainana ankehitriny amin'ny fandàvana tsy hisakafo mandritry ny andro maro, herinandro, na am-bolana (ho an'i Arash) dia zavatra iray sarotra takarina ho an'ny olona izay tsy niaina azy mivantana.

Ny kisary arahana tarehimarika eto ambany, noforonin'ny  Visualizing Palestine [5] mpiaramiasa amin'ny Global Voices, dia natao hanampy ny mpamaky sy ireo mpanohana hahatakatra ny toedraharaha momba ny ara-batana raha resaka fitokonana tsy hisakafo, ao anatin'ny vanimpotoana ara-tantara iainana ankehitriny izay nahafantarantsika ny fisian'izy io.

VP-Hunger Strikes-EN-20160114-01

Hatramin'ny faran'ny herinandro lasa, natsofoka ho ao anatin'ny kisary i Arash Sadeghi, indrindra tamin'ny nanamontsanany ny halavan'ny fiainana izany fitokonana tsy mihinana sakafo izany.

Ny 3 Janoary, ho fanampiny dia nolazain'ny mpampanoa lalàna fa nofoanana ny fialantsasatra nomena an'i Iraee ary nodidiana hiverina am-ponja izy. Nolaviny io hatreto.

Tonga amin'ny teboka faratampony ny fanentanana hamonjena an'i Arash Sadeghi, ilay mpiaro ny zo sivily, izay heverin'ireo mpanohana azy fa hisy fiantraikany amin'ireo manampahefana Iraniana sy hanampy amin'ny famonjena ny ainy ny fifantohantsaina  rehetra sy fanarahana maso ny zavatra mahazo azy.

MANDRAISA ANJARA: Ampio  #SaveArash

  • Zarao, avereno bitsihana ary mariho anaty lahatsoratrao ao amin'ny media sôsialy ireo politisiana any amin'ny toerana misy anao sy ireo poilitisiana Iraniana, amin'ny fampiasàna ny tenifototra #SaveArash
  • Miaraha miasa amin'ny Amnesty International [6]
  • Zarao ny kisary misy tarehimarika etsy ambony avy amin'ny Visualizing Impact