- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misioka Ireo Sary Fahiny Nolokoina Tamin'ny Alàlan'ny Tambajotra Neural Ny Mpikaroka Japoney

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Teknolojia
Emperor Showa Mickey Mouse

Ny Emperora Japoney nitsidika ny Disneyland, miaraka amin'i Mickey Mouse. Sary: Hidenori Watanave [1].

Nitrandraka ny fitaovana noforonin'ny mpikaroka tao amin'ny Oniversite Waseda ao Japana, izay nandoko ireo sary tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny tambajotra neural [2]ary namoaka  ireo vokatra azony vitsivitsy tao amin'ny Twitter [1]i Hidenori Watanave, mpampianatra mpiara-miasa  ao amin'ny Oniversite Metropolitana Tokyo . [1]

Novalovolain'ireo mpikaroka Satoshi Iizuka [3], Edgar Simo-Serra [4] ary Hiroshi Ishikawa [5] ny tetikasa an-tseraseran'ny Oniversiten'ny Waseda, antsoina hoe Tambajotra Neural Mampiasa Ny Fandokoana Ho Azy Ny Sary [6]. Rafitra solosaina miasa araka ny fomban'ny atidohan'olombelona ny tambajotra Neural. Afaka mampiasa ny fitaovana hita ao amin'ny tranonkala [2] avokoa ny olona rehetra rehefa hanampy loko amin'ny sary mainty sy fotsy.

Nampiasa ny fitaovana tamin'ny tetikasa maro natokana hikolokoloana sy hanehoana an-tsarintany ireo vavolombelona nanatri-maso ny Ady Lehibe Faharoa i Watanave, anisan'izany ny sarintany mampiseho ny daroka baomba atomika tao Hiroshima [7] sy Nagasaki [8], sy ny fifanandrinana tao Okinawa [9] tamin'ny taona 1945. Watanave ihany koa no mpamorona ny tetikasan-tsarintany nohavaozina [10] mitovy amin'izany izay mamantatra ny fotoana farany niainan'ireo niharam-boinan'ny horohorontany sy tsunami tany Japana tamin'ny Martsa 2011 [11].

@AtomicHeritage @WWIImuseum [12] Ny setroky ny baomba-A avy ao Kure, Hiroshima. Fandokoana nataon'ny tambajotra neural .

Matetika, na izany aza, manao fanandramana sary isan-karazany aloha i Watanave, izay avoakany ao amin'ny Twitter avy eo. Mampiasa ny teknikan'ny tambajotra neural i Watanave mba handokoana ny sary isan-karazany avy amin'ny zavatra niainan'i Japana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Sarin'ny daroka baomba tao Okinawa nalaina sary avy amin'ny fiaramanidin'ny miaramila Amerikana. Miakatra avy ao amin'ny nosy manodidina an'i Toguchi, Okinawa, ny setroka. Avy amin'ny Peace Learning Archive ao Okinawa (沖縄平和学習アーカイブ [19]). Nolokoin'ny tambajotra neural.

Tamin'ny Febroary sy Martsa 1945,  nifandona tamin'ny Adin'ny Manila, izay nandrava ny tanàna ny tafika Japoney sy ireo tafika mpiara-dia. Sary nolokoina avy ao amin'ny http;//www.vintag.es/2016/12/18-rare-vintage-photographs-that-show.html [23]

Maro amin'ireo sary nolokoina nalefany no avy amin'ireo nangoniny sy notsongaina ho isan'ny tetikasany mitantara amin'ny antsipiriany ny nidarohana baomba an'i Hiroshima sy Nagasaki .

Nagasaki vantany vao vita ny fipoahana nokleary. Ny Katedraly Urakami rava.

Hiroshima vantany vao vita ny daroka baomba atomika. Mijery ny atsimo-andrefana avy any amin'ny faritra avaratra fiampitana ao Kamiya-Machi . Sary avy amin'ny Tahirin-tsary Hiroshima [30]  .

Tsy ny andrana rehetra nataon'i Watanave akory no mifandraika amin'ny ady. Maro ireo sary izay mampiseho sehatra avy amin'ny tantara Japoney nandritra ny taonjato lasa na mihoatra.

Tamin'ny Oktobra 1975,  nitsidika an'i Disneyland tao California ny Emperora Hirohito.

Vehivavy mankafy ny filomana anaty fasika mafana tao Beppu tany amin'ny taompolon'ny taona 1930.

Sary nalain'i Arnold Genthe [37] tamin'ny taona 1908. Tsy tena mazava hoe taiza tao Japana no nalaina ny sary .

Ary tsy ny andrana fandokoana rehetra nataon'i Watanave no misy ifandraisana amin'i Japana. Mampiseho ny Adin'i Korea ity sary mahaliana ity :

Mampialavoly ireo miaramila naparitaka nandritra ny Adin'i Korea tamin'ny 1954 i Marilyn Monroe  .

Miteraka vokatra mahaliana indraindray ny fahana Twitter an'i Watanave. Toa mahafantatra ny sary nolokoina iray izay nopihan'ny reniny tao Tokyo efa ho 50 taona lasa izay ny mpanjohy Twitter iray eto:

Manao ny akanjo fitondra alahady tsara indrindra sy manao taovolo nentim-paharazana japoney eo ampanatontosana ny asany ireo zatovovavy [antomotry ny Androm-piaviana [42] fanao isan-taona] tamin'ny 5 Janoary 1970, tao Chiyoda Ward, Tokyo.

Misaotra anao noho ny famoahana ity sary ity. Mitovy amin'ny reniko tamin'izy mbola tanora.

Azo jerena eto [6] ny antsipiriany ara-teknika momba ny fitaovana fandokoan'i Waseda.  Azo ampiasaina ao amin'ny http:/hi.cs.waseda.ac.jp:8082/ [2] ny fitaovana mifototra amin'ny fitety. Manamarika ireo mpamorona fa tsy natao hanaovana tanjona ara-barotra ny fitaovana.