- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manontany Tena ny Shinoa Raha Manamainty Ny Havokavok'izy ireo Tahaka ny Fiaran-Dalamby Haingam-pandeha ny Zavon-tsetroka

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
High speed train from Shanghai to Beijing covered with dirt from smog. Collage from Weibo.

Lamasinina haingam-pandeha miala ao Shanghai mankany Beijing feno loto avy amin'ny setroka. Sary namboarina tao amin'ny Weibo.

Nandray ny taona 2017 tamin'ny zavon-tsetroka matevina sy maharitra ny Shinoa, izay nampahatezitra ny toe-pon'ny olona maro tamin'ny taombaovao. Nipoaka ny fahatezeram-bahoaka noho ny loto henjana tao amin'ny faritra avaratr'i Shina efa ho tapa-bolana, ary nahatonga ny sasany hametra-panontaniana mikasika ny fahombiazan'ny fitondran'ny Antoko Komonista Shinoa tao amin'ny media sosialy ny tsy fisian'ny vahaolana.

Tonga tamin'ny endrika sary mampiseho fiaran-dalamby haingam-pandeha rakotra tseroka matevina rehefa avy nandalo faritra feno zavon-tsetroka ao Beijing ny fanoharana manafintohina indrindra momba ny faharatsian'ny toe-draharaha. Nalaza tao amin'ny aterineto ny sary ary niteraka adihevitra mafana tao amin'ny Weibo sehatra Shinoa malaza. Eto ambany ny fantina fanehoan-kevitra [1] setrin'ny sary:

我觉得自己活不到80岁了,都能粘在车上,别提我们的肺了。我姥爷,舅母,姑父都是肺癌

Tsy mino aho fa ho ela velona hatramin'ny 80 taona. Jereo ny lamasinina ary jereo ny mitranga amin'ny havokavotsika. Tratran'ny homamiadan'ny havokavoka avokoa ny raibeko, ny nenitoako sy ny dadatoako.

太可怕,吸到肺里洗不掉。

Tena mahatsiravina izany. [Ny tseroka eo amin'ny fiaran-dalamby dia azo sasàna] saingy tsy afaka manasa ny havokavotsika kosa isika.

感谢党和政府,霾里营养特别丰富,富含维生素ABCDEFG

Noho ny antoko sy ny fanjakana, tena mamelona ahitana otrikaina ABCDEFG ny zavon-tsetroka.

Nalain'ireo fampahalalam-baovao sasany ao an-toerana ny tantara ary namafisina [2] fa nalaina tamin'ny 2 Janoary taorian'ny fandalovan'ny lamasinina haingam-pandeha tao Shanghai hihazo an'i Beijing ny sary. Namaly [1]ny vaovao ihany koa ny manampahefanan'ny lalamby fa tsy mahazatra ny mahita fiaran-dalamby rakotra loto raha ambany ny kalitaon'ny rivotra.

Efa imbetsaka ny fahalotoan'ny rivotra ao amin'ny faritra avaratr'i Shina no ambonin'ny taha ara-dalàna 25 mikrograma isaky ny metatra toratelo amin'ny mpandoto PM 2.5 an'ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fahasalamana ary nanomboka tamin'ny [3] fanairana mena ny taona 2017 izay ambonin'ny 300 mandritra ny 72 ora mahery ny taha PM 2.5.

Naverina nalefa efa ho an'arivony mahery ny lahatsoratra [4] iray avy amin'ilay mpamokatra sarimihetsika Shinoa fanta-daza Lu Chuan, izay mitanisa ny fanamarihan'ny dokotera momba ny vokatra mety mampidi-doza ateraky ny setroka:

[…]我们中国人普遍对雾霾缺乏认知,都不注意防护,如不带防雾霾口罩,不戴帽子,围脖,手套等等[…],吸入身体和肺里的雾霾永远排不出去,而且侵蚀身体和肺,一般10或20多年才发病(得肺癌,肺气肿,肺大泡,气管疾病,哮喘……,身体弱的很快得肺癌)。大夫说:尤其她看到街上有大人带着孩子出来时,她特心疼孩子,因孩子气管短,呼入肺里的雾霾比大人多,永远在里边侵蚀着肺。

[…] Isika Shinoa amin'ny ankapobeny dia tsy manam-pahalalana momba ny setroka ary mahalana vao mandray fepetra, toy ny manao saron-tava, satroka, fehin-tenda sy fonon-tanana iadiana amin'ny setroka […] Tsy hivoaka mandrakizay ny setroka tafiditra any anaty vatana ary miafara amin'ny aretina. Amin'ny ankapobeny, hanomboka harary ny olona, folo taona na roapolo taona aty aoriana (homamiadan'ny havokavoka, emphysema (binabina), aretin'ny lalan-drivotra, sohika……, ireo izay malemy kokoa dia mety ho tratran'ny homamiadan'ny havokavoka vetivety). Nilaza ny dokotera fa isaky ny mahita olon-dehibe mitondra ankizy ivelan'ny trano dia marary ny fony. Satria fohy ny lalan-drivotry ny ankizy, manatelina setroka bebe kokoa noho ny olon-dehibe izy ireo ……

Nampitandrina i Zhong Nanshan, mpampianatra ambony malaza fa mety hiteraka aretina lehibe toy ny homamiadana ny setroka. Nanombatombana ny Fikambanana tsy mitady tombontsoa Berkeley Earth ao California fa niteraka fahafatesana mialoha 1,6 tapitrisa isan-taona ao Shina ny setroka.

