Mamelona Indray An'i Beirota: Tahaka ny Ahoana no Andokoan'ny Fikambanan'Artista ny Renivohitr'i Libanona?

One of Paint Up's first projects in 2012. Bliss Street, Beirut, Lebanon. Sary: Facebook.

Iray amin'ireo tetikasam-pandokoana voalohany tamin'ny taona 2012. Lalana Bliss, Beirota, Libanona. Loharano: Facebook.

Milaza ny mpitsikera fa very “ny maha izy azy” ny tanànan'i Beirota, ary efa mahazatra ny mahita ny mponina Libaney manoratra am-pisentoana ao amin'ny media sosialy mikasika ny fotoana voalaza fa very taloha.

Na dia rava nandritra ny ady an-trano naharitra 15 taona izay nifarana tamin'ny taona 1990 tao amin'ny firenena aza ny faritra maro tao Beirota, dia niditra an-tsehatra ny “vanim-potoana fanorenana” tsy nanam-piantrana tamin'ny vakoka maritranon'i Beirota niroborobo nanomboka avy eo. Eny tokoa, raha misy teny iray tonga hamaritana ny maritranon'ny tanàna, dia ny korontana.

Ho setrin'izany, noraisin'ireo artista sy mpikatroka ho andraikitr'izy ireo ny miezaka hanavotra indray ny vakoky ny tanàna. Iray amin'izany fisantaran'andraikitra izany ny “Paint Up (Lokoy)” avy amin'ny vondrona Dihzahyners (kilalaon-teny mampifandray ny “mpandravaka” sy “Dhan”—amin'ny teny Arabo hoe “loko”). Mandoko toerana manerana an'i Beirota ny vondrona.  

Natombok'i Jubran Elias sy Lana Chukri tamin'ny taona 2012, natsangana ho fomba iray hafa manoloana ireo fihetsiketsehana marobe karakarain'ny mpikatroka Libaney manohitra ny fandravana ny “Paint Up”.

Lana Chucri and Jubran Elias, 'Paint Up' co-founders. Source: Instagram.

Lana Chucri sy Jubran Elias, mpiara-manorina ny ‘Paint Up’. Loharano: Instagram.

Raha niresaka tamin'ny Global Voices i Elias, dia hoy izy hoe:

Our goal is not to change Beirut, but to bring it back to life. There are many things we cannot change in the political and economic situation of this place, however, we can try to revive Beirut with paint.

Tsy ny hanova an'i Beirota no tanjonay, fa ny hamelona azy indray. Maro ireo zavatra tsy azontsika ovaina eo amin'ny toe-javatra ara-politika sy ara-toekarena ao amin'ity toerana ity, na izany aza, afaka miezaka mamelona indray an'i Beirota amin'ny loko isika.

Mitaky fandaminana mandritra ny volana maromaro ny famoronana “hetsika fandokoana” tokana. Tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ny kaominina tompon'andraikitra aloha izy ireo ary avy eo miara-miasa amin'ny “Colortek” mpanohana azy alohan'ny hamoahana ny hetsika ao amin'ny media sosialy. Manazava i Elias..  

We start by taking photos of the stairs and then mock it up. Then we decide on its design.

Natombokay tamin'ny fakàna sary ny zanatohatra izany ary avy eo mamazivazy izany. Avy eo manapa-kevitra amin'ny handravahana azy izahay.

Amin'ny asa mafy sy ny ora marobe eo ambanin'ny masoandro, nanaporofo ny ekipa fa misy vokany ny asa mafy. Nahazo fankatoavana iraisampirenena ny tetikasan-tohatra “Lokoy” nataon-dry zareo, fantatra amin'ny anarana hoe “Volumes”,  ary nasongadina tao amin'ny ”Tohatra Sivy Mahatalanjona Manerantany” navoakan'ny Vogue, tao amin'ny  BoredPandaBBC, ary Forbes izy ireo ankoatra ny hafa. Nohadihadian'ny Al-Jazeera vao haingana ihany koa i , Lana Chukri, mpiara-manorina ny vondrona..

Eto ambany no hahitanao ny sarin'ny asan'izy ireo sasantsasany:

“Tranon'ny Fanantenana,” tetikasa vita tamin'ny Jolay 2016 tao Kahale, distrikan'i Aley.

6

Tao amin'ny “Tranon'ny Fanantenana” ao Kahale, distrikan'i Aley. Sary: Facebook.

“Miandry fiaran-dalamby” ao amin'ny Gara Mar Michael, Beirota miaraka amin'i Achillea tamin'ny Oktobra 2013.

At the Mar Mikhael Train Station. Photo by Nadim Kamel. Source: Facebook.

Tao amin'ny Gara Mar Mikhael, Mar Mikhael, Beirota. Sary avy amin'i Nadim Kamel. Sary: Facebook.

“Paint Up V. 6- Tetris” ao Mar Mikhael, Beirut, Oktobra 2013.

Paint Up V. 6- Tetris

“Paint Up V. 6- Tetris” tao Mar Mikhael, Beirota. Sary avy amin'i Nadim Kamel. Source: Facebook

“Paint Up V.7 Stripes” miaraka amin'ny Chad the Mad ao Azarieh, Beirota, Oktobra 2014.

Paint Up V.7| Stripes with Chad the Mad in Azarieh

“Paint Up V.7 Stripes” miaraka amin'ny Chad ilay Adala ao Azarieh, Beirota. Sary avy amin'i Nadim Kamel. Sary: Facebook.

Tamin'ny faniriana fatratra hampifandray an'i Beirota tamin'ny lasany, nahita fomba hamadihana hevitra tsotra tao amin'ny fiarahamonina miahy ny manodidina azy ny ekipa Dihzayners. Amin'ireo loko marobe sy ny finiavana, azo antoka ny miteny hoenametraka ny marik'izy ireo tao Libanona ireto mpanakanto ireto

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.