Vehivavy Tao Bangalore Niharan'ny Herisetra Nandritra ‘Ny Alina Mahamenatry’ Ny Taombaovao

Eve Teasing. Image from Flickr by Pee Vee. Gandhi bazaar, Bangalore. CC BY-NC-ND

Alin'ny Faran'ny Taona Maneso. Sarin'i Pee Vee tao amin'ny Flickr . Tsean'i Gandhi , Bangalore. CC BY-NC-ND

Nameno ny lalamben'ny tanàndehibe Indiana ao Bangalore ny andian'olona tsy voafehy sady nanararaotra ara-nofo sy nanao herisetra tamin'ireo vehivavy tao anatin'ny hetsika manakorontana azo noharina tamin'ny herisetra ara-nofo nandritra ny fankalazana ny alin'ny faran'ny taona  tao amin'ny fanjakana federe alemà tao Cologne tamin'ny herintaona, raha niady mafy mba hampitsahatra ny fandrahonana ny polisy tamin'ny 31 Desambra 2016.

Araka ny  tatitry ny fampitam-baovao, lehilahy an'arivony no nandeha an-tongotra, sy nitaingina bisikileta ary fiara ka naneritery sy nanao teny tsy maotona tamin'ireo vehivavy nandritra ny fankalazana ny fetin'ny faran'ny taona tao amin'ny arabe M.G. sy arabe Brigade malaza ao Bangalore, na dia teo aza ny fisian'ny mpitandro filaminana miisa 1500 tao amin'ny faritra. Lehibe loatra ny toerana ka nahatonga ny fisafoana ny faritra ho asa sarotra, hoy ny polisy.

“Tamin'ny sasakalina, nivadika nanampy ahy ny hikiaky ny fiarahabana ny taona vaovao,” hoy i K Anantha Subramanyam , mpaka sary ao amin'ny Bangalore Mirror izay vavolombelon'ny zava-niseho nikorontana teo an-toerana. Nilaza i Tejasvi Mahadev, izay teo an-toerana ihany koa, fa nanao lasibatra ireo vehivavy nandeha teny an-dalana ireo lehilahy mamo tanaty fiara. Nikasa ny hikasikasika azy ireo ny sasany sady naka sary selfies niaraka tamin'izy ireo .

Niantso izany ho “alin'ny henatra” tao Bangalore ireo sehatra fampitam-baovao sy ny mpiseran'ny media sosialy  .

NY ALIN'NY HENATRA tao Bangalore !!
Fikasikasiham-behivavy faobe tamin'ny alin'ny Faran'ny Taona.

Tsy misy TAHOTRA, Eritrereto ny hatezerana izay nety hitranga raha tao amin'ny fanjakan'ny BJP .

Rehefa nahita izany hetsika  tsy mifaditrovana nataon'ny olona. Tena ilaina i #batman eto amin'ity tanàndehibe ity #HNY

Nitsikera ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana ny sasany noho ny tsy fisian'ny ezaka hisorohana ny zava-nitranga sy ny tsy namonjena ireo vehivavy lasibatra.

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Ridhima Shukla:

Complaints of crimes against women have largely fallen on deaf ears, with the police even saying, days before the mayhem of the night of 31 December, that it was not possible for them to patrol every inch of the city and that the onus of safety equally lies with women.

Tany amin'ny sofina marenina no nandehanan'ny fitarainan'ny vehivavy niharan'ny herisetra, indrindra fa nilaza ireo polisy andro vitsivitsy talohan'ny korontan'ny alin'ny 31 Desambra fa tsy vitan'izy ireo ny hisafo ny faritra rehetra isaky ny sentimetatra ao amin'ny tanàndehibe ary mizaka ny enta-mavesatra amin'ny fiarovana ihany koa ny vehivavy.

Nandray ny asany ny tale jeneralin'ny polisy vaovao fanampiny ao Bangalore Praveen Sood tamin'ny Alahady 1 Janoary sady nanao izao fanambarana manaraka izao, toa tahaka ny miala andraikitra:

I had not taken charge as commissioner till 1st January. Also, there is not a single complaint so what can I comment.

Ny 1 Janoary aho vao nandray ny anjara raharahan'ny kaomisera. Tsy misy ihany koa na dia iray  aza ny fitarainana voaray ka tsy manana holazaina aho.

Nitana ny teniny izy tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny Bangalore Mirror ny ampitson'iny, na izany aza,  fa:

The safety of women, children and senior citizens are my main priorities. I also strongly believe that there is a need to sensitise the police and the citizens on issues that concern these people. Otherwise what is the point of calling ourselves a civilized society if our women and children do not feel safe.