Maro koa anefa ireo fanehoan-kevitra amin'ny aterineto nandray ny tsikeran'ny  zavon-tsetroka ho toy ny anti-Shina. Na i Wang Zhanyang, mpampianatra ao amin'ny Kolejin'ny Foibe Sosialista, sampan'ny Antoko Komonista Shinoa aza tsy mahazaka mahita fitiavan-tanindrazana tafahoatra tahaka izao ary naneho hevitra [5] manohitra ny fametahana marika ara-politika tao amin'ny Weibo:

【雾霾与政治正确】某些人的意思是,面对严重的雾霾,不能揭露雾霾,不能批评雾霾,不能对雾霾表示不满,更不能揭露雾霾严重的根源,否则你就是反华、汉奸、卖国贼了。呵呵,毫无怨言地呼吸雾霾,进而为雾霾辩护,这才是政治正确吗?这种政治正确符合人性、人道原则[…]那还叫政治正确吗?还有,不是还说一切要以人民群众满意不满意为标准吗?那么,把人民群众的不满意扣上一顶政治不正确的大帽子,那是什么意思呢

Ny fahamarinana ara-politika sy ny zavon-tsetroka: Nilaza ny olona sasany fa rehefa miatrika zavon-tsetroka goavana, tsy afaka mamboraka, tsy afaka mitsikera, tsy afaka mitaraina, tsy afaka mampiseho ny tena antony isika raha tsy hoe anti-Shina ianao, mpamadika sy mpiara-miasa [amin'ny mpamadika]. Mety ara-politika ve fa tokony miaina amin'ny zavon-tsetroka tsy mila mitaraina ny olona, na miaro izany koa aza? Raha manohitra ny natioran'olombelona sy ny mahaolombelona ny fetezana ara-politika […] mety ve izany? Ankoatra izany, nilaza [ny antoko] fa tsy maintsy miatrika ny tsy fahafahampon'ny daholobe isika, kanefa ankehitriny, petahanao fiampangana ara-politika tahaka izany ny tsy fahafaham-pon'ny daholobe, inona no fikasana ao ambadik'izany?

smog4

Mpianatra sekoly fanabeazana fototra manao taranja fanatanjahan-tena ao anatin'ny trano lay lehibe nampidirana rivotra madio. Sary avy amin'ny fampahalalam-baovaon'ny fanjakana Xinhua.

Mandritra izany, manohy manasongadinana ny ezaka famahàna ny olan'ny setroka ny fampahalalam-baovaon'ny fanjakana. Nitatitra [6] ny Isanandrom-Bahoaka na People's Daily fa sekoly fanabeazana fototra iray ao Shijiazhuang, iray amin'ireo tanàna maloto indrindra ao amin'ny faritanin'i  Hebei, no nanatontosa fanabeazana ara-batana ho an'ny mpianatra tao anatin'ny tranolay goavana nanabontsinana rivotra madio. Niteraka fanehoan-kevitra miabo sy miiba ny fepetra noraisin'ny sekoly :

该赞赏还是悲哀

Tokony hahatsiaro faly sa malahelo momba izao ve isika?

今后人就跟蔬菜一样,在大棚里成长……

Amin'ny ho avy, ho tahaka ny legioma, mitombo ao anatin'ny trano lay ny olombelona…

所以,你幸福么?

Ka, faly ve ianao?

Na dia eo aza ny setroka matevina, Shinoa maro no mbola nisafidy nivorivory tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen ny marainan'ny Andron'ny Taombaovao mba hitazana ny fananganana sainam-pirenena:

Niteraka fanehoan-kevitra esoeso antserasera niantso azy ireo hoe “olombelona nofo mpanadio rivotra” ireto vahoaka tia tanindrazana ireto.

Amin'ny maha mpamokatra karbona lehibe indrindra [7] manerana izao tontolo izao azy, miankina amin'ny arintany ny 60 isan-jaton'ny [8] herinaratra ao Shina. Nanambara ny fikasany hampihena hatramin'ny 60 isanjato ny famokarana etona mampidi-doza avy amin'ny orinasan'ny arintany mandritra ny dimy taona manaraka ny governemanta, saingy hiverina hiakatra alohan'ny taona 2030 alohan'ny hanombohan'ny fihenany izy io nandritra ny fifanmpiraharahana momba ny Toetr'Andro tao Paris [9] tamin'ny taona 2015 .