Tena zava-dehibe amiko ny fiarovana ireo  vehivavy,  ankizy ary zokiolona olom-pirenena. Izaho koa dia mino mafy fa ilaina ny fanentanana ny polisy sy ny olom-pirenena eo amin'ny olana mahakasika ireo olona ireo. Raha tsy izany tsy misy dikany  ny hiantsona antsika ho fiarahamonina mandroso raha toa ka tsy mahatsiaro fandriampahalemana ireo vehivavy sy ankizy .

Tsy nanampy ireo manampahefana ihany koa ny fanamarihana avy amin'ny  Minisitry ny Atitany G Parmeshwara nivoaka avy ao amin'ny Lapam-panjakana Karnataka izay toa nanilika ny filazana fisian'ny herisetra ara-nofo faobe:

Such incidents do happen on New Year day and on Christmas. We take a lot of precautions.

Mpitranga amin'ny andron'ny Taombaovao sy ny Krismasy ny zavatra toy izany. Mandray fepetra maro isika.

Nisy trangan-kerisetra ara-nofo miisa 756 voaray tao Bangalore araka ny lahatahirin'ny polisy tamin'ny taona 2016 ary ny 559 tamin'izy ireo no mbola eo am-panaovana fanadihadiana. Mampiseho ny salanisa fa mitombo isan-taona ny heloka bevava atao amin'ny vehivavy nanomboka tamin'ny taona 2014. Mitombo tsy misy tahaka izany ihany koa ny tahan'ireo raharaha izay mbola miandry famotorana, midika izany fa tsy dia nisy ny ezaka natao hisamborana ireo nahavita heloka.

Nanameloka ny zava-nitranga tamin'ny Taombaovao tao amin'ny media sosialy ny olona :

I Bangalore ve no tanàndehibe ifangaroam-piaviana mampidi-doza indrindra ho an'ny vehivavy?

Inona no nihatra tamin'ireo lehilahy Dravidiana nahita fianarana?

Nankaiza ity izao tontolo izao ity   ??
Voarara tsy hivoaka ireo vehivavy ankehitriny? Toerana tsy ampoizina tahaka an'i Bangalore !!

Maro no nanontany tena hoe inona no nitranga tamin'i Bangalore izay malaza ho tanàndehibe azo antoka ho an'ny vehivavy:

 Manaja  ny vehivavy ny Bangalore fantatro hatramin'izay, fa nisy inona tsy nety tao?

Manafintohina ny fetin'ny Taombaovao tao Bangalore. Nahapetraka fepetra tsy isian'ny fanajana sy tsy fandriampahalemana atao amin'ny vehivavy tahaka izao.

Nahitana herisetra ara-nofo faobe natao tamin'ny vehivavy eo anoloan'ny polisy ny alin'ny Faran'ny Taona tao  #Bengaluru.
Mahamenatra!

Tao anatin'ny volana vitsivitsy, nifantoka tamin'ireo mpifindramonina tao an-tanàndehibe ny resaka tao Bangalore. Niampanga azy ireo ho miteraka korontana ny sehatra fampitam-baovao sasany, ary miampanga ireo mpifindramonina tsy misy porofo ny olona sasany taorian'ny herisetra. Ho setrin'izany, nanoratra tao amin'ny fanehoan-kevitra efa voafafa ny mpisera Facebook iray:

Really painful to see Bangalore in a situation where it has compromised the safety of women and respect to law and order in the name of celebration and democracy.

No. Blaming the immigrants for the situation isn't going to help us. Most of our friends are from various parts of the country and that diversity is what makes Bangalore and Karnataka so unique. They have equally contributed to the city like everyone else.

Tena maharary ny mahita an'i Bangalore amin'ny toe-javatra izay mahavoakitikitika ny fiarovana ny vehivavy sy ny fanajana ny lalàna ary ny filaminana amin'ny anaran'ny fankalazana sy ny demaokrasia.

Tsia. Tsy manampy antsika ny fanomezan-tsiny ireo mpifindramonina amin'ny toe-javatra toy izany. Avy any amin'ny faritra samihafa eto amin'ny firenena ny ankamaroan'ny namantsika ary ny fimaroan-karazana no mampiavaka an'i Bangalore sy Karnataka . Nandray anjara [tamin'ny fananganana ny tanàna] toy ny olon-drehetra tao an-tanàndehibe ihany koa izy ireo .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